Ary nandroso ihany i Jesoa ka nahita olona mirahalahy hafa koa, dia i Jakôba sy i Jôhany zanak’i Zebedeo; tafaraka tamin’i Zebedeo rainy teo an-tsambokely izy roa lahy ary nanamboatra harato.
Marka 1:19 - DIEM PROTESTANTA Ary nony nandroso kelikely i Jesoa, dia nahita an’i Jakôba sy i Jôhany mirahalahy, zanak’i Zebedeo. Nanamboatra ny haratony tao an-tsambokely izy roa lahy tamin’izay. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary rehefa nandroso kelikely Izy dia nahita an’i Jakoba, zanak’i Zebedio, sy i Jaona rahalahiny izay teo an-tsambokely koa nanamboatra ny haratony. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary nony nandroso kelikely i Jesoa, dia nahita an’i Jakôba sy i Jôhany mirahalahy, zanak’i Zebedeo. Nanamboatra ny haratony tao an-tsambokely izy roa lahy tamin’izay. Baiboly Katolika Nony nandeha kelikely Izy, dia nahita an’i Jakôba zanak’i Zebede sy i Joany rahalahiny, izay teo an-tsambo kely koa, nanamboatra ny haratony. Baiboly Protestanta Malagasy Ary rehefa nandroso kelikely Izy, dia nahita an’i Jakoba, zanak’i Zebedio, sy Jaona rahalahiny, izay teo an-tsambokely koa namboatra ny haratony. Malagasy Bible Ary rehefa nandroso kelikely Izy, nahita an'i Jakoba, zanak'i Zebedio, Jaona rahalahiny, izay teo an-tsambokely koa namboatra ny haratony. La Bible en Malgache Ary rehefa nandroso kelikely Izy dia nahita an’i Jakoba, zanak’i Zebedio, sy i Jaona rahalahiny izay teo an-tsambokely koa nanamboatra ny haratony. |
Ary nandroso ihany i Jesoa ka nahita olona mirahalahy hafa koa, dia i Jakôba sy i Jôhany zanak’i Zebedeo; tafaraka tamin’i Zebedeo rainy teo an-tsambokely izy roa lahy ary nanamboatra harato.
Ary nantsoin’i Jesoa avy hatrany izy mirahalahy; dia nilaozany teo an-tsambokely i Zebedeo rainy mbamin’ireo mpikarama, fa lasa izy roa lahy niaraka tamin’i Jesoa.
Fa nanatona an’i Jesoa ry i Jakôba sy i Jôhany zanakalahin’i Zebedeo ka nanao taminy hoe: –Mpampianatra ô, irînay ny hanaovanao aminay izay hangatahinay aminao izao!
Fa nentin’i Jesoa niaraka taminy kosa ry i Petera sy i Jôhany ary i Jakôba. Dia nanomboka nihoron-koditra sy feno tebiteby fatratra i Jesoa
i Jakôba sy i Jôhany mirahalahy zanak’i Zebedeo ary nampian’i Jesoa anarana hoe Boanerjesy, izany hoe olona mahery setra tahaka ny varatra;
Dia tsy nisy olona navelan’i Jesoa hiaraka aminy afa-tsy i Petera sy i Jakôba ary i Jôhany rahalahin’i Jakôba.
Enina andro taorian’izay, dia nalain’i Jesoa niaraka taminy ry i Petera sy i Jakôba ary i Jôhany, ka nentiny nitokana tany an-tendrombohitra avo. Dia niova tarehy teo anatrehan’izy telo lahy i Jesoa:
Tafaraka i Simôna Petera, sy i Tômà ilay atao hoe Ikambana, ary i Natanaela ilay avy any Kanà any Galilea, mbamin’ireo zanakalahin’i Zebedeo sy mpianatra roa lahy hafa koa.
Ka nony tonga tao an-tanàna izy ireo, dia niakatra tao amin’ny efitrano ambony rihana fitoerany: dia i Petera, i Jôhany, i Jakôba, i Andrea, i Filipo, i Tômà, i Bartôlômeo, i Matio, i Jakôba zanakalahin’i Halfeo, i Simôna Zelôta ary i Jodasy zanakalahin’i Jakôba.