Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 1:20 - DIEM PROTESTANTA

20 Ary nantsoin’i Jesoa avy hatrany izy mirahalahy; dia nilaozany teo an-tsambokely i Zebedeo rainy mbamin’ireo mpikarama, fa lasa izy roa lahy niaraka tamin’i Jesoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

20 Dia niantso azy ireo niaraka tamin’izay Izy; ary nandao an’i Zebedio rainy mbamin’ny olona nokaramainy tao an-tsambokely izy mirahalahy dia nanaraka an’i Jesosy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

20 Ary nantsoin’i Jesoa avy hatrany izy mirahalahy; dia nilaozany teo an-tsambokely i Zebedeo rainy mbamin’ireo mpikarama, fa lasa izy roa lahy niaraka tamin’i Jesoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

20 Dia niantso azy niaraka tamin’izay Izy, ka nilaozan’izy mirahalahy teo an-tsambo keliny i Zebede rainy sy ny mpikaramany, fa lasa nanaraka an’i Jesoa izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

20 Dia niantso azy niaraka tamin’izay Izy; ary izy mirahalahy nandao an’i Zebedio rainy teo an-tsambokely mbamin’ny olona nokaramainy, ka dia nanaraka an’i Jesosy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

20 Dia niantso azy niaraka tamin'izay Izy; ary izy mirahalahy nandao an'i Zebedio rainy teo an-tsambokely mbamin'ny olona nokaramainy, ka dia nanaraka an'i Jesosy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

20 Dia niantso azy ireo niaraka tamin’izay Izy; ary nandao an’i Zebedio rainy mbamin’ny olona nokaramainy tao an-tsambokely izy mirahalahy dia nanaraka an’i Jesosy.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 1:20
11 Rohy Ifampitohizana  

Dia nandao ny omby i Elisà, ka nihazakazaka nanaraka an’i Elià sady nanao hoe: –Avelao aho aloha hanoroka ny raiko sy ny reniko vao hanaraka anao. Ary hoy i Elià taminy: –Mandehana miverina, fa naninona anao moa aho!


Izay tia ny rainy na ny reniny mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy mendrika Ahy; ary izay tia ny zanany lahy na ny zanany vavy mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy mendrika Ahy.


Ary nony nandroso kelikely i Jesoa, dia nahita an’i Jakôba sy i Jôhany mirahalahy, zanak’i Zebedeo. Nanamboatra ny haratony tao an-tsambokely izy roa lahy tamin’izay.


Dia nankany an-tanàna atao hoe Kafarnahòma i Jesoa mbamin’ireo mpianany efa-dahy; ary raha vao tonga ny sabata, dia niditra tao amin’ny sinagôga i Jesoa ka nampianatra tao.


Ka hoy i Jesoa tamin’ny mpianany: –Lazaiko marina aminareo fa tsy misy olona mahafoy trano na mpiray tampo na reny na ray na zanaka na tany noho ny fitiavana Ahy sy fitiavana ny Vaovao Mahafaly,


–Raha misy manatona Ahy, aoka ho tia Ahy mihoatra noho ny ray aman-dreniny sy ny vady aman-janany mbamin’ny mpiray tampo aminy, ary mihoatra noho ny tenany aza; fa raha tsy izany, tsy afaka ho mpianatro.


Ary rehefa nampiantsona ny sambokely teo an-tanety i Simôna sy ny namany, dia nandao ny zavatra rehetra ka lasa niaraka tamin’i Jesoa.


Ka hatramin’ny naha kristianina anay, dia tsy mihevitra na iza na iza araka ny fisainan’olombelona intsony izahay. Na dia nihevitra an’i Kristy araka ny fisainan’olombelona aza izahay fahiny, dia tsy manao toy izany intsony ankehitriny.


Noho Ianao, dia tsy mba niraiki-po tamin’ny ray aman-dreniny ireo, na nifikitra tamin’ny mpiray tampo na fatra-pitia zanaka, fa nitandrina ny teninao sy nitana ny fanekempihavananao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra