Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 5:37 - DIEM PROTESTANTA

37 Dia tsy nisy olona navelan’i Jesoa hiaraka aminy afa-tsy i Petera sy i Jakôba ary i Jôhany rahalahin’i Jakôba.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

37 Ary tsy nisy olona navelany hanaraka Azy afa-tsy i Petera sy i Jakoba ary i Jaona, rahalahin’i Jakoba.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

37 Dia tsy nisy olona navelan’i Jesoa hiaraka aminy afa-tsy i Petera sy i Jakôba ary i Jôhany rahalahin’i Jakôba.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

37 Ary tsy nisy navelany hanaraka Azy afa-tsy i Piera sy i Jakôba ary i Joany rahalahin’i Jakôba.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

37 Ary tsy nisy olona navelany hanaraka Azy afa-tsy Petera sy Jakoba ary Jaona, rahalahin’i Jakoba.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

37 Ary tsy nisy olona navelany hanaraka Azy afa-tsy Petera sy Jakoba ary Jaona, rahalahin'i Jakoba.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

37 Ary tsy nisy olona navelany hanaraka Azy afa-tsy i Petera sy i Jakoba ary i Jaona, rahalahin’i Jakoba.

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 5:37
7 Rohy Ifampitohizana  

Enina andro taorian’izay, dia nalain’i Jesoa niaraka taminy ry i Petera mbamin-dry i Jakôba sy i Jôhany mirahalahy, ka nentiny nitokana tany an-tendrombohitra avo anankiray.


Nentin’i Jesoa niaraka taminy kosa i Petera mbamin’izy roa lahy zanak’i Zebedeo. Dia nanomboka nozoim-pahoriana sy feno tebiteby fatratra i Jesoa,


Fa nentin’i Jesoa niaraka taminy kosa ry i Petera sy i Jôhany ary i Jakôba. Dia nanomboka nihoron-koditra sy feno tebiteby fatratra i Jesoa


Enina andro taorian’izay, dia nalain’i Jesoa niaraka taminy ry i Petera sy i Jakôba ary i Jôhany, ka nentiny nitokana tany an-tendrombohitra avo. Dia niova tarehy teo anatrehan’izy telo lahy i Jesoa:


Nony tonga tao an-trano i Jesoa, dia tsy nisy navelany hiara-miditra aminy afa-tsy i Petera sy i Jôhany ary i Jakôba mbamin’ny ray aman-drenin-drazazavavy.


Namoaka ny olona rehetra ho any alatrano i Petera, dia nandohalika nivavaka. Avy eo izy dia nitodika nanatrika ny faty ka niteny hoe: –Ry Tabità, mitsangàna! Nahiratr’i Tabità ny masony, ary nahita an’i Petera izy dia niarina.


Izao no fanintelony hankanesako atỳ aminareo. Hoy ny Soratra Masina hoe: «Ny tenin’ny vavolombelona roa na telo no aoka hitombenan’ny raharaha rehetra.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra