Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Marka 3:17 - DIEM PROTESTANTA

17 i Jakôba sy i Jôhany mirahalahy zanak’i Zebedeo ary nampian’i Jesoa anarana hoe Boanerjesy, izany hoe olona mahery setra tahaka ny varatra;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

17 i Jakoba, zanak’i Zebedio, sy i Jaona, rahalahin’i Jakoba; izy mirahalahy ireo dia nomeny anarana hafa koa hoe Boanerjesy, izany hoe Zana-baratra;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

17 i Jakôba sy i Jôhany mirahalahy zanak’i Zebedeo ary nampian’i Jesoa anarana hoe Boanerjesy, izany hoe olona mahery setra tahaka ny varatra;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

17 ary i Jakôba, zanak’i Zebede sy i Joany rahalahin’i Jakôba izay nomeny fanampin’anarana koa hoe Boanerijesy, izany hoe zana-baratra;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

17 ary Jakoba, zanak’i Zebedio, sy Jaona, rahalahin’i Jakoba; izy mirahalahy dia nomeny anarana hafa koa hoe Boanerjesy, izany hoe Zana-baratra;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

17 ary Jakoba, zanak'i Zebedio, sy Jaona, rahalahin'i Jakoba; izy mirahalahy dia nomeny anarana hafa koa hoe Boaneryjesy, izany hoe Zana-baratra;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

17 i Jakoba, zanak’i Zebedio, sy i Jaona, rahalahin’i Jakoba; izy mirahalahy ireo dia nomeny anarana hafa koa hoe Boanerjesy, izany hoe Zana-baratra;

Jereo ny toko dika mitovy




Marka 3:17
16 Rohy Ifampitohizana  

Miantsoa mafy, fa aza atao malemy. Ataovy avo toy ny trompetra ny feonao. Vakio bantsilana amin’ny vahoakako ny fikomiany ary amin’ny taranak’i Jakôba ny fahotany.


ny teniko dia toy ny afo mandoro, ary toy ny kanonta manorotoro vatolampy, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO.


Ary nandroso ihany i Jesoa ka nahita olona mirahalahy hafa koa, dia i Jakôba sy i Jôhany zanak’i Zebedeo; tafaraka tamin’i Zebedeo rainy teo an-tsambokely izy roa lahy ary nanamboatra harato.


Fa nanatona an’i Jesoa ry i Jakôba sy i Jôhany zanakalahin’i Zebedeo ka nanao taminy hoe: –Mpampianatra ô, irînay ny hanaovanao aminay izay hangatahinay aminao izao!


Fa nentin’i Jesoa niaraka taminy kosa ry i Petera sy i Jôhany ary i Jakôba. Dia nanomboka nihoron-koditra sy feno tebiteby fatratra i Jesoa


Ireto no voatendriny ho isan’ny 12 lahy: i Simôna izay nampian’i Jesoa anarana hoe Petera;


i Andrea, i Filipo, i Bartôlômeo, i Matio, i Tômà, i Jakôba zanak’i Halfeo, i Tadeo, i Simôna Kananeanina,


Dia tsy nisy olona navelan’i Jesoa hiaraka aminy afa-tsy i Petera sy i Jakôba ary i Jôhany rahalahin’i Jakôba.


Enina andro taorian’izay, dia nalain’i Jesoa niaraka taminy ry i Petera sy i Jakôba ary i Jôhany, ka nentiny nitokana tany an-tendrombohitra avo. Dia niova tarehy teo anatrehan’izy telo lahy i Jesoa:


Nony nahita izany ry i Jakôba sy i Jôhany mpianany, dia nanao hoe: –Tompo ô, sitrakao ve ny hiantsoanay varatra hilatsaka avy any an-danitra handevona azy ireo?


Tafaraka i Simôna Petera, sy i Tômà ilay atao hoe Ikambana, ary i Natanaela ilay avy any Kanà any Galilea, mbamin’ireo zanakalahin’i Zebedeo sy mpianatra roa lahy hafa koa.


Tamin’izany fotoana izany, dia nasain’i Herôda mpanjaka nosamborina ny olona sasantsasany anisan’ny Fiangonana mba hampahorîna.


Fa velona sy mahery ny tenin’Andriamanitra, sady maranitra noho ny sabatra roa lela ka maninteraka hatrany amin’ny fihaonan’ny aina sy ny fanahy ary hatrany amin’ny fihaonan’ny famavàny sy ny tsoka; hainy tsaraina ny eritreritra amam-pisainan’ny fon’ny olona.


Tamin’izay dia nisy nilaza tamiko hoe: –Tsy maintsy mitondra ny hafatr’Andriamanitra indray ianao ny amin’ny vahoaka maro sy firenena maro sy olona maro samy hafa fiteny ary mpanjaka maro.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra