Josoa 8:26 - DIEM PROTESTANTA Tsy nampidinin’i Josoa ny tanany nanambana lefona ambara-paharingan’ny mponina rehetra tao Hay. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary tsy nampihemotra ny tanany izay nanondro tamin’ny lefona i Josoa mandra-panaony ny mponina rehetra tao Ay ho zavatra voaozona. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tsy nampidinin’i Josoa ny tanany nanambana lefona ambara-paharingan’ny mponina rehetra tao Hay. Baiboly Katolika Tsy nahemotr’i Jôsoe ny tanany natsotrany sy ny lefona mandra-panaovany anatema ny mponina rehetra tao Haia. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Josoa tsy nampihemotra ny tànany izay nanondro tamin’ny lefona mandra-pandringana ny mponina rehetra tao Ay. Malagasy Bible Ary Josoa tsy nampihemotra ny tànany izay nanondro tamin'ny lefona mandra-pandringana ny mponina rehetra tao Ay. La Bible en Malgache Ary tsy nampihemotra ny tanany izay nanondro tamin’ny lefona i Josoa mandra-panaony ny mponina rehetra tao Ay ho zavatra voaozona. |
Ary afatsika tamin’izay ny tanànany rehetra, ka noravantsika tanteraka; naringantsika ny lehilahy mbamin’ny zaza amam-behivavy isan-tanàna ka tsy nasiantsika niangana na iray akory aza.
Dia hoy ny TOMPO tamin’i Josoa: –Ambano amin’ny lefona eny an-tananao i Hay satria hatolotro eo an-tananao izy. Dia nanambanan’i Josoa ny tanàna ilay lefona teny an-tanany.
Ny mponina tao Gibehôna dia isan’ny Hivita; kanefa, nony nandre an’izay nataon’i Josoa tamin’i Jerikao sy i Hay ry zareo,