Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Josoa 21:34 - DIEM PROTESTANTA

Ireo Levita hafa sisa dia ny tarika taranak’i Merarỳ, ka ireto tanàna ireto no azony. Avy tamin’ny fokon’i Zebolòna dia i Jôknehama, i Kartà,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Izao no azon’ny fianakavian’ny taranak’i Merary, izay levita sisa: Avy tamin’ny fokon’i Zebolona dia i Jokneama sy ny tany manodidina azy, i Karta sy ny tany manodidina azy,

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ireo Levita hafa sisa dia ny tarika taranak’i Merarỳ, ka ireto tanàna ireto no azony. Avy tamin’ny fokon’i Zebolòna dia i Jôknehama, i Kartà,

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Izao no nomena ny fianakavian’ny taranak’i Merarỳ, Levita sisa; avy amin’ny fokon’i Zabolôna: i Jeknama sy ny manodidina azy; i Kartà sy ny manodidina azy;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary izao no azon’ ny fokon’ny taranak’i Merary, izay Levita sisa: avy tamin’ny firenen’i Zebolona dia Jokneama sy ny tany manodidina azy ary Karta sy ny tany manodidina azy,

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary izao no azon'ny fokon'ny taranak'i Merary, izay Levita sisa: avy tamin'ny firenen'i Zebolona dia Jokneama sy ny tany manodidina azy ary Karta sy ny tany manodidina azy,

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Izao no azon’ny fianakavian’ny taranak’i Merary, izay levita sisa: Avy tamin’ny fokon’i Zebolona dia i Jokneama sy ny tany manodidina azy, i Karta sy ny tany manodidina azy,

Jereo ny toko



Josoa 21:34
9 Rohy Ifampitohizana  

Ny taranak’i Merarỳ, araka ny fianakaviany avy, dia tanàna 12 no azony tamin’ny antsapaka: ireo tanàna ireo dia avy tamin’ny fokon’i Reobena sy ny fokon’i Gada ary ny fokon’i Zebolòna.


nisy avy tamin’ny fokon’i Reobena, eny andafy atsinanan’i Jôrdàna tandrifin’i Jerikao: dia i Betsera any an-taniefitra sy i Jahatsa ary i Kedemôta sy i Mefahata mbamin’ny kijàna samy manodidina azy;


i Kedesa, i Jôknehama any Karmela,


Avy eo ny sisin-taniny dia miankandrefana hatrany Marehala, ka mahazo an’i Dabeseta ary koa ny lohasahan-driaka izay eo atsinanan’i Jôknehama.


Ny velaran-tanin’i Zebolòna dia nisy tanàn-dehibe 12 samy miampy ireo tanàna kely miankina aminy; ka anisan’ireo tanàna 12 ireo i Katata, i Nahalala, i Simrôna, i Jidalà, ary i Betlehema.


Ny tanàna rehetra azon’ny Geresônita ho an’ireo tarika tao anatiny dia tanàna 13 mbamin’ny kijàna samy manodidina azy.


i Dimnà, ary i Nahalala: izany hoe tanàna efatra mbamin’ny kijàna samy manodidina azy.


Ny azon’ny taranak’i Merarỳ kosa dia tanàna 12 avy tamin’ny fokon’i Reobena sy fokon’i Gada ary fokon’i Zebolòna.