Avy eo dia mbola nitoe-jaza hafa indray izy ka nantsoiny hoe Selà. Tany Keziba i Joda no niteraka an’i Selà ny vadiny.
Josoa 19:29 - DIEM PROTESTANTA Avy eo ny sisin-tany dia mihodina hatrany Ramà sy hatrany Tiro tanàna mimanda, dia mihodina ho any Hôsa ary mihatra amin’ny Ranomasina Mediteranea ka mahafaoka an’ireto tanàn-dehibe ireto: i Mehaleba, i Akziba, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 mitodika hatrany Rama sy hatrany Tiro, tanàna mimanda, mitodika hatrany Hosa, mihatra amin’ny ranomasina eo akaikin’ny tany Akziba, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Avy eo ny sisin-tany dia mihodina hatrany Ramà sy hatrany Tiro tanàna mimanda, dia mihodina ho any Hôsa ary mihatra amin’ny Ranomasina Mediteranea ka mahafaoka an’ireto tanàn-dehibe ireto: i Mehaleba, i Akziba, Baiboly Katolika dia niolaka ny faritry ny tany mankany Ramaha hatrany Tira, tanàna mimanda, ary niolaka ny faritra mankany Hosa, ka nihatra tamin’ny ranomasina, akaikin’ny faritanin’i Akziba, Baiboly Protestanta Malagasy dia nitodika hatrany Rama sy Tyro, tanàna mimanda, dia nitodika hatrany Hosa, ka dia nihatra tamin’ny ranomasina teo akaikin’ny tany Akziba Malagasy Bible dia nitodika hatrany Rama sy Tyro, tanàna mimanda, dia nitodika hatrany Hosa, ka dia nihatra tamin'ny ranomasina teo akaikin'ny tany Akziba La Bible en Malgache mitodika hatrany Rama sy hatrany Tiro, tanàna mimanda, mitodika hatrany Hosa, mihatra amin’ny ranomasina eo akaikin’ny tany Akziba, |
Avy eo dia mbola nitoe-jaza hafa indray izy ka nantsoiny hoe Selà. Tany Keziba i Joda no niteraka an’i Selà ny vadiny.
Ary tonga tao Tiro tanàna mimanda ireo sy tany amin’ny tanàna rehetra fonenan’ny Hivita sy Kanahanita, ka tafapaka hatrany Bery-Seba, ao atsimon’ny faritanin’i Joda.
Naniraka olona hankany amin’i Davida i Hirama mpanjakan’i Tiro mba hitondra hazo sedera sy mpandrafitra ary mpipai-bato. Dia nanangana trano ho an’i Davida ireo.
Ary i Hirama mpanjakan’i Tiro dia sakaizan’i Davida hatramin’ny ela. Nanirahany solotena i Salômôna, satria reny fa voahosotra ho mpanjaka handimby an’i Davida rainy izy.
«Ry ilay taranak’olombelona, mitodiha manandrify ny tanàna Tsidôna, ary ijoroy ny maha-mpaminany anao mba hamelezako azy.
Noho izany, ry mponina ao Tsiôna, afoizo i Môreseta-Gata; ny tanàna Akziba dia toky manodoka ho an’ny mpanjakan’i Israely.
Ary i Tiro nanao manda mafy ho azy; volafotsy matevina tahaka ny vovoka no voaangony ary koa volamena mivongana toy ny fotaka eny an-dalambe.
i Homà, i Afeka ary i Rehôba. Ny velaran-tanin’i Jisakara dia nisy tanàn-dehibe 22 samy miampy ny tanàna kely miankina aminy.
Ny taranak’i Asera dia tsy naharoaka ny mponina tao Hakao sy Tsidôna na ny tao Mehaleba sy Akziba na ny tao Helbà sy Afîka ary Rehôba.