Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mika 1:14 - DIEM PROTESTANTA

14 Noho izany, ry mponina ao Tsiôna, afoizo i Môreseta-Gata; ny tanàna Akziba dia toky manodoka ho an’ny mpanjakan’i Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

14 Koa izany no hanomezanao taratasy fisaorana ho an’i Moreseta-Gata; ranotrambo ho an’ny mpanjakan’ny Israely ireo tranon’i Akziba.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

14 Noho izany, ry mponina ao Tsiôna, afoizo i Môreseta-Gata; ny tanàna Akziba dia toky manodoka ho an’ny mpanjakan’i Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

14 Noho izany ianao hamoy ny anananao an’i Môreseta ao Geta; ny trano ao Akziba dia ho fanodokàna ho an’ny mpanjakan’i Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

14 Koa izany no hanomezanao taratasy fisaorana ho an’i Moresetagata; Ranotrambo ho an’ny mpanjakan’ny Isiraely ireo tranon’i Akziba.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

14 Koa izany no hanomezanao taratasy fisaorana ho an'i Moresetagata; Ranotrambo ho an'ny mpanjakan'ny Isiraely ireo tranon'i Akziba.

Jereo ny toko dika mitovy




Mika 1:14
10 Rohy Ifampitohizana  

Nandresy ny Môabita koa izy ka nampandrîny tamin’ny tany ireo mba horefesina amin’ny tady; koa novonoiny ho faty ny androatokony ary navelany ho velona kosa ny ampahatelony. Noho izany dia tonga olom-pehezin’i Davida sady mpandoa hetra ho azy ny Môabita.


Dia naka izay volafotsy sy volamena hitany tao an-tranon’ny TOMPO sy tao amin’ny tahirin-dapa i Ahaza ka nandefa izany ho fanomezana ho an’ny mpanjakan’i Asiria.


–Matokia Azy lalandava, ry vahoakany, atosahy eo anoloany ny fiahianareo fa Izy Andriamanitra no fialofantsika. Fiatoana


Hafatra momba ny biby mivesatra entana any Negeba. Faritra mampahory sy mampitebiteby sady misy liona masiaka mierona ary koa menarana sy dragona manidina no indro vakivakîn’ny olona ka itondrany harena sy zava-tsoa eny an-damosin’ny boriky sy eny ambony trafon’ny rameva hankany amin’ny firenena tsy mahasoa azy akory.


Nahoana no mitohy ny fijaliako? Nahoana no tsy mety sitrana ny feriko sady tsy andairam-panafody? Ho tonga mamitaka ahy Ianao toy ny mason-dranotrambo ka tsy azo antoka hisy rano.


i Kehilà, i Akziba, ary i Maresà; izany hoe tanàna sivy samy miampy ireo tanàna kely miankina aminy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra