Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mika 1:15 - DIEM PROTESTANTA

15 Mpanafika handresy anareo no halefan’ny TOMPO aminareo, ry mponina ao Maresà, ka hisitrika hatrany an-johin’i Hadolama ireo filoha tabihan’i Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 Mbola hitondrako olon-kafa izay handova anao ianao, ry mponina ao Maresa; ho tonga hatrany Adolama ny voninahitr’Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 Mpanafika handresy anareo no halefan’ny TOMPO aminareo, ry mponina ao Maresà, ka hisitrika hatrany an-johin’i Hadolama ireo filoha tabihan’i Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

15 Hitondrako mpandresy ianao, ry ikala mponina ao Maresà; ho lasana hatrany Odolama ny tabihan’i Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 Mbola hitondrako olon-kandova hianao. Ry mponina ao Maresa; Ho tonga hatrany Adolama aza ny voninahitr’Isiraely.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 Mbola hitondrako olon-kandova ianao. Ry mponina ao Maresa; Ho tonga hatrany Adolama aza ny voninahitr'Isiraely.

Jereo ny toko dika mitovy




Mika 1:15
11 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’izany fotoana izany dia niala teo amin’ny rahalahiny i Joda ka nidina tany Hadolama, ho any amin’ny lehilahy atao hoe Hirà.


Indray andro tamin’ny fararano, dia nisy telo lahy anisan’ny «andian’ny telopolo lahy» nidina ka tonga tany amin’i Davida tao amin’ny zohin’i Hadolàma, fa nisy tafiky ny Filistinina nitoby tao an-dohasahan’ny Refaîta.


i Bety-Tsoro sy i Sôkao ary i Hadolama,


Amin’ny andro famalian’ny TOMPO, raha ho tonga avy any lavitra ny rambondanitra handrava, inona no azonareo atao, aiza no handosiranareo hitadiavam-bonjy ary aiza no hametrahanareo ny harenareo?


Fanambaràna momba ny Hamônita. Izao no lazain’ny TOMPO: «Nahoana ny andriamanitra Milkôma no naka ny tanin’i Gada ho fananany? Ary nahoana ny Hamônita no monina ao amin’ny tanàna israelita? Tsy manan-janakalahy va i Israely mba ho afa-kandova izany?


i Libnà, i Hadolama,


i Jarmota, i Hadolama, i Sôkao, i Hazekà,


i Kehilà, i Akziba, ary i Maresà; izany hoe tanàna sivy samy miampy ireo tanàna kely miankina aminy.


Niala avy teo i Davida, dia nandositra niery tao an-johin’i Hadolama. Raha nahafantatra izany ny rahalahiny sy ny fianakavian-drainy rehetra, dia nirohotra nankany aminy avokoa.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra