Indray andro dia nankany Gibehôna ny mpanjaka mba hanao sorona, fa tany no toeram-pisoronana malaza indrindra. Sorona dorana manontolo arivo no naterin’i Salômôna teo amin’izany alitara izany.
Josoa 18:21 - DIEM PROTESTANTA Ireto avy ny tanàna azon’ny foko benjaminita ho an’ny tarika ao anatiny: i Jerikao, i Bety-Hôglà, i Hemeke-Ketsitsa, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary ny tanànan’ny fokon’i Benjamina araka ny fianakaviany dia i Jeriko sy i Bety-Hogla ary ny lohasahan’i Keziza, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ireto avy ny tanàna azon’ny foko benjaminita ho an’ny tarika ao anatiny: i Jerikao, i Bety-Hôglà, i Hemeke-Ketsitsa, Baiboly Katolika Izany no lovan’ny taranak’i Benjamina amin’ny faritra manodidina azy manontolo, araka ny fianakaviany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny tanànan’ny firenena taranak’i Benjamina araka ny fokony dia Jeriko sy Beti-hogla ary ny lohasahan’i Keziza Malagasy Bible Ary ny tanànan'ny firenena taranak'i Benjamina araka ny fokony dia Jeriko sy Beti-hogla ary ny lohasahan'i Keziza La Bible en Malgache Ary ny tanànan’ny fokon’i Benjamina araka ny fianakaviany dia i Jeriko sy i Bety-Hogla ary ny lohasahan’i Keziza, |
Indray andro dia nankany Gibehôna ny mpanjaka mba hanao sorona, fa tany no toeram-pisoronana malaza indrindra. Sorona dorana manontolo arivo no naterin’i Salômôna teo amin’izany alitara izany.
«Ny amin’ireo foko sisa mbamin’ny anjarany dia toy izao manaraka izao: ny anjaran’i Benjamîna dia miainga eo amin’ny sisin-tany atsinanana ka hatrany amin’ny Ranomasina Mediteranea any andrefana.
Ka novalian’i Jesoa hoe: –Nisy lehilahy nidina avy tany Jerosalema ho any Jerikao, nasian’ny jiolahy ka nendahany fitafiana sy nodarofany kapoka; ary efa saika maty ralehilahy vao nilaozan’ireo jiolahy nandositra.
ka niakatra hatrany Bety-Hôgla, mandalo eo avaratr’i Bety-Haraba, ary miakatra hatrany amin’ilay Vato atao hoe Vaton’i Bôhana (i Bôhana dia zanakalahin’i Reobena);
Ny sisin-taniny, lafy avaratra, dia miainga hatreo Jôrdàna ka miakatra ho any amin’ny ilany avaratr’i Jerikao, dia mahazo ny tendrombohitra any andrefana, ary miafara amin’ny taniefitr’i Bety-Avena;
ary mitohy any avaratr’i Bety-Hôglà ka miafara any amin’ny tendrony avaratry ny Ranomasina Maty, eo am-bavaranon’i Jôrdàna. Izany no sisin-tany, lafy atsimo.
I Jôrdàna kosa no sisin-tany, lafy atsinanana. Izany no zaratany nolovan’ny Benjaminita ho an’ireo tarika ao anatiny, araka ny sisin-tany manodidina azy.
Ary i Josoa, zanakalahin’i Nona, dia nandefa mpitsikilo roa lahy mangingina avy tao an-tobin’i Sitima ka niteny taminy hoe: –Ndeha misafo ny tany ianareo, indrindra fa ny tanànan’i Jerikao. Nony tonga tao an-tanàna izy roa lahy, dia niditra tao an-tranon’ny vehivavy mpivaro-tena iray atao hoe Rahaba ka nandry tao.
Tamin’izay ny vavahadin’i Jerikao dia nihidy mafy tokoa teo anoloan’ny Israelita, ka tsy nisy olona afa-nivoaka ny tanàna ary tsy nisy afa-niditra.
Ary ny Kenita, taranaky ny rafozan-dahin’i Mosesy, dia niainga avy tao Jerikao, tanàna be rofia. Niainga niaraka tamin’ny vatan-dehilahin’i Joda izy ka nandeha nanorim-ponenana tany amin’ny taniefitr’i Joda tao atsimon’i Harada ary niara-nonina tamin’ny Hamalekita.