Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Josoa 6:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Tamin’izay ny vavahadin’i Jerikao dia nihidy mafy tokoa teo anoloan’ny Israelita, ka tsy nisy olona afa-nivoaka ny tanàna ary tsy nisy afa-niditra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Ary nihidy mafy i Jeriko tamin’izany noho ny Zanak’Israely: Tsy nisy nivoaka avy tao ary tsy nisy niditra nankao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Tamin’izay ny vavahadin’i Jerikao dia nihidy mafy tokoa teo anoloan’ny Israelita, ka tsy nisy olona afa-nivoaka ny tanàna ary tsy nisy afa-niditra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Nihidy i Jerikô, ka nirindrina hatraiza hatraiza noho ny amin’ny zanak’i Israely: tsy nisy nivoaka, tsy nisy niditra ny olona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 Ary nihidy mafy Jeriko tamin’izany noho ny Zanak’Isiraely: tsy nisy nivoaka, ary tsy nisy niditra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Ary nihidy mafy Jeriko tamin'izany noho ny Zanak'Isiraely: tsy nisy nivoaka, ary tsy nisy niditra.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Ary nihidy mafy i Jeriko tamin’izany noho ny Zanak’Israely: Tsy nisy nivoaka avy tao ary tsy nisy niditra nankao.

Jereo ny toko dika mitovy




Josoa 6:1
12 Rohy Ifampitohizana  

Nisy nampandre izany tamin’i Davida; dia naniraka olona izy mba hitsena azy, satria afa-baràka loatra ireo lehilahy ireo; ka hoy ny hafatry ny mpanjaka hoe: «Mijanòna any Jerikao aloha mandra-panirin’ny volombavanareo; izay ianareo vao mody.»


Tato aoriana anefa dia nikomy taminy i Hôsea, satria sady nandefa iraka tany amin’ny mpanjakan’i Ejipta tany Saîsa izy no tsy nety nandoa ny hetrany isan-taona ho an’ny mpanjakan’i Asiria intsony. Koa rehefa hitan’i Salmanesera izany fikomiana izany, dia nasainy nosamborina sy nogadraina i Hôsea.


Ary hoy indray i Elià tamin’i Elisà: –Mijanona eto re ianao, ry Elisà, fa irahin’ny TOMPO hankany Jerikao aho. Fa novaliany hoe: –Velona ny TOMPO ary velona ny ainao, koa mianiana aho fa tsy handao anao! Dia niaraka nankany Jerikao izy mianaka.


Hira fiakarana. Natao ho an’i Salômôna. Raha tsy ny TOMPO no manorina ny trano, dia miasa foana ny mpanorina azy. Raha tsy ny TOMPO no miambina ny tanàna, dia mitily foana ny mpiambina.


avy eo dia midina ho any Hatarôta sy Naharà, dia mihazo an’i Jerikao ary mipaka any Jôrdàna.


Ireto avy ny tanàna azon’ny foko benjaminita ho an’ny tarika ao anatiny: i Jerikao, i Bety-Hôglà, i Hemeke-Ketsitsa,


Ary i Josoa, zanakalahin’i Nona, dia nandefa mpitsikilo roa lahy mangingina avy tao an-tobin’i Sitima ka niteny taminy hoe: –Ndeha misafo ny tany ianareo, indrindra fa ny tanànan’i Jerikao. Nony tonga tao an-tanàna izy roa lahy, dia niditra tao an-tranon’ny vehivavy mpivaro-tena iray atao hoe Rahaba ka nandry tao.


Ary nitantarany ny zavatra rehetra nitranga i Josoa


Dia niainga ireo iraky ny mpanjaka hanenjika ny mpitsikilo teny an-dalàna mankany Jôrdàna ka hatrany amin’ny fitàna. Ary raha vao lasa ireto mpanenjika, dia nohidiana ny vavahady.


Dia hoy ilay lehiben’ny tafiky ny TOMPO tamin’i Josoa: –Esory eny an-tongotrao ny kapanao fa masina io toerana ijoroanao io. Dia nataon’i Josoa izany.


Dia hoy ny TOMPO tamin’i Josoa: –Indro fa atolotro eo an-tananao i Jerikao sy ny mpanjakany ary ny maherifony.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra