Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Josoa 16:3 - DIEM PROTESTANTA

midina miankandrefana ho any amin’ny sisin-tanin’ny Jafletita, mandalo an’i Bety-Hôrôna ambany sy i Gezera, ary mipaka amin’ny Ranomasina Mediteranea.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

nidina niankandrefana nahazo ny sisintanin’ny Jafleta ka hatramin’ny sisintanin’i Bety-Horona ambany sy i Gezera, nihatra tamin’ny ranomasina.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

midina miankandrefana ho any amin’ny sisin-tanin’ny Jafletita, mandalo an’i Bety-Hôrôna ambany sy i Gezera, ary mipaka amin’ny Ranomasina Mediteranea.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

dia nidina ao andrefana mankany amin’ny tanin’ny Jefletianina, hatramin’ny tanin’ny Betôrôna ambany ka hatrany Gazera, dia nihatra amin’ny ranomasina.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

dia nidina niankandrefana nahazo ny tanin’ny Jafletita ka hatramin’ny fari-tanin’i Beti-horona ambany sy Gazera ka dia nihatra tamin’ny ranomasina.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

dia nidina niankandrefana nahazo ny tanin'ny Jafletita ka hatramin'ny fari-tanin'i Bedhorona ambany sy Gazera ka dia nihatra tamin'ny ranomasina.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

nidina niankandrefana nahazo ny sisintanin’ny Jafleta ka hatramin’ny sisintanin’i Bety-Horona ambany sy i Gezera, nihatra tamin’ny ranomasina.

Jereo ny toko



Josoa 16:3
9 Rohy Ifampitohizana  

Taorian’izany, dia nisy ady tamin’ny Filistinina tao Gezera. Tamin’izay i Sibekay, avy any Hosà, no nahafaty an’i Sipay isan’ny taranak’i Rafà; ka dia voaetry ny Filistinina.


Ny zanakavavin’i Efraîma dia i Seerà, izay nanorina an’i Bety-Hôrôna ambany sy i Bety-Hôrôna ambony ary i Ozena-Seerà.


Ny anjara tany amam-ponenan’ny taranak’i Efraîma dia ireto avy: i Betela mbamin’ireo tanàna kely miankina aminy; i Naharà, teo atsinanana; i Gezera mbamin’ireo tanàna kely miankina aminy, tao andrefana; i Sekema mbamin’ireo tanàna kely miankina aminy, hatrany Haià mbamin’ireo tanàna kely miankina aminy.


Namboariny koa i Bety-Hôrôna ambony sy i Bety-Hôrôna ambany, izay samy tanàna mafy mimanda sady misy vavahady tsara hidy;


«Any andrefana dia ny Ranomasina Mediteranea no mamaritra ny taninareo.


Tamin’izay dia tonga i Hôrama mpanjakan’i Gezera mba hanampy an’i Lakisy, nefa resin’i Josoa izay mbamin’ny tafiny ka tsy nisy niangana.


avy eo dia mankany Lozy ka mandalo amin’ny ilany atsimon’i Lozy izay antsoina koa hoe Betela, ary midina ho any Hatarôta-Adara, rehefa avy mandalo ny tendrombohitra eo atsimon’i Bety-Hôrôna ambany.


ny andiany faharoa ny mankany Bèty-Hôrôna, ary ny fahatelo ny mankany amin’ny sisin-tany dia ny lalana mandondona ny lohasahan’i Tsebôhima tandrifin’ny taniefitra.