Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Tantara 7:24 - DIEM PROTESTANTA

24 Ny zanakavavin’i Efraîma dia i Seerà, izay nanorina an’i Bety-Hôrôna ambany sy i Bety-Hôrôna ambony ary i Ozena-Seerà.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

24 Ny zanany vavy dia i Sera, izay nanorina an’i Bety-Horona ambany sy ambony sy Ozena-Sera.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

24 Ny zanakavavin’i Efraîma dia i Seerà, izay nanorina an’i Bety-Hôrôna ambany sy i Bety-Hôrôna ambony ary i Ozena-Seerà.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

24 Ny zanany vavy kosa dia i Sarà, izay nanorina an’i Betôrôna ambany sy i Betôrôna ambony ary i Ozena-Sarà.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

24 Ary ny zanani-vavy dia Sera, izay nanorina an’i Beti-horona ambany sy ambony sy Ozena-sera).

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

24 (Ary ny zananivavy dia Sera, izay nanorina an'i Beti-horona ambany sy ambony sy Ozena-sera).

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

24 Ny zanany vavy dia i Sera, izay nanorina an’i Bety-Horona ambany sy ambony sy Ozena-Sera.

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 7:24
7 Rohy Ifampitohizana  

ka namboarin’i Salômôna indray. Namboarin’i Salômôna ihany koa i Bety-Hôrôna ambany,


Niray tamin’ny vadiny indray i Efraîma, dia nanana anaka ravehivavy ka nitera-dahy; ary nataon-drainy hoe Berihà ny anaran’ny zaza, satria nitoetra tao an-trano hatrany ity reniny noho ny fahoriana nidona.


I Refa no zanakalahin’i Berihà, i Resefa zanakalahin’i Refa, i Telà zanakalahin’i Resefa, i Tahàna zanakalahin’i Telà,


Namboariny koa i Bety-Hôrôna ambony sy i Bety-Hôrôna ambany, izay samy tanàna mafy mimanda sady misy vavahady tsara hidy;


Nakorontan’ny TOMPO teo anoloan’ny Israelita ny Amôrita, ka voan’ny faharesena lehibe teo akaikin’i Gibehôna. Dia nenjehin’ny Israelita teny am-piakarana ho any Bety-Hôrôna ireo, ka nasiany hatrany Hazekà sy hatrany Makedà.


midina miankandrefana ho any amin’ny sisin-tanin’ny Jafletita, mandalo an’i Bety-Hôrôna ambany sy i Gezera, ary mipaka amin’ny Ranomasina Mediteranea.


Izao kosa no velaran-tanin’ny Efraîmita ho an’ireo tarika ao anatiny: ny sisiny atsimo dia manomboka hatreo Hatarôta-Adara any atsinanana, tonga hatrany Bety-Hôrôna ambony


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra