Izao no endriky ny asa anterivozona nampanaovin’i Salômôna hanamboarana ny tranon’ny TOMPO sy ny lapan’andriamanjaka, ny tokotany Milao, ny mandan’i Jerosalema mbamin’ny tanànan’i Hatsôra sy i Megidao ary i Gezera.
Josoa 16:10 - DIEM PROTESTANTA Ary ny taranak’i Efraîma dia tsy nandroaka ny Kanahanita izay nonina tao Gezera. Koa mbola miara-monina aminy ihany ireny kanahanita ireny mandraka androany, ary nampanaoviny asa fanompoana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary tsy nandroaka ny Kananita izay nonina tany Gezera izy; fa monina eo amin’i Efraima ny Kananita mandraka androany ka ampanaovina fanompoana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary ny taranak’i Efraîma dia tsy nandroaka ny Kanahanita izay nonina tao Gezera. Koa mbola miara-monina aminy ihany ireny kanahanita ireny mandraka androany, ary nampanaoviny asa fanompoana. Baiboly Katolika Tsy nandroaka ny Kananeanina nonina teo Gazera izy ireo, ka niara-nonina tamin’i Efraima mandraka androany ny Kananeanina, nefa ampanaoviny fanompoana kosa. Baiboly Protestanta Malagasy Ary tsy nandroaka ny Kananita izay nonina tany Gazera izy; fa monina eo amin’i Efraima ny Kananita mandraka andro-any ka ampanaovina fanompoana. Malagasy Bible Ary tsy nandroaka ny Kananita izay nonina tany Gazera izy; fa monina eo amin'i Efraima ny Kananita mandraka androany ka ampanaovina fanompoana. La Bible en Malgache Ary tsy nandroaka ny Kananita izay nonina tany Gezera izy; fa monina eo amin’i Efraima ny Kananita mandraka androany ka ampanaovina fanompoana. |
Izao no endriky ny asa anterivozona nampanaovin’i Salômôna hanamboarana ny tranon’ny TOMPO sy ny lapan’andriamanjaka, ny tokotany Milao, ny mandan’i Jerosalema mbamin’ny tanànan’i Hatsôra sy i Megidao ary i Gezera.
Notafihin’ny Farao mpanjakan’i Ejipta mantsy i Gezera, ka azony ary nodorany rehefa avy naripany ho faty ny Kanahanita mponina tao; dia nataony fanomezana ho an-janany vavy vadin’i Salômôna izany,
Mbola nisy tavela teo tokoa ny taranak’ireo fa tsy naringan’ny Israelita, ka dia nampanaovin’i Salômôna asa fanompoana izay tohiziny mandraka androany.
Mbola nisy tavela teo tokoa ny taranak’ireo fa tsy naringan’ny Israelita, ka dia nampanaovin’i Salômôna asa fanompoana izay tohiziny mandraka androany.
Tamin’izay dia tonga i Hôrama mpanjakan’i Gezera mba hanampy an’i Lakisy, nefa resin’i Josoa izay mbamin’ny tafiny ka tsy nisy niangana.
Ireo Jebosita izay mponina tao Jerosalema kosa dia tsy voaroakan’ny taranak’i Joda, ka mbola miara-monina aminy ao Jerosalema mandraka androany.
miampy ireo tanàna sy zana-bohitra notsongaina teo anivon’ny zara tanin’ny fokon’i Manase.
Tsy naharoaka an’ireo Kanahanita hiala tamin’ireo tanàna ireo anefa ny taranak’i Manase; koa mbola nipetrahan’ny Kanahanita ihany izany faritany izany.
Ary na dia efa nihanatanjaka aza ny Israelita, dia tsy naharoaka ny Kanahanita mihitsy saingy nampanao azy asa fanompoana.
Ny taranak’i Efraîma ihany koa dia tsy naharoaka ny Kanahanita izay nonina tao Gezera; ka nipetraka teo anivon’ny Efraîmita ireo Kanahanita tao Gezera.