Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 1:29 - DIEM PROTESTANTA

29 Ny taranak’i Efraîma ihany koa dia tsy naharoaka ny Kanahanita izay nonina tao Gezera; ka nipetraka teo anivon’ny Efraîmita ireo Kanahanita tao Gezera.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

29 Ary i Efraima dia tsy nandroaka ny Kananita izay nonina tany Gezera fa nonina teo anivony tany Gezera ny Kananita.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

29 Ny taranak’i Efraîma ihany koa dia tsy naharoaka ny Kanahanita izay nonina tao Gezera; ka nipetraka teo anivon’ny Efraîmita ireo Kanahanita tao Gezera.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

29 I Efraima tsy nandroaka ny Kananeanina nonina tao Gareza, ka nonina teo amin’i Efraima tao Gareza ny Kananeanina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

29 Ary Efraima tsy nandroaka ny Kananita, izay nonina tany Gazera; fa nonina teo aminy tany Gazera ny Kananita.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

29 Ary Efraima tsy nandroaka ny Kananita. izay nonina tany Gazera; fa nonina teo aminy tany Gazera ny Kananita.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

29 Ary i Efraima dia tsy nandroaka ny Kananita izay nonina tany Gezera fa nonina teo anivony tany Gezera ny Kananita.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 1:29
6 Rohy Ifampitohizana  

Izao no endriky ny asa anterivozona nampanaovin’i Salômôna hanamboarana ny tranon’ny TOMPO sy ny lapan’andriamanjaka, ny tokotany Milao, ny mandan’i Jerosalema mbamin’ny tanànan’i Hatsôra sy i Megidao ary i Gezera.


Notafihin’ny Farao mpanjakan’i Ejipta mantsy i Gezera, ka azony ary nodorany rehefa avy naripany ho faty ny Kanahanita mponina tao; dia nataony fanomezana ho an-janany vavy vadin’i Salômôna izany,


Tamin’izay dia tonga i Hôrama mpanjakan’i Gezera mba hanampy an’i Lakisy, nefa resin’i Josoa izay mbamin’ny tafiny ka tsy nisy niangana.


Ary ny taranak’i Efraîma dia tsy nandroaka ny Kanahanita izay nonina tao Gezera. Koa mbola miara-monina aminy ihany ireny kanahanita ireny mandraka androany, ary nampanaoviny asa fanompoana.


Ary na dia efa natanjaka aza i Israely tatỳ aoriana, dia tsy naharoaka azy ireo mihitsy fa nampanompo azy fotsiny.


Ny taranak’i Zebolòna dia tsy naharoaka ireo mponina tao Kitrôna na ny tao Nahalôla; ka nipetraka teo anivon’ny Zebolonita ireo Kanahanita ireo saingy nampanompoiny.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra