Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mpitsara 1:28 - DIEM PROTESTANTA

28 Ary na dia efa natanjaka aza i Israely tatỳ aoriana, dia tsy naharoaka azy ireo mihitsy fa nampanompo azy fotsiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

28 Fa rehefa niha nahery kosa ny Israely dia nampanaoviny fanompoana ny Kananita fa tsy noroahiny tanteraka.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

28 Ary na dia efa natanjaka aza i Israely tatỳ aoriana, dia tsy naharoaka azy ireo mihitsy fa nampanompo azy fotsiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

28 Nony efa nihanahery i Israely, dia nampandoaviny hetra ny Kananeanina, nefa tsy noroahiny izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

28 Fa rehefa nihahery kosa ny Isiraely, dia nampanaoviny fanompoana ny Kananita, fa tsy nandroaka azy rehetra izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

28 Fa rehefa nihahery kosa ny Isiraely, dia nampanaoviny fanompoana ny Kananita. fa tsy nandroaka azy rehetra izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

28 Fa rehefa niha nahery kosa ny Israely dia nampanaoviny fanompoana ny Kananita fa tsy noroahiny tanteraka.

Jereo ny toko dika mitovy




Mpitsara 1:28
9 Rohy Ifampitohizana  

dia hoy izy hoe: Ho voaozona anie i Kanahàna! Aoka izy ho faraidiny amin’ireo mpanompon’ny rahalahiny!


Dia mbola nampiany hoe: Hoderaina anie ny TOMPO, ilay Andriamanitr’i Sema! Aoka i Kanahàna ho mpanompon’i Sema!


Mbola nisy tavela teo tokoa ny taranak’ireo fa tsy naringan’ny Israelita, ka dia nampanaovin’i Salômôna asa fanompoana izay tohiziny mandraka androany.


Ny olona mazoto miasa no homena fitondrana; fa ny olona kamo kosa dia hampanaovina asa an-terivozona.


Raha manaiky ireo ka mampandroso anareo, dia ho mpandoa hetra ho anareo sy ho mpanomponareo ny olona rehetra ao.


Ary na dia efa nihanatanjaka aza ny Israelita, dia tsy naharoaka ny Kanahanita mihitsy saingy nampanao azy asa fanompoana.


Ary ny taranak’i Manase dia tsy naharoaka ny mponina tao Bety-Seàna sy Tahenàka na ny tao Dôra sy Jiblehama ary Megidao na tamin’ireo tanàna madinika samy miankina aminy avy; koa nanohy nipetraka tamin’izany faritany izany hatrany ny Kanahanita.


Ny taranak’i Efraîma ihany koa dia tsy naharoaka ny Kanahanita izay nonina tao Gezera; ka nipetraka teo anivon’ny Efraîmita ireo Kanahanita tao Gezera.


Reraka mafy ny Israelita tamin’io andro io, satria efa norahonan’i Saoly tamin’ny fampitandremana hoe: «Ho voaozona anie izay manendry hanina alohan’ny hariva mandra-pahatò ny valifatiko amin’ny fahavalo!» Dia tsy nisy sahy nanendry hanina ny olon-drehetra.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra