Ireto no zanakalahy naterak’i Davida tao Hebrôna: ny lahimatoa dia i Amnôna, zanakalahin’i Ahinôhama avy any Jizrehela; ny faharoa dia i Daniela, zanakalahin’i Abigaîla avy any Karmela;
Josoa 15:56 - DIEM PROTESTANTA i Jizrehela, i Jôkdehama, i Zanôà, Baiboly Protestanta Malagasy 2011 i Jezirela, i Jokdeama, i Zanoa, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara i Jizrehela, i Jôkdehama, i Zanôà, Baiboly Katolika i Jezraela, i Jôkadama, i Zanôe, Baiboly Protestanta Malagasy sy Jezirela sy Jokdeama sy Zanoa Malagasy Bible sy Jezirela sy Jokdeama sy Zanoa La Bible en Malgache i Jezirela, i Jokdeama, i Zanoa, |
Ireto no zanakalahy naterak’i Davida tao Hebrôna: ny lahimatoa dia i Amnôna, zanakalahin’i Ahinôhama avy any Jizrehela; ny faharoa dia i Daniela, zanakalahin’i Abigaîla avy any Karmela;
ary i Jehodià, vadiny hafa koa, dia niteraka telo mirahalahy: i Jereda mpanorina an’i Gedôra, i Hebera mpanorina an’i Sôkao, ary i Jekotiela mpanorina an’i Zanôa.
ary niverina tao Jizrehela izy mba hotsaboina tamin’ny ratra nahavoa azy tany Ramôta, fony izy niady tamin’i Hazaela mpanjakan’i Siria. Dia nankany Jizrehela i Ahazià, zanakalahin’i Jôrama sady mpanjakan’i Joda, mba hamangy an’i Jôrama zanakalahin’i Ahaba noho izy narary.
Ny vavahadin’ny Lohasaha dia namboarin’i Hanona sy ny mponin’i Zanôa: ireo no nandrafitra izany sy nandatsaka ny lela-vavahady mbamin’ny hidiny sy barany; ireo koa no namboatra ny manda dimanjato metatra tafapaka amin’ny vavahadin’ny Fanariam-pako.
i Kaîna, i Gibehà, ary i Timnà; izany hoe tanàna folo miampy ireo tanàna kely miankina aminy.
Hoy kosa ny taranak’i Jôsefa hoe: –Tsy ampy ho anay tokoa ny havoana, kanefa manana kalesy vy ireo Kanahanita rehetra monina ao amin’ny tany lemaka, na izay any Bety-Seana sy amin’ireo tanàna kely miankina aminy na izay any amin’ny lohasahan’i Jizrehela.
Ka ny velaran-taniny dia mahafaoka an’ireto tanàn-dehibe ireto: i Jizrehela, i Kesolôta, i Sonema,
Efa nanambady an’i Ahinôhama avy any Jizrehela koa i Davida, ka dia samy vadiny avokoa izy roa.