Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Josoa 13:29 - DIEM PROTESTANTA

Ary nomen’i Mosesy anjara koa ny antsasa-pokon’i Manase; azon’ilay antsasa-poko taranak’i Manase izany ho an’ireo tarika ao anatiny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nomen’i Mosesy koa ny antsasaky ny fokon’i Manase. Toy izao no an’ny antsasaky ny fokon’i Manase araka ny fianakaviany avy:

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary nomen’i Mosesy anjara koa ny antsasa-pokon’i Manase; azon’ilay antsasa-poko taranak’i Manase izany ho an’ireo tarika ao anatiny.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Nomen’i Môizy anjara ny antsasaky ny fokon’i Manase, ny taranak’i Manase, araka ny fianakaviany,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nomen’i Mosesy koa ny antsasaky ny firenen’i Manase; ary izao no an’ny antsasaky ny firenena taranak’i Manase araka ny fokony:

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nomen'i Mosesy koa ny antsasaky ny firenen'i Manase; ary izao no an'ny antsasaky ny firenena taranak'i Manase araka ny fokony:

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nomen’i Mosesy koa ny antsasaky ny fokon’i Manase. Toy izao no an’ny antsasaky ny fokon’i Manase araka ny fianakaviany avy:

Jereo ny toko



Josoa 13:29
10 Rohy Ifampitohizana  

Ny antsasaky ny fokon’i Manase dia nonina ny faritra hatreo Basàna ka hatrany Bahala-Hermôna sy Senîra ary ny tendrombohitra Hermôna; nihamaro be izy ireo.


mifanolotra amin’ny faritanin’i Naftalỳ no hisy ny anjaran’i Manase;


Rehefa resy eo anatrehan’ny TOMPO io tany io, dia hody ianareo ka ho afa-tsiny amin’ny TOMPO sy amin’ny Israelita hafa; ary hoeken’ny TOMPO ho fanananareo ity tany ity.


Koa nomen’i Mosesy an’ireo taranak’i Makira zanakalahin’i Manase i Gilehada ary dia nipetraka tao ireo.


Ny sisa tamin’i Gilehada sy i Basàna manontolo, izay nanjakan’i Hôga, dia nomeko ny antsasa-pokon’i Manase. (Ny faritany Argôba miaraka amin’i Basàna manontolo dia natao koa hoe tanin’ny Refaîta.


Ireo tanàn-dehibe voatanisa ireo miampy ny tanàna kely miankina aminy no zaratany nolovan’ny Gadita ho an’ireo tarika ao anatiny.


Ny faritaniny dia manomboka eo Mahanaîma ao atsimo ary mahafaoka an’i Basàna manontolo, izany hoe ny fanjakana manontolo izay an’i Hôga mpanjaka tao Basàna, mbamin’ny fitambaran’i Havôta-Jaîro, izay tanàna enimpolo tao Basàna;


Koa nanana tsinjara folo ny fokon’i Manase ankoatry ny faritany Gilehada sy Basàna izay eny ampita atsinanan’i Jôrdàna,


satria ny vehivavy taranak’i Manase dia nomena zaratany koa fa tsy ny lehilahy ihany. (Ny faritany Gilehada dia an’ireo Manasita hafa).