Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Josoa 10:36 - DIEM PROTESTANTA

Dia niala tao Heglôna i Josoa sy ny Israelita niaraka taminy ka niakatra ho any Hebrôna, ary nanafika azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Niakatra niala tany Eglona i Josoa sy ny Israely rehetra teo aminy ka nankany Hebrona ary namely azy,

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia niala tao Heglôna i Josoa sy ny Israelita niaraka taminy ka niakatra ho any Hebrôna, ary nanafika azy.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Niakatra avy eo Eglôna i Jôsoe sy i Israely rehetra niaraka taminy, dia nankany Hebrôna, ka namely azy izy ireo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Dia niakatra niala tany Eglona Josoa sy ny Isiraely rehetra teo aminy ka nankany Hebrona ary namely azy;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Dia niakatra niala tany Eglona Josoa sy ny Isiraely rehetra teo aminy ka nankany Hebrona ary namely azy;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Niakatra niala tany Eglona i Josoa sy ny Israely rehetra teo aminy ka nankany Hebrona ary namely azy,

Jereo ny toko



Josoa 10:36
17 Rohy Ifampitohizana  

Dia nangoron-day i Abrama ka nandeha nipetraka tao amin’ny hazo ôakan’i Mamre, akaikin’i Hebrôna, ary nanorina alitara teo ho an’ny TOMPO.


Isan’andro isan’andro dia nisy olona tonga tany amin’i Davida hanampy azy hany ka nanjary lehibe dia lehibe tokoa ny tafik’i Davida.


niampy an’i Jôiadà, filohan’ny taranak’i Aharôna, niaraka tamin’ny 3 700 lahy,


mbamin’i Tsôrehà sy i Aialôna ary i Hebrôna, izay samy tanànamimanda ao anatin’ny faritr’i Joda sy i Benjamîna.


Niakatra avy any atsimo izy ireo ka tonga tao Hebrôna izay nonenan’ny tarik’i Ahimàna sy i Sesay ary i Talmay, samy taranaky ny Hanakita. I Hebrôna dia niorina fito taona talohan’i Tsôhàna any Ejipta.


Noho izany, dia nandefasan’i Adôny-Tsedèka iraka i Hôkama mpanjakan’i Hebrôna, i Pireama mpanjakan’i Jarmôta, i Jafia mpanjakan’i Lakisy, ary i Debira mpanjakan’i Heglôna, ka nilazany hoe:


Azony androtr’io ihany ny tanàna ka naringany sabatra avokoa ny olona rehetra tao; tahaka izay nataony tamin’i Lakisy ihany izany.


Azony ny tanàna ka novonoiny tamin’ny sabatra ny mpanjakany sy ny olona rehetra tao. Azony koa ireo tanàna rehetra manodidina an’i Hebrôna, ary naringany avokoa ny olona rehetra tao ka tsy nisy niangana; tahaka izay nataony tamin’i Heglôna mihitsy izany.


Dia nivondrona ireo mpanjaka amôrita dimy lay, izany hoe ny mpanjaka tao Jerosalema sy Hebrôna mbamin’ny mpanjaka tao Jarmôta sy Lakisy ary Heglôna, ka niakatra niaraka tamin’ny tafiny rehetra hitoby tandrifin’i Gibehôna sy hanao fahirano azy.


I Kaleba, zanakalahin’i Jefonè, dia nomena ampahany tao amin’ny tanin’ireo taranak’i Joda, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Josoa. Nomena azy i Kiriata-Arbà, na hoe tanànan’i Arbà razamben’ny Hanakita; i Kiriata-Arbà no natao hoe Hebrôna tatỳ aoriana.


i Hometà, i Kiriata-Arbà izay nantsoina koa hoe Hebrôna, ary i Tsihôra; izany hoe tanàna sivy miampy ireo tanàna kely miankina aminy.


Miaraka amin’i Hebrôna, izay tanàna fialofan’ny mpamono olona tsy nahy, dia natolotra ny taranak’i Aharôna koa i Libnà,


Avy eo dia nandeha izy namely ny Kanahanita tao Hebrôna, izay nantsoina hoe Kiriata-Arbà tamin’izany fotoana izany, ka nandresy ny tarik’i Sesay sy i Ahimàna ary i Talmay.


Dia nomena an’i Kaleba i Hebrôna araka izay efa nolazain’i Mosesy azy. Ireo tarika hanakita telo mponin’i Hebrôna dia noroahin’i Kaleba hiala tao.