Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




1Tantara 12:23 - DIEM PROTESTANTA

23 Isan’andro isan’andro dia nisy olona tonga tany amin’i Davida hanampy azy hany ka nanjary lehibe dia lehibe tokoa ny tafik’i Davida.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

23 Izao no isan’ny miaramila efa voaomana hiady, izay tonga tao amin’i Davida tao Hebrona hamindra ny fanjakan’i Saoly ho eo am-pelatanany araka ny tenin’NY TOMPO:

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

23 Isan’andro isan’andro dia nisy olona tonga tany amin’i Davida hanampy azy hany ka nanjary lehibe dia lehibe tokoa ny tafik’i Davida.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

23 Izao no isan’ny lehiben’ny lehilahy hary fiadiana hoenti-miady, tonga nanatona an’i Davida, tany Hebrôna, mba hamindra ny fanjakan’i Saola aminy araka ny didin’i Iaveh:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

23 ARY izao no isan’ny miaramila efa voaomana hiady, izay tonga tao amin’i Davida tao Hebrona hamindra ny fanjakan’i Saoly ho azy araka ny tenin’i Jehovah:–

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

23 Ary izao no isan'ny miaramila efa voaomana hiady, izay tonga tao amin'i Davida tao Hebrona hamindra ny fanjakan'i Saoly ho azy araka ny tenin'i Jehovah:

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

23 Izao no isan’ny miaramila efa voaomana hiady, izay tonga tao amin’i Davida tao Hebrona hamindra ny fanjakan’i Saoly ho eo am-pelatanany araka ny tenin’NY TOMPO:

Jereo ny toko dika mitovy




1Tantara 12:23
13 Rohy Ifampitohizana  

Rehefa nahita ireo i Jakôba, dia niteny hoe: –Tobin’Andriamanitra ity! Dia nantsoiny hoe Mahanaima izany toerana izany.


Koa tanteraho izany ankehitriny, satria ny TOMPO efa nilaza tamin’i Davida hoe: «Amin’ny alalan’i Davida mpanompoko no hanafahako ny Israely vahoakako amin’ny herin’ny Filistinina sy ny fahavalony rehetra.»


fa tsy nanontany ny TOMPO; ka dia nampamonoiny ho faty izy ary nafindrany tamin’i Davida, zanakalahin’i Jisay, ny fanjakana.


Ireto no filohan’ireo kalazan’i Davida, dia ireo kalaza nifikitra taminy nandritra ny nanjakany, ka efa niaraka tamin’i Israely lafy valo mba hampanjaka azy teo amin’i Israely araka ny tenin’ny TOMPO.


Izao no isan’ny vatan-dehilahy vonona hiady izay tonga tany amin’i Davida tao Hebrôna mba hamindra aminy ny fanjakàn’i Saoly araka ny baikon’ny TOMPO:


«Izaho no manendry Azy ho mpanjaka eo Tsiôna tendrombohitro masina!»


Hoy ny TOMPO tamin’i Samoela: –Mandra-pahoviana ihany no halahelovanao an’i Saoly, nefa na Izaho aza efa nandà azy tsy ho mpanjakan’i Israely intsony? Raiso ny diloilonao, dia mandehana; fa irahiko ho any amin’i Jisay any Betlehema ianao, satria efa nifidy anankiray tamin’ny zanany aho mba ho mpanjaka.


ary asao amin’izany sorona izany koa i Jisay. Hatoroko anao ihany izay tokony hataonao; ka amin’ny anarako, dia hohosoranao ho mpanjaka ilay hotondroiko aminao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra