Joda 1:4 - DIEM PROTESTANTA Fa misy olona sasany tafiditra an-tsokosoko eo aminareo: dia olona ratsy fanahy izay mamadika ny fahasoavan’Andriamanitsika ho fampianarana fitondrantena maloto, ka mandà an’i Jesoa Kristy, ilay Andrian-tokana sady Tompontsika. Hatry ny ela no efa voalazan’ny Soratra Masina mialoha ny fanamelohana hihatra amin’ireny olona ireny. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa misy olona sasany niditra an-tsokosoko, izay efa voasoratra hatry ny ela ho amin’izany fanamelohana izany, dia olona ratsy fanahy, izay mamadika ny fahasoavan’Andriamanitsika ho fanaranam-po amin’ny ratsy sady mandà ny Andriana tokana, dia Jesosy Kristy Tompontsika. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fa misy olona sasany tafiditra an-tsokosoko eo aminareo: dia olona ratsy fanahy izay mamadika ny fahasoavan’Andriamanitsika ho fampianarana fitondrantena maloto, ka mandà an’i Jesoa Kristy, ilay Andrian-tokana sady Tompontsika. Hatry ny ela no efa voalazan’ny Soratra Masina mialoha ny fanamelohana hihatra amin’ireny olona ireny. Baiboly Katolika Fa misy olona sasany tafiditra an-tsokosoko aminareo, dia olona voasoratra hatry ny ela fa hanamelo-tena amin’izany, olona ratsy fanahy, mamadika ny fahasoavan’Andriamanitra ho fahalotoana, sady mandà an’i Jesoa Kristy, Andrian-tokana sy Tompontsika. Baiboly Protestanta Malagasy Fa misy olona sasany efa niditra misokosoko, izay voasoratra fahiny ho amin’izany fahamelohana izany, dia olona ratsy fanahy, izay mamadika ny fahasoavan’Andriamanitsika ho fijejojejoana sady mandà ny Andrian-tokana, dia Jesosy Kristy Tompontsika. Malagasy Bible Fa misy olona sasany efa niditra misokosoko, izay voasoratra fahiny ho amin'izany fahamelohana izany, dia olona ratsy fanahy izay mamadika ny fahasoavan'Andriamanitsika ho fijejojejoana sady nandà ny Andrian-tokana, dia Jesosy Kristy Tompontsika. La Bible en Malgache Fa misy olona sasany niditra an-tsokosoko, izay efa voasoratra hatry ny ela ho amin’izany fanamelohana izany, dia olona ratsy fanahy, izay mamadika ny fahasoavan’Andriamanitsika ho fanaranam-po amin’ny ratsy sady mandà ny Andriana tokana, dia Jesosy Kristy* Tompontsika. |
Sambatra ny olona tsy manaraka ny hevitry ny ratsy fanahy, na mijanona eo amin’ny lalan’ny mpanota, na miray toerana amin’ny mpaniratsira!
Kanjo raha natory ny olona, dia tonga ny fahavalon-dralehilahy tompon-tanimbary ka namafy voan-tsimparifary tamin’ny vary, dia lasa nandeha.
Ary izao no aina maharitra mandrakizay: dia ny mahalala Anao hany Andriamanitra tokana sady marina sy ny mahalala an’i Jesoa Kristy Ilay nirahinao.
Hafaliana ny azy nony tonga tany ka nahita ny vokatry ny fahasoavan’Andriamanitra; ary nananatra azy rehetra i Barnabà mba tsy hiroa fo fa haharitra hiombona amin’ny Tompo.
Renay fa misy olona avy atỳ aminay manao fampianarana mampikorontan-tsaina sy mampitebiteby fanahy anareo, kanefa tsy nahazo teny taminay velively.
na teo aza ireo rahalahy sandoka tafasisika an-tsokosoko teo anivonay. Ireo rahalahy sandoka ireo dia niditra an-tsokosoko mba hitsikera ny fahafahana anananay tafaray amin’i Kristy Jesoa, hahazoany manao izay hanandevozana anay.
Fa ianareo, ry havana, dia efa nantsoina ho amin’ny fahafahana; saingy tsy hoe ilay fahafahana hahazoana manao izay sitraky ny maha olona mpanota, fa aoka hifanompo ianareo amin’ny alalan’ny fitiavana.
Dia tsy ho zaza intsony isika, tsy ho toy ny sambokely ahilangilan’ny onja etsy sy eroa na hatolatolan’ny rivotra samihafa, ka ho voafitaky ny fampianarana aroson’ny olona mpamitaka, izay mahay mamorona tetika hampivaona ny sasany.
Fa raha misy tsy mahakarakara ny havany, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana izy ka ratsy kokoa noho ny tsy mpino.
raha miaritra ny mafy isika, dia hiara-manjaka aminy koa; fa raha lavintsika Izy, dia mba holaviny koa isika;
Fa isan’ireny izay misokosoko miditra an-tranon’olona ka mambabo vehivavy adala ivangongoam-pahotana sy ifandroritam-pilàna maro,
Maneke araka ny maha olona afaka anareo; nefa aoka ny fahafahanareo tsy hampiasaina hanaovan-dratsy, fa hiainana araka ny maha mpanompon’Andriamanitra.
dia «vato mahasolafaka sy vato mampianjera» izany. Solafaka tamin’io vato io izy ireo satria tsy manaiky ny tenin’Andriamanitra, sady ny ho solafaka rahateo no nanendrena azy ireo.
Fa hoy ny Soratra Masina: «Raha saika tsy voavonjy ny marina, inona no hanjo ny tsy mpivavaka sy ny mpanota?»
indrindra fa ireo nizotra nanaram-po tamin’ny filàndratsin’ny maha olona mpanota sy nanamavo ny maha Tompo an’i Kristy. Ireo mpampianatra sandoka ireo dia olona sahy zavatra sy mitompo teny fantatra sady tsy matahotra hanevateva ireo atao hoe voninahitra;
Nafahan’Andriamanitra kosa i Lôta, izay tia ny rariny ka ory dia ory noho ny fitondrantena ratsy nasehon’ny olona tsy miraharaha lalàna;
Izao habakabaka sy tany ankehitriny izao kosa dia mbola ny tenin’Andriamanitra no mihazona azy, ka voatahiry hodorana amin’ny andro fitsarana izay natao hamerezana ny olona tsy niraiki-po tamin’Andriamanitra.
Iza no mpandainga, raha tsy izay mandà an’i Jesoa tsy ho Kristy? Izy no ilay antikristy, mandà ny Ray sy ny Zanaka.
mba hitsara ny olona rehetra; ka hampiaiky ny ratsy fanahy rehetra Izy noho ny asa ratsy rehetra mbamin’ny teny ratsy rehetra nataon’ireo mpanota ratsy fanahy ireo hanoherana ny Tompo.»
satria izao no voalazany taminareo: «Amin’ny andro farany dia hisy mpaniratsira, hiaina araka ny filàn’ny haratsiam-panahiny.»
Iza no tsy hanaja Anao, ry Tompo? Iza no tsy hanome voninahitra Anao? Satria Ianao irery no masina, ka ho avy ny firenena rehetra hiankohoka eo anatrehanao, fa efa naharihary ny fitsaranao ara-drariny.»