Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Timoty 2:12 - DIEM PROTESTANTA

12 raha miaritra ny mafy isika, dia hiara-manjaka aminy koa; fa raha lavintsika Izy, dia mba holaviny koa isika;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

12 raha miaritra isika dia hiara-manjaka Aminy; raha mandà Azy isika dia handa antsika kosa Izy;

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

12 raha miaritra ny mafy isika, dia hiara-manjaka aminy koa; fa raha lavintsika Izy, dia mba holaviny koa isika;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

12 raha miaritra isika, dia hiara-manjaka aminy; raha mandà Azy isika, dia Izy koa handà antsika;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

12 raha miaritra isika, dia hiara-manjaka aminy; raha mandà Azy isika, Izy kosa handa antsika;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

12 raha miaritra isika, dia hiara-manjaka aminy; raha mandà Azy isika, Izy kosa handà antsika;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

12 raha miaritra isika dia hiara-manjaka Aminy; raha mandà Azy isika dia handa antsika kosa Izy;

Jereo ny toko dika mitovy




2Timoty 2:12
29 Rohy Ifampitohizana  

Fandrao ho tototra harena aho, dia handà Anao ka hahateny hoe: ‹Fa iza moa ny TOMPO?› na fandrao hahantra aho, dia mety hangalatra ka hanala baràka ny anaran’Andriamanitro».


Fa na zovy na zovy mandà tsy ho mpiandany amiko eo anatrehan’ny olona, Izaho koa dia handà tsy ho mpiandany aminy eo anatrehan’ny Raiko Izay any an-danitra.


Ary novalian’i Petera hoe: –Na dia hovonoina miaraka aminao aza aho, dia tsy handà Anao na oviana na oviana. Ary dia samy nilaza toy izany koa ny mpianatra rehetra.


ary tsaroan’i Petera ny teny voalazan’i Jesoa hoe: «Alohan’ny maneno akoho, dia handà Ahy intelo ianao.» Dia lasa nankany ivelany i Petera ka nitomany fatratra.


–Indro miakatra ho any Jerosalema isika; ary ny Zanak’olona dia hatolotra an’ireo lohandoha-mpisorona sy mpahay lalàna, hohelohiny ho faty; ry zareo kosa hanolotra azy amin’ny hafa firenena


Mpivadika amin’Andriamanitra sy mpanota ny olona ankehitriny! Ka na iza na iza menatra Ahy sy menatra ny teniko eo afovoan’ireo, dia ho menatra azy koa ny Zanak’olona, rehefa ho avy otronin’ny anjely masina sady ombàn’ny voninahitra homen’ny Rainy.


Fa izay mandà tsy ho mpiandany amiko eo anatrehan’ny olona, ny Zanak’olona koa mba handà tsy ho mpiandany aminy eo anatrehan’ny anjelin’Andriamanitra.


Izaho kosa manendry anareo ho mpanjaka tahaka ny nanendren’ny Ray Ahy ho mpanjaka.


Ka hihinana sy hisotro eo amin’ny latabatro ianareo any amin’ny Fanjakàko ary hipetraka ambony sezafiandrianana hitsara ny foko 12 amin’i Israely.


Na iza na iza menatra Ahy sy menatra ny teniko, dia ho menatra azy koa ny Zanak’olona rehefa ho avy ombàn’ny voninahiny, dia ny voninahitra ananan’ny Ray sy ananan’ny anjely masina.


Nampahery fo ny mpianatra i Paoly sy i Barnabà ary nampirisika azy ireo haharitra amin’ny finoana ka nanao taminy hoe: –Fahoriana be no tsy maintsy diavintsika mba hidirana ao amin’ny Fanjakàn’Andriamanitra!


Eny, tamin’ny alalan’ny olona anankiray ary noho ny hadisoan’io olona iray io no nanjakan’ny fahafatesana; fa ireo mandray ny fahasoavana nitosaka be avy amin’Andriamanitra ary koa ny fahamarinana nomeny maimaimpoana dia vao mainka velomin’Andriamanitra sy ampanjakainy tamin’ny alalan’ny olona anankiray, dia i Jesoa Kristy.


Ary raha zanaka, dia mpandova koa; ka sady mpandova ny soa nampanantenain’Andriamanitra no mpiara-mandova izany amin’i Kristy: satria raha miara-mijaly amin’i Kristy isika, dia hiara-komem-boninahitra aminy koa.


Aoka tsy ho azon’ireo mpanohitra ampitahorina ianareo na amin’inona na amin’inona: mariky ny fahaverezana izany ho azy; fa ho anareo kosa mariky ny famonjena, dia famonjena avy amin’Andriamanitra.


Fa raha misy tsy mahakarakara ny havany, indrindra fa ny ankohonany, dia efa nandà ny finoana izy ka ratsy kokoa noho ny tsy mpino.


Fa misy olona sasany tafiditra an-tsokosoko eo aminareo: dia olona ratsy fanahy izay mamadika ny fahasoavan’Andriamanitsika ho fampianarana fitondrantena maloto, ka mandà an’i Jesoa Kristy, ilay Andrian-tokana sady Tompontsika. Hatry ny ela no efa voalazan’ny Soratra Masina mialoha ny fanamelohana hihatra amin’ireny olona ireny.


ary efa nahatonga antsika ho fanjaka-mpisorona hanompo an’Andriamanitra Rainy. Ho an’i Jesoa Kristy anie ny voninahitra sy ny fahefana mandrakizay mandrakizay! Amen.


I Jôhany havanareo aho. Tafaray amin’i Jesoa aho ka mpiombona anjara amin’ny fahoriany sy ny fanjakany ary ny faharetany miaraka aminareo. Napetraka tao amin’ny nosy antsoina hoe Pàtmo aho satria nitory ny tenin’Andriamanitra sy nitana ny hafatra nijoroan’i Jesoa ho vavolombelona.


Fantatro izay onenanao, dia ao amin’izay itoeran’ny sezafiandrianan’i Satàna. Mifikitra mafy amiko ianao ka tsy mandà ny finoana Ahy, na dia tamin’ny andron’i Antipasy aza, izay vavolombeloko sady lehilahy mahatoky Ahy, dia ilay novonoina teo aminareo, teo amin’ity toerana onenan’i Satàna ity.


Dia hitako nisy sezafiandrianana maro, izay nipetrahan’olona nomem-pahefana hitsara. Ary hitako ny fanahin’ireo notapahin-doha satria nitana ny hafatra nijoroan’i Jesoa ho vavolombelona sy nitory ny tenin’Andriamanitra: tsy mba nivavaka tamin’ny biby na tamin’ny sarin’ny biby ireo, sady tsy mba nandray ny marik’ilay biby teo amin’ny handriny na teo amin’ny tanany; efa velona ireo ka niara-nanjaka tamin’i Kristy arivo taona.


Sambatra sy masina izay manana anjara amin’izany fitsanganana voalohany izany; tsy mba ananan’ny fahafatesana faharoa fahefana ireo, fa ho mpisoron’Andriamanitra sy ho mpisoron’i Kristy, ka hiara-manjaka amin’i Kristy arivo taona.


Ary noho ianao nitandrina ny teniko ny amin’ny faharetana, izaho kosa hiaro anao ho afaka amin’ilay andro fizahan-toetra, izay efa hihatra amin’izao tontolo izao mba hitsapana ny mponina eto ambonin’ny tany.


«Izay maharesy dia havelako hiara-mipetraka amiko eo ambony sezafiandrianako; dia tahaka ny nandreseko ihany koa sy niarahako nipetraka amin’ny Raiko eo ambony sezafiandrianany.


Fantatro ny asanao. Indro eo anatrehanao efa nasiako varavarana mivoha tsy misy mahahidy; satria kely hery ianao, kanefa nitandrina ny teniko ary tsy mba nandà Ahy.


Ary nataonao fanjaka-mpisorona ireo mba hanompo an’Andriamanitsika sy hanjaka etỳ ambonin’ny tany.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra