Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Matio 13:25 - DIEM PROTESTANTA

25 Kanjo raha natory ny olona, dia tonga ny fahavalon-dralehilahy tompon-tanimbary ka namafy voan-tsimparifary tamin’ny vary, dia lasa nandeha.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

25 nefa raha natory ny olona dia avy ny fahavalony ka namafy voan-tsimparifary teny amin’ny vary ary lasa nandeha.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

25 Kanjo raha natory ny olona, dia tonga ny fahavalon-dralehilahy tompon-tanimbary ka namafy voan-tsimparifary tamin’ny vary, dia lasa nandeha.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

25 fa raha natory ny olona, dia tonga ny fahavalony, ka namafy voan’ahi-dratsy tamin’ny vary, dia lasa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

25 fa raha natory ny olona, dia avy ny fahavalony ka namafy voan-tsimparifary teny amin’ny vary, dia lasa nandeha.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

25 fa raha natory ny olona, dia avy ny fahavalony ka namafy voan-tsimparifary teny amin'ny vary, dia lasa nandeha.

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 13:25
19 Rohy Ifampitohizana  

Koa tamin’ny misasakalina dia niarina izy naka ny zanako teo anilako raha ilay mbola natory iny aho, ka nampandriany teo anilany; fa ny azy maty kosa no nataony teo anilako.


Ary nanolotra fanoharana hafa tamin’ny vahoaka i Jesoa ka nanao hoe: –Ny Fanjakàn’ny lanitra dia tahaka ny amin’ity lehilahy namafy voa tsara tamin’ny tanimbariny.


Rehefa naniry ny vary ka niteraka dia nipoitra koa ny tsimparifary.


Dia avy ny mpanompon-dralehilahy ka nilaza taminy hoe: «Tompoko, tsy voa tsara ve no nafafinao tamin’ny tanimbarinao? Koa avy aiza kosa ny tsimparifary?»


Fa nataon’ny tompon-tanimbary hoe: «Tsia, fandrao hongotanareo mbamin’ny vary raha esorinareo ny tsimparifary!»


Aoka ihany hiara-maniry izy roroa mandra-piavin’ny taom-pijinjana; ary amin’izay vao holazaiko amin’ny mpijinja hoe: «Esory aloha ny tsimparifary, ka fehezo ho amboarany mba hodorana; fa ny vary kosa, angony ho any an-tsompitro.»


ny fahavalo namafy ny tsimparifary dia ny devoly; ny taom-pijinjana dia ny fiafaran’izao tontolo izao; ary ny mpijinja dia ny anjely.


Andrasana ela ny fiavian’ny mpampakatra, ka dia samy rendremana avokoa izy folo vavy ary natory.


na teo aza ireo rahalahy sandoka tafasisika an-tsokosoko teo anivonay. Ireo rahalahy sandoka ireo dia niditra an-tsokosoko mba hitsikera ny fahafahana anananay tafaray amin’i Kristy Jesoa, hahazoany manao izay hanandevozana anay.


Mitandrema tsara mba tsy hisy hiala amin’ny fahasoavan’Andriamanitra. Aoka mba tsy hisy ho tonga ahitra mangidy mitrebona ka hanapoizina sy hanimba ny maro.


Mahonòna tena, ary miambena; fa ny devoly fahavalonareo mandehandeha manodidina anareo tahaka ny liona mierona mitady izay harapany.


Nisy mpaminany sandoka teo amin’ny vahoaka Israely; toy izany koa no hisian’ny mpampianatra sandoka eo aminareo: hampiditra an-tsokosoko fampianaran-diso mahavery izy ireo sady handà ny Tompo Izay nanavotra azy, ka hitarika fahaverezana tampoka ho an’ny tenany.


Ary nazera ilay dràgona, dia ilay bibilava fahizay, ilay atao hoe devoly na hoe Satàna, izay mamitaka izao tontolo rehetra izao; nazera tamin’ny tany izy ary nazera niaraka taminy koa ireo anjeliny.


ary mamitaka ny mponina ambonin’ny tany izy amin’ny zava-mampitolagaga nomena hataony eo anatrehan’ilay biby voalohany. Milaza amin’ny mponina ambonin’ny tany koa ny biby faharoa mba hanao sary ho fanajana ilay biby voalohany, izay voaratran’ny sabatra nefa velona ihany.


Saingy izao no anomezako tsiny anao: leferinao ilay vehivavy Jezebela izay milaza ny tenany ho mpaminany, ka dia mampianatra sy manoloky ny mpanompoko hijangajanga sy hihinan-kena natao fanatitra tamin’ny sampy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra