3 Ry hava-malala, teo am-piezahana mafy hanoratra ho anareo ny amin’ny famonjena iombonantsika aho no nisy nahatery ahy hanoratra aminareo, mba hampirisika anareo hikely aina hiaro ny finoana izay efa natolotra tanteraka tamin’ny vahoakan’Andriamanitra.
3 Ry hava-malala, teo am-piezahana mafy hanoratra ho anareo ny amin’ny famonjena iombonantsika aho no nisy nahatery ahy hanoratra aminareo, mba hampirisika anareo hikely aina hiaro ny finoana izay efa natolotra tanteraka tamin’ny vahoakan’Andriamanitra.
3 Ry malala, noho ny faniriako mafy hanoratra aminareo ny amin’ny famonjena iombonantsika, dia voatery hanoratra ity taratasy ity ho anareo aho, mba hamporisika anareo hikely aina hiaro ny finoana, izay natolotra ny olo-masina indray mandeha monja.
Dia nifandahatra tamin’ireo lehilahy ireo aho ka nanozona azy; nokapohiko aza ny sasany ary norombotako ny volon-dohany. Dia nampianiana azy tamin’Andriamanitra aho mba tsy hanome ny zanakavaviny ho vadin’ny hafa firenena, ary mba tsy haka ny zanakavavin’ny hafa firenena ho vadin’ny tenany na ny zanakalahiny; sady hoy aho hoe:
Samia miaro tena amin’ny namany avy ianareo ary aza matoky olona na dia ny rahalahy aza; fa Jakôba vaovao mamitaka tokoa izy, ary na ny sakaiza aza manaratsy anareo.
Dia nofaranan’i Paoly: –Aoka ho fantatrareo fa izany tenim-pamonjena avy amin’Andriamanitra izany dia efa nampitondraina ho any amin’ny hafa firenena ka izy ireo dia hihaino. [
Izao no fampianarana isan’ny voalohany indrindra voaraiko ary nampitaiko taminareo: i Kristy dia maty ho fanalana ny fahotantsika araka ny voalazan’ny Soratra Masina,
Koa tsy misy intsony ny hoe Jiosy na hafa firenena, tsy misy intsony ny hoe mpanompo na tsy mpanompo, tsy misy intsony ny hoe lehilahy na vehivavy; fa olona iray ihany ianareo rehetra, noho ianareo tafaray amin’i Kristy Jesoa.
Dia nomen’ny TOMPO ahy ny takela-bato anankiroa, voasoratry ny rantsan-tanan’Andriamanitra ka nirakitra ny didy rehetra nolazain’ny TOMPO taminareo; avy tao anatin’ny afo no nilazany an’ireny tao an-tendrombohitra fony ianareo vory ho fivondronambe.
Izao ihany: manàna fitondrantena mendrika ny Vaovao Mahafaly momba an’i Kristy. Ka amin’izany, tonga moa aho, dia hahita anareo; tsy tonga kosa, dia handre ny aminareo: ka ho fantatro fa miorina tsara amin’ny firaisam-panahy ianareo, sady miray fo miara-miezaka hampandroso ny finoana vokatry ny Vaovao Mahafaly.
Fantatrareo koa fa taloha kelin’izay, dia nampijalîna sy nalam-baràka tany Filipy izahay; kanefa dia nomen’ilay Andriamanitray fahasahiana hanambara taminareo ny Vaovao Mahafaly avy aminy, na dia be aza ny fanoherana.
Miadia ny ady tsaran’ny finoana, hazòny ny fiaina-maharitra mandrakizay, fa ho any amin’izany fiainana izany no niantsoan’Andriamanitra anao fony ianao nanambara ilay fiekem-pinoana fatratra teo anatrehan’ny vavolombelona maro.
Mamangy anao aho, ry Tito, dia ianao izay tena zanako ao amin’ny finoana iombonantsika. Ho aminao anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’Andriamanitra Ray sy i Kristy Jesoa Mpamonjy antsika!
Amin’ny alalan’i Silasy, rahalahy mahatoky, no nanoratako fohifohy taminareo; mananatra anareo aho sy manambara aminareo fa izany no tena fahasoavan’Andriamanitra, ka tomoera tsara amin’izany.
Ireo havantsika kosa dia naharesy ilay mpiampanga, ka ny ra nafoin’ny Zanakondry sy ny tenin’Andriamanitra nijoroan’izy ireo ho vavolombelona no nandreseny azy; ary tsy nankamamy ny ainy intsony ireo na dia ho faty aza.
Aza matahotra na inona na inona amin’izay fijaliana efa hanjo anao; indro ny devoly efa hanao am-ponja ny sasany aminareo, mba ho voazaha toetra ianareo ary hiaritra fahoriana mandritra ny folo andro. Aoka ho mahatoky ambara-pahafaty ianao, dia ny fiainana no homeko anao ho satroboninahitra.