Valio faingana aho, TOMPO ô, fa efa ambivitra ny aiko. Aza manafin-tava amiko Ianao, ndrao ho tahaka izay midina any am-pasana aho.
Jeremia 8:18 - DIEM PROTESTANTA Marary mikainkona ny foko; tsy misy fanafody hahasitrana ny alaheloko. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Indrisy! Enga anie ka hisy fampifaliana ho ahy eto amin’ny alaheloko fa reraka ny foko ato anatiko. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Marary mikainkona ny foko; tsy misy fanafody hahasitrana ny alaheloko. Baiboly Katolika Indrisy, ry fampiononana ahy amin’ny fahoriako ô! Reraka ny foko ato anatiko! Baiboly Protestanta Malagasy Indrisy! enga anie ka hisy fahamiramiranana ho ahy eto amin’ny alaheloko, Fa reraka ny foko ato anatiko. Malagasy Bible Indrisy! enga anie ka hisy fahamiramiranana ho ahy eto amin'ny alaheloko, fa reraka ny foko ato anatiko. La Bible en Malgache Indrisy! Enga anie ka hisy fampifaliana ho ahy eto amin’ny alaheloko fa reraka ny foko ato anatiko. |
Valio faingana aho, TOMPO ô, fa efa ambivitra ny aiko. Aza manafin-tava amiko Ianao, ndrao ho tahaka izay midina any am-pasana aho.
Izany no itenenako aminareo hoe: «Aza mijery ahy intsony fa aleo aho hitomany mafy. Aza misahirana mampionona ahy akory noho ny fandringanana nanjo ny fireneko.
Ny amin’ireo mpaminany. Torotoro ny foko ato anatiko, mangovitra ny tenako manontolo. Toy ny olona mamo sy lehilahy leon-divay aho noho ny TOMPO ary noho ny teny masina izay voalazany tamiko hoe:
Endrey izany kiboko fa maharary ahy. Manaintaina miferinaina aho; mila ho vaky izany ny foko. Mikorontana ny ao anatiko ka tsy afa-mangina aho: fa reko ny feon’anjomara sy ny akoran’ady.
Renay izany vaovao izany ka niraviravy tanana izahay, sady tratry ny fanaintainana toy ny vehivavy raha miteraka.
Raha izao aho no manan-toerana any an-taniefitra tahaka ny fialofan’ireo mpivezivezy, dia hilaozako ny fireneko ka handeha lavitra azy aho. Satria samy mpijangajanga avokoa sy mpamadika mpiray tetika izy rehetra.
Reko avokoa izany ka dia mangotika aho. Mipararetry ny tahotra koa ny molotro. Mihaosa ny tenako ka mangozohozo famindra. Eny, am-pahanginana no tsy maintsy iandrasako ny androm-pahoriana hamelezan’Andriamanitra ity vahoaka izay mamoritra anay ity.