Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 22:4 - DIEM PROTESTANTA

4 Izany no itenenako aminareo hoe: «Aza mijery ahy intsony fa aleo aho hitomany mafy. Aza misahirana mampionona ahy akory noho ny fandringanana nanjo ny fireneko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Koa izany no ilazako hoe: Mihodìna tsy hijery ahy, fa hitomanin’alahelo aho; aza dia fatra-pampionona ahy noho ny fandringanana ny oloko, zanakavavy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Izany no itenenako aminareo hoe: «Aza mijery ahy intsony fa aleo aho hitomany mafy. Aza misahirana mampionona ahy akory noho ny fandringanana nanjo ny fireneko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 Koa niteny aho nanao hoe: «Mihodìna tsy hijery ahy, aoka hitomany mafy aho! Aza maimay hampionona ahy, noho ny fandringanana ny zanaka vavin’ny vahoakako.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Koa izany no anaovako hoe: Mihodìna tsy hijery ahy, fa hitomany mafy dia mafy aho; Aza dia fatra-pampionona ahy Noho ny fandringanana ny oloko zanakavavy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Koa izany no anaovako hoe: Mihodina tsy hijery ahy, fa hitomany mafy dia mafy aho; Aza dia fatra-pampionona ahy noho ny fandringanana ny oloko zanakavavy

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 Koa izany no ilazako hoe: Mihodìna tsy hijery ahy, fa hitomanin’alahelo aho; aza dia fatra-pampionona ahy noho ny fandringanana ny oloko, zanakavavy.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 22:4
20 Rohy Ifampitohizana  

Nony fantatr’i Môrdôkay ny zava-drehetra nitranga, dia nandriatra ny fitafiany izy ka nitafy gony sady nihosin-davenona ary nankeo afovoan’ny tanàna ka nitaraina sy nidradradradra mafy.


Andriamanitra no antsoiko mba hitarainako; eny, Izy no antsoiko mba hihainoany ahy.


Eny an-dalambe dia lamba fisaonana no itafian’ny besinimaro, eny an-tampon-trano sy eny an-kianja eny no idradradradran’izy rehetra sady irotsahan’ny ranomasony.


Indreo ny mponin’i Ariela fa miantsoantso eny an-dalambe, satria ny iraka mpanambara fiadanana dia niveri-maina mitomany mafy.


Raha tsy mihaino izany hafatra izany ianareo, dia hitomany ao amin’ny toera-mangina aho noho ny avonavonareo mihoa-pampana; eny, ny masoko dia hamarin-dranomaso, hamarin-dranomaso hijononoka be, satria lasan-ko babo ny andianondrin’ny TOMPO.


Izao no lazain’ny TOMPO: Nisy fitarainana heno tao Ramà, dia fitomaniana sy fidradradradrana mafy. I Rahely no mitomany ny zanany; ka tsy mety nampiononina izy satria tsy eo intsony ny zanany.»


Endrey izany kiboko fa maharary ahy. Manaintaina miferinaina aho; mila ho vaky izany ny foko. Mikorontana ny ao anatiko ka tsy afa-mangina aho: fa reko ny feon’anjomara sy ny akoran’ady.


Ry vahoakako, misikìna lamba fisaonana ka mihosena amin’ny vovoka; ataovy ny fombafomba rehetra fanao amin’ny fisaonana zanaka lahitokana, ka mitomania fatratra ianareo fa ho avy tampoka ny fahavalo mpandringana.


Marary mikainkona ny foko; tsy misy fanafody hahasitrana ny alaheloko.


Raha izao aho no manan-toerana any an-taniefitra tahaka ny fialofan’ireo mpivezivezy, dia hilaozako ny fireneko ka handeha lavitra azy aho. Satria samy mpijangajanga avokoa sy mpamadika mpiray tetika izy rehetra.


Misy feo mitaraina re any Tsiôna: «Indrisy, rava isika sady afa-baràka tokoa satria voatery hamoy ity tany ity noho ny nandrodanana ny tranontsika!»


Jembin-dranomaso ny masoko ary mandevilevy ny fiontanako; azon’ny famoizam-po aho noho ny fahavoazan’ilay firenena mamiko, fa matin-ketaheta ny zaza madinika sy minono eny amin’ny kianjan’ny tanàna eny.


Ary ianao, ry ilay taranak’olombelona, mitolokoa noho ny havesatry ny fahadisoam-panantenana; eny, mitolokoa eo imason’izy rehetra.


Manaratra loha sady mitafy gony noho ny aminao izy, ka mitomany anao fa mangidy ny manjo ary mangidy ny fisaonany.


Hoy kosa i Mikà hoe: Noho izany, dia hitomany sy hidradradradra aho, ary handeha tsy mitafy sady tsy mikiraro. Hikonainaina toy ny amboadia aho ary hikiakiaka toy ny vorombe;


«Injay nisy fitomaniana sy dradradradra tsy anerany heno tao Ramà: I Rahely no nitomany ny zanany, ka tsy nety nampiononina satria tsy eo intsony ireny!»


ary tsaroan’i Petera ny teny voalazan’i Jesoa hoe: «Alohan’ny maneno akoho, dia handà Ahy intelo ianao.» Dia lasa nankany ivelany i Petera ka nitomany fatratra.


Ny nanovozan’ireo mpanoratra dia ny vavolombelona nahita maso hatrany am-boalohany sady niandraikitra ny fitoriana ny tenin’Andriamanitra ka nampita izany tamintsika.


Ary nanakaiky an’i Jerosalema hatrany i Jesoa ka nony nahatazana ny tanàna, dia nitomany azy


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra