Nofidîko izy mba handidiany ireo zanany sy ny taranany hitandrina ny didiko ka hanao ny rariny sy ny hitsiny mba hotanterahiko amin’i Abrahama izay rehetra efa nampanantenaiko momba azy.»
Jeremia 2:21 - DIEM PROTESTANTA Izaho anefa no namboly anao tahaka ny voaloboka tsara, dia rantsana tsara tokoa. Koa nahoana àry ianao no niova ho sampany ratsy sy tonga voaloboka hafa? Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nefa Izaho namboly anao toy ny karazam-boaloboka tsara indrindra, dia rantsana tsara avokoa; koa nahoana no nanjary sampany ratsy ianao, ary tonga voaloboka hafa? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Izaho anefa no namboly anao tahaka ny voaloboka tsara, dia rantsana tsara tokoa. Koa nahoana àry ianao no niova ho sampany ratsy sy tonga voaloboka hafa? Baiboly Katolika Izaho anefa namboly anao, ho karazam-boaloboka tsara indrindra, avy amin’ny fototra tena tsara avokoa. Ka ahoana no dia niovanao amiko, ho sampana ratsy avy amin’ny voaloboka hafa karazana? Baiboly Protestanta Malagasy Fa Izaho namboly anao ho karazam-boaloboka tsara indrindra, Dia rantsana tsara avokoa; Ka ahoana no nanjary sampany ratsy hianao Ho voaloboka hafa? Malagasy Bible Fa Izaho namboly anao ho karazam-boaloboka tsara indrindra, dia rantsana tsara avokoa; Ka ahoana no nanjary sampany ratsy ianao ho voaloboka hafa? La Bible en Malgache Nefa Izaho namboly anao toy ny karazam-boaloboka tsara indrindra, dia rantsana tsara avokoa; koa nahoana no nanjary sampany ratsy ianao, ary tonga voaloboka hafa? |
Nofidîko izy mba handidiany ireo zanany sy ny taranany hitandrina ny didiko ka hanao ny rariny sy ny hitsiny mba hotanterahiko amin’i Abrahama izay rehetra efa nampanantenaiko momba azy.»
Andriamanitra ô, ny sofinay no nandre ny razanay no nitantara taminay ireo zava-bitanao fahiny tamin’ny andro fahavelony.
Ry Andriamanitr’izao rehetra izao ô, mba avereno ho firenena matanjaka izahay; aoka hijery anay amin-kamorampo Ianao, dia ho voavonjy izahay!
Namindra voaloboka iray avy any Ejipta Ianao ary nandroaka firenen-kafa mba hambolena azy;
Entinao izy ka hamponeninao ao an-tendrombohitrao, ao amin’ny toerana izay nataonao ho fonenanao, ry TOMPO, dia ny Toeramasina izay naorinao.
Ahoana no nahatonga janga ity tanàna nahatoky? Feno rariny anefa tao taloha sady nitoeran’ny fahamarinana; fa ankehitriny kosa mpamono olona no ao.
Ianao kosa, ry Israely mpanompoko, firenen’i Jakôba izay nofidiko, taranak’i Abrahama sakaizako,
Inona indray moa no mbola tokony hataoko amin’izany voaloboko izany ka tsy efa nataoko taminy? Nanantena azy hamoa voaloboka tsara aho ka nahoana no namoa voalobo-dratsy izy?
Ny vahoakanao rehetra hanjary olo-marina ka hanana ny tany ho fananany mandrakizay. Noforonin’ny tanako haneho ny famirapiratako izy ka ho toy ny voly mandrobona eo amin’ny sahako.
Manao fisaonana an’i Tsiôna ireo, kanefa hirahina aho hanome azy ribà fehiloha ho solon’ny lavenona amin’ny lohany, hanome diloilo manitra ho solon’ny alahelo sy fitafiana fitondra amin’ny fety ho solon’ny toetra manjoretra. Amin’izay no hiantsoana azy ireo hoe: «Hazo vokatry ny fitahiana, saha nambolen’ny TOMPO mba hanehoany ny famirapiratany.»
Izy io dia nataoko hoe «Hazo ôliva maitso, misy voany mahafinaritra». Kanjo ao anatin’ny kotaba lehibe no andrehetako afo handoro ny raviny; ary dia hotapatapahina ny rantsany.
Ny TOMPOn’izao rehetra izao no namboly azy; fa ankehitriny Izy dia manambara ny loza hamelezana azy noho ny ratsy nataon’ny olon’i Israely sy ny olon’i Joda taminy. Nanao izay nampahasosotra Azy manko ireny tamin’ny nandoroany fanatitra ho an’i Bahala.
Iakaro ka simbasimbao ny tanimboalobony manao ambaratonga; nefa aza potehina tanteraka! Esory ny rantsam-boaloboka satria tsy an’ny Tompo ireny.
Indrisy! Nihavasoka ny volamena; efa nihamatroka ilay metaly tsara; ireo vatosoa voatokana ho an’ny Tompo dia niparitaka teny an-dalambe rehetra teny.
«Ry ilay taranak’olombelona, moa sarobidy kokoa noho ny vatan-kazo avy amin’ny hazo any an’ala ve ny tahom-boaloboka?
–Mihainoa fanoharana hafa koa: Nisy mpanan-tany nanamboatra tanimboaloboka sy namefy azy manodidina ary nanao lavaka famiazam-bokatra sy tilikambo fiambenana; dia nampanofa azy tamina mpamboly ary lasa nankany an-tany hafa.
Ary dia fanoharana indray no nitenenan’i Jesoa tamin’ireo lohandoha-mpisorona sy mpahay lalàna ary loholona, ka hoy Izy: –Nisy lehilahy nanamboatra tanimboaloboka sy namefy azy manodidina ary nanao lavaka famiazam-bokatra sy tilikambo fiambenana, dia nampanofa azy tamina mpamboly ary lasa nankany an-tany hafa.
Dia nitodika tamin’ny vahoaka kosa i Jesoa nanao izao fanoharana izao: –Nisy lehilahy nanamboatra tanimboaloboka ka nampanofa azy tamina mpamboly ary lasa niorim-ponenana any an-tany hafa.
Tahaka an’i Sôdôma sy i Gômôra ihany ireo fahavalon’i Israely: tahom-boaloboka mamokatra voaloboka mahafaty sy sampaho mangidy.
Noho ny TOMPO tia ireo razambenareo sady nifidy anareo taranaka amam-parany, dia Izy mihitsy no nitondra anareo hiala tany Ejipta ka nomba anareo tamin-kery lehibe;
Nandritra ny andro rehetra niainan’i Josoa, dia nanompo ny TOMPO ireo Israelita; ary taorian’ny nahafatesan’i Josoa, dia nitohy izany nandritra ny andro rehetra niainan’ireo loholona izay nahita maso ny asa rehetra nataon’ny TOMPO ho an’i Israely.