Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 11:17 - DIEM PROTESTANTA

17 Ny TOMPOn’izao rehetra izao no namboly azy; fa ankehitriny Izy dia manambara ny loza hamelezana azy noho ny ratsy nataon’ny olon’i Israely sy ny olon’i Joda taminy. Nanao izay nampahasosotra Azy manko ireny tamin’ny nandoroany fanatitra ho an’i Bahala.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

17 Fa Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao, izay namboly anao, no nanambara ny loza hanjo anao, noho ny ratsy nataon’ny taranak’Israely sy ny taranak’i Joda, izay nahavoa ny tenany ka nahatezitra Ahy, dia tamin’ny nandoroany ditin-kazo manitra ho an’ny Baala.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

17 Ny TOMPOn’izao rehetra izao no namboly azy; fa ankehitriny Izy dia manambara ny loza hamelezana azy noho ny ratsy nataon’ny olon’i Israely sy ny olon’i Joda taminy. Nanao izay nampahasosotra Azy manko ireny tamin’ny nandoroany fanatitra ho an’i Bahala.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

17 I Iavehn’ny tafika izay namboly anao, no nandidy ny loza hanjò anao. Noho ny ratsy nataon’ny taranak’i Israely sy ny taranak’i Jodà, izay nataony hihatsy ny hatezerako, tamin’ny fanaterana emboka manitra ho an’i Baala.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

17 Fa Jehovah, Tompon’ny maro, Izay namboly anao, No nanambara ny loza hanjo anao, Noho ny ratsy nataon’ny taranak’Isiraely sy ny taranak’i Joda, Izay nahavoa ny tenany ka nahatezitra Ahy, Dia tamin’ny nandoroany ditin-kazo manitra ho an’i Bala.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

17 Fa Jehovah, Tompon'ny maro, Izay namboly anao, no nanambara ny loza hanjo anao, noho ny ratsy nataon'ny taranak'Isiraely sy ny taranak'i Joda, Izay nahavoa ny tenany ka nahatezitra Ahy. Dia tamin'ny nandoroany ditin-kazo manitra ho an'i Bala.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 11:17
33 Rohy Ifampitohizana  

Ary handraiketako toerana iray hampiorenako azy ny Israely vahoakako, ka dia honina tsy hanana ahiahy amin’izany izy. Fa tsy hisy firenen-dozabe hampahory azy intsony taloha,


ary isan-tanànan’ny fanjakàn’i Joda dia nanaovany toeram-panasinana mba handoroana sorona hanetona ho an’ny andriamani-kafa, ka izany no nahatezitra ny TOMPO Andriamanitry ny razany.


Andriamanitra ô, ny sofinay no nandre ny razanay no nitantara taminay ireo zava-bitanao fahiny tamin’ny andro fahavelony.


Ry Andriamanitr’izao rehetra izao ô, mba miverena; tsinjovy avy any an-danitra ka jereo ary karakarao ilay voalobokao:


Ry Andriamanitr’izao rehetra izao ô, mba avereno ho firenena matanjaka izahay; aoka hijery anay amin-kamorampo Ianao, dia ho voavonjy izahay!


Nasainy ny tany, nesoriny ny vato, ary voaloboka voafantina no namboleny tao. Nanao tilikambo teo afovoany izy ary koa nandavaka famiazam-boaloboka; dia nanantena azy hamoa voaloboka tsara Izy kanjo namoa voalobo-dratsy.


Manao fisaonana an’i Tsiôna ireo, kanefa hirahina aho hanome azy ribà fehiloha ho solon’ny lavenona amin’ny lohany, hanome diloilo manitra ho solon’ny alahelo sy fitafiana fitondra amin’ny fety ho solon’ny toetra manjoretra. Amin’izay no hiantsoana azy ireo hoe: «Hazo vokatry ny fitahiana, saha nambolen’ny TOMPO mba hanehoany ny famirapiratany.»


Ary hoy ny TOMPO nanazava tamiko: –Avy any avaratra tokoa no hipoitra ny loza hamelezana ny mponina rehetra eto amin’ny tany.


Koa izao no lazain’ny TOMPO: «Indro Aho hahatonga loza aminy ka tsy ho azony ialana. Raha miantso vonjy amiko izy, dia tsy hihaino azy Aho.


Fa araka ny isan’ny tanànany no isan’ireo andriamanitr’i Joda; ary araka ny isan’ny lalamben’i Jerosalema no isan’ny alitara naorinareo mba handoroana vovo-javamanitra ho an’i Bahala, ilay henatrareo.»


Nambolenao izy dia niorim-paka, ka nitombo sy namoa. Tononin’ny vavany Ianao, fa ataony lavitry ny fony.


Fa ny vahoakako kosa nanadino Ahy, ka nandoro zava-manitra mifangaro tamin’ireo sampy tsinontsinona izay nandavo azy teny an-dalany mba hialany amin’ny lalana mahazatra ary nampandeha azy tamin’ny lalan-kely izay mbola tsy voasoritra akory.


Nefa raha miala amin’ny ratsy izay nahatonga ny fandrahonako izy, dia hiova hevitra amin’ny loza izay nokasaiko hamelezana azy Aho.


«Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: «Indro hataoko tonga amin’ity tanàna ity sy amin’ireo tanàna madinika manodidina azy ny loza rehetra izay nambarako hamelezana azy, satria nanamafy hatoka izy, ka tsy nihaino ny teniko.› »


Izaho anefa no namboly anao tahaka ny voaloboka tsara, dia rantsana tsara tokoa. Koa nahoana àry ianao no niova ho sampany ratsy sy tonga voaloboka hafa?


Fa hojereko am-pitiavana izy ka hampodîko amin’ity tany ity. Haoriko indray izy ka tsy horavako intsony, hamboleko indray ka tsy hongotako intsony.


Koa ankehitriny hatsarao ny fitondrantenanareo sy ny fomba fanaonareo; henoy izay lazain’ny TOMPO Andriamanitrareo, dia tsy hampiharin’ny TOMPO ilay loza efa nolazainy hamelezana anareo.


Moa nampamono azy ho faty va i Hezekià mpanjaka sy ny vahoaka rehetra tao Joda? Tsia, fa nanaja ny TOMPO izy ary niezaka hampitony azy. Koa tsy nampiharin’ny TOMPO ilay loza efa nolazainy hamelezana azy. Fa isika kosa hampidi-doza lehibe ho an’ny tenantsika, raha manameloka ho faty io lehilahy io.


Eo am-panafihana azy ny Babilônianina izao ka ho tafiditra ao an-tanàna, dia handrava sy handoro azy amin’ny afo, indrindra ireo trano izay nampahasosotra Ahy satria teo amin’ny tafony marin-tampona no nandoroana zava-manitra mifangaro ho an’i Bahala sy nanolorana fanatitra divay ho an’ireo andriamani-kafa.


Fa ny Israelita sy ny Jodeanina dia efa nanao izay ratsy teo imasoko hatramin’ny fiandohan’ny tantarany, ary tsy nisy asa nataony afa-tsy ny nampalahelo Ahy; teny hentitra avy amiko TOMPO izany.


Dia hoy koa i Jeremià hoe: «Noho izany, dia izao no lazain’ny TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: Indro hahatonga ny loza izay voalazako taminareo Aho, ry vahoakan’i Joda sy ry mponin’i Jerosalema. Satria efa niteny taminareo Aho fa tsy nihaino ianareo, efa niantso anareo Aho fa tsy namaly ianareo.»


Angamba hamboraka fifonana amin’ny TOMPO izy ary hiala amin’ny fitondrantena ratsy; satria efa nilaza ny TOMPO fa tena tezitra sy vinitra tamin’ity vahoaka ity.»


Teo izy no nalain’ny lehiben’ny mpiambina ka nilazany hoe: «Ny TOMPO Andriamanitrao no nanambara mialoha izao loza manjo ity tanàna ity izao.


Ary ankehitriny dia notanterahin’ny TOMPO tokoa izay nambarany, noho ny nanotanareo taminy sy tsy nankatoavanareo izay nolazainy. Izany no nahatonga izao zavatra izao taminareo.


«Raha hiverina hipetraka ao amin’ity tany ity ianareo, dia haoriko indray ny vahoakanareo fa tsy horavako intsony; hamboleko indray ianareo fa tsy hongotako, ary hanenenako ny loza izay efa namelezako anareo.


Kanefa tsy nihaino na nanongilan-tsofina akory ianareo hiala tamin’ny ratsy fanaonareo ka tsy hanolotra sorona amin’ireo andriamani-kafa.


Moa mitady hampahasosotra Ahy va ianareo amin’ny asan-tananareo sy ny fanoloranareo sorona ho an’ireo andriamani-kafa ao amin’ny tany Ejipta izay ialokalofanareo? Sa tianareo haringana ny tenanareo ka ho tonga oha-panozonana sy oha-pandatsana any amin’ny firenen-kafa rehetra eran-tany!


Noho izany, dia izao no hafatry ny TOMPO asainy ampitaiko aminao: «Eo am-pandravana izay naoriko Aho izao ary eo am-panongotana izay namboleko; ary korontaniko ny tany tontolo.


Ny ankizy mifako kitay, ny rainy mandrehitra afo, ny vehivavy kosa mametafeta koba hatao mofo hatolotra ho an’ny mpanjakavavin’ny lanitra; manao izay mahasosotra Ahy ireo fa manolotra fanatitra divay ho an’ny andriamani-kafa.


Hay ve ianareo mangalatra sy mamono olona, mijangajanga sy mianiana lainga, mandoro vovo-javamanitra ho an’i Bahala ary mifikitra amin’ireo andriamani-kafa izay tsy fantatrareo akory?


Nalainy koa ny voa famafy anankiray hafa tao amin’ny tanin’i Israely ka naleviny tao anaty saha lonaka. Avy eo dia nafindrany teo amoron’ny rano mikoriana ny tsimok’io voa famafy io, ka nataony araka ny fanao amin’ny zanaka hazomalahelo.


Voaloboka misandrahaka sady namoa tsara i Israely. Arakaraka ny hamaron’ny voany no nanamaroany ny alitarany; arakaraka ny nandrosoan’ny taniny no nanaovany tsangambaton-tsampy tsara tarehy kokoa hatrany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra