Ry Jerosalema ô, ho fatin-tsabatra ny lehilahy ao aminao, ary ho faty an’ady ny miaramilanao.
Jeremia 15:8 - DIEM PROTESTANTA Ny mpitondratenany dia nohamaroiko noho ny fasika amoron-dranomasina. Na dia mitataovovonana aza ny andro, dia nitondrako mpandringana tao aminy handripaka ny renin’ireo zatovo mpiantafika ary nazerako tampoka teo aminy ny hovitra noho ny tahotra Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny mpitondratenany dia mihamaro eo imasoko mihoatra noho ny fasika any an-dranomasina; mitondra mpandringana ho ao aminy Aho handripaka ny renin’ny zatovo, na dia mitataovovonana aza ny andro; ataoko tonga tampoka aminy ny fanaintainana sy ny tahotra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny mpitondratenany dia nohamaroiko noho ny fasika amoron-dranomasina. Na dia mitataovovonana aza ny andro, dia nitondrako mpandringana tao aminy handripaka ny renin’ireo zatovo mpiantafika ary nazerako tampoka teo aminy ny hovitra noho ny tahotra Baiboly Katolika Ho maro ny mpitondratenany, mihoatra noho ny fasika eny an-dranomasina. Hitondra mpandringana ho ao aminy Aho, ao amin’ny renin’ny mpiady tanora amin’ny mitataovovonana. Hataoko mirotsaka aminy tampoka ny ahiahy mafy sy ny vadi-po. Baiboly Protestanta Malagasy Ny mpitondratenany mihamaro eo imasoko mihoatra noho ny fasika any an-dranomasina; Mitondra mpandringana ho ao aminy Aho handripaka ny renin’ny zatovo, Na dia mitataovovonana aza ny andro; Ataoko tonga tampoka aminy ny fanaintainana sy ny tahotra. Malagasy Bible Ny mpitondratenany mihamaro eo imasoko mihoatra noho ny fasika any an-dranomasina; Mitondra mpandringana ho ao aminy Aho handripaka ny renin'ny zatovo, na dia mitataovovonana aza ny andro; Ataoko tonga tampoka aminy ny fanaintainana sy ny tahotra. La Bible en Malgache Ny mpitondratenany dia mihamaro eo imasoko mihoatra noho ny fasika any an-dranomasina; mitondra mpandringana ho ao aminy Aho handripaka ny renin’ny zatovo, na dia mitataovovonana aza ny andro; ataoko tonga tampoka aminy ny fanaintainana sy ny tahotra. |
Ry Jerosalema ô, ho fatin-tsabatra ny lehilahy ao aminao, ary ho faty an’ady ny miaramilanao.
Koa hitomany sy hitoloko ny iray tanàna, ho toy ny vehivavy very fananana mitorevaka amin’ny tany.
Amin’izany andro izany, dia vehivavy fito no indray hihazona lehilahy iray ka hanao hoe: «Tsy hiantohanao na sakafo na fitafiana izahay, fa aoka izahay mba hahazo mitondra ny anaranao, ka afaho amin’ny fahafaham-baràkanay.»
Fa izao no lazaiko ny amin’ireo zanakalahy sy ireo zanakavavy izay ho teraka eto amin’ity tany ity ary koa ny amin’ny rainy sy reniny niteraka azy:
Noho izany, avelao ny zanany ho fatin’ny mosary; ary ny tenan’ireo mpiampanga ahy poteho amin’ny sabatra. Aoka ny vadiny ho maty anaka sy ho tonga mpitondratena. Aoka ny lehilahy lehibe haripaky ny areti-mandringana ary ny zatovony ho faty an’ady.
Hanetsika mpandrava hamely anao Aho, dia mpandrava izay samy ary fitaovana. Hokapainy ny sederanao voafantina ka hatsipiny any anaty afo.
Lazaonareo amin’ny mponina rehetra, ampandrenesonareo i Jerosalema fa manakaiky azy ny mpanao fahirano, tonga avy any an-tany lavitra any ka mihorakoraka hamely ireo tanànan’i Joda.
Noho izany dia hivoaka hamely azy avy ao amin’ny kirihitr’ala ny liona; ary handrotidrotika azy eny an-tsaha ny amboadia. Ny leôparda hamitsaka eo akaikin’ny tanànany ka hamiravira izay rehetra mivoaka avy ao, satria nohamaroiny ny fahadisoany ary tsy hita isa ny fiodinany.
Ry vahoakako, misikìna lamba fisaonana ka mihosena amin’ny vovoka; ataovy ny fombafomba rehetra fanao amin’ny fisaonana zanaka lahitokana, ka mitomania fatratra ianareo fa ho avy tampoka ny fahavalo mpandringana.
Tahaka ny liona mierona mamiravira haza ireo mpitondra azy ka mandripaka olona sy maka ny vola amam-pananan’ny hafa ka mahatonga vehivavy maro ho mpitondratena.
Ho tafintohina antoandro ianao; ny mpaminany koa amin’ny alina dia hiara-tafintohina aminao; hataoko ringana i Israely reninao.
satria hiantonta tahaka ny fandrika harato amin’ny mponina rehetra manerana ny tany tontolo.