Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 6:26 - DIEM PROTESTANTA

26 Ry vahoakako, misikìna lamba fisaonana ka mihosena amin’ny vovoka; ataovy ny fombafomba rehetra fanao amin’ny fisaonana zanaka lahitokana, ka mitomania fatratra ianareo fa ho avy tampoka ny fahavalo mpandringana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

26 Ry oloko zanakavavy, misikìna lamba fisaonana ianao ary mihosena lavenona ka manaova fisaonana toy ny fisaonana zanakalahy tokana, dia fitomaniana fatratra; fa ho avy tampoka amintsika ny mpandringana.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

26 Ry vahoakako, misikìna lamba fisaonana ka mihosena amin’ny vovoka; ataovy ny fombafomba rehetra fanao amin’ny fisaonana zanaka lahitokana, ka mitomania fatratra ianareo fa ho avy tampoka ny fahavalo mpandringana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

26 Ry zanaka vavin’ny vahoakako, misikìna lamba malailay; mihosena amin’ny lavenona; manaova fisaonana, toy ny fisaonana zanaka lahy tokana; midradradradrà mafy fa tonga tampoka amintsika ny mpandringana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

26 Ry oloko zanakavavy, misikìna lamba fisaonana hianao, ary mihosena lavenona, Ka manaova fisaonana toy ny fisaonana zanakalahy tokana, dia fitomaniana fatratra; Fa ho avy tampoka amintsika ny mpandringana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

26 Ry oloko zanakavavy, misikìna lamba fisaonana ianao, ary mihosena lavenona, ka manaova fisaonana toy ny fisaonana zanakalahy tokana, dia fitomaniana fatratra; Fa ho avy tampoka amintsika ny mpandringana.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 6:26
42 Rohy Ifampitohizana  

dia lasa izy nipetraka tandrifiny tery lavidavitra tokony ho tratry ny zana-tsipîka, fa hoy izy anakampo hoe: «Aza hitako anie izay hahafatesan’ny zaza.» Fony nipetraka tandrifin’ny zaza izy, dia nanandra-peo nitomany.


Feo mampitahotra no tsy afaka an-tsofiny; amin’izy mihevi-tena ho milamina iny no avy hamely azy ilay mpandrava.


Dia nitombina teo an-davenona i Jôba ary naka vakim-bilany tany hihaorany.


Tamin’izany andro izany dia niantso anareo ny Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao mba hitomany sy hitoloko, hanaratra volon-doha sy hitondra lamba fisaonana.


Izany no itenenako aminareo hoe: «Aza mijery ahy intsony fa aleo aho hitomany mafy. Aza misahirana mampionona ahy akory noho ny fandringanana nanjo ny fireneko.


Ny fofona manitra hosoloana fofo-maimbo, ny fehikibo marevaka hosoloana tady tsotra, ny randrana tsara voatra hosoloana loha sola. ny fitafiana mihaja hosoloana lamba fisaonana. Eny, ny bika soa hosoloana tomboka vy mahamenatra.


dia ho toy ny triatra amin’ny manda no haterak’izany heloka izany aminareo: miseho aloha ny mivohitra, ary tampotampoka eo dia mirodana.


Mangovita ianareo mitoredretra matahora ianareo tsy rototra. Esory avokoa ny fitafianareo, ka lamba fisaonana no isikino.


Eny amin’ireo havoana ngazana rehetra any an-taniefitra any no mipoitra ireo mpandroba. Hatreo amin’ny sisintany an-kilany ka hatrany amin’ny sisintany an-daniny no andripahan’ilay sabatry ny TOMPO ka tsy misy olona tsitsîny.


Raha tsy mihaino izany hafatra izany ianareo, dia hitomany ao amin’ny toera-mangina aho noho ny avonavonareo mihoa-pampana; eny, ny masoko dia hamarin-dranomaso, hamarin-dranomaso hijononoka be, satria lasan-ko babo ny andianondrin’ny TOMPO.


Izao kosa no teny holazainao aminy: Ny masoko anie hijononoka ranomaso andro aman’alina tsy an-kiato, satria goavana ny fahavoazan’ny vahoakako ary mafy dia mafy tokoa ny ratra nahazo azy.


Ny mpitondratenany dia nohamaroiko noho ny fasika amoron-dranomasina. Na dia mitataovovonana aza ny andro, dia nitondrako mpandringana tao aminy handripaka ny renin’ireo zatovo mpiantafika ary nazerako tampoka teo aminy ny hovitra noho ny tahotra


Aoka ny fidradradradrana no ho re avy ao an-tranony, rehefa hataonao tonga tampoka ny andia-miaramila hamely azy! Fa namela-pandrika hisamborana ahy izy sy nanafina harato haningorana ny tongotro.


Amin’izay dia hiteny amin’ity vahoaka ity sy amin’ny mponin’i Jerosalema ny Tompo hoe: «Ny rivotra mahamay eny an-tendrombohitra no tonga avy any an-taniefitra mankany amin’ny vahoakako; tsy rivotra malefaka hikororoham-bary


Fahavoazana mifanontona no ambara; rava ny tany manontolo. Rava tampoka teo ny tranolay nitobianay ary fongana indray mipi-maso ny fialofanay.


Manaova akanjo fisaonana noho izany ka mitomania sy midradradradrà, fa ny TOMPO tsy mbola nampiala tamintsika ny fahatezerany mirehitra.


Alasafay fotsiny no nitsaboany ny fahavoazan’ny vahoakako tamin’ny nilazany hoe: «Fiadanana, fiadanana!»; kanjo tsy nisy fiadanana akory!


Injany! Re hatrany amin’ny faritra lavitra any ny antso vonjy ataon’ny vahoakako hoe: «Tsy ao Tsiôna intsony ve ny TOMPO, ary tsy ao aminy intsony ve ny mpanjakany?» Nahoana moa izy no nahatezitra Ahy tamin’ireo sarivongan-tsampiny, dia ireo zava-poana avy any an-kafa?


Noho ny fahavoazan’ny vahoakako dia torotoro tanteraka aho; misaona aho, azon’alahelo mafy!


Raha izao aho no manan-toerana any an-taniefitra tahaka ny fialofan’ireo mpivezivezy, dia hilaozako ny fireneko ka handeha lavitra azy aho. Satria samy mpijangajanga avokoa sy mpamadika mpiray tetika izy rehetra.


Dia hoy ny Tompo hoe: «Hataoko korontam-bato i Jerosalema, ka ho fonenan’ny amboadia; ary ireo tanànan’i Joda hataoko lao tsy misy mponina.»


Izany no loza itomaniako, sy mahatonga ahy hamarin-dranomaso; fa lavitra ahy ilay mpampionona izay afaka hamelombelona ny aiko. Ringana ny zanako, fa nahery ny fahavalo.


Mitomany foana izy amin’ny alina, mirotsa-dranomaso eny an-takolany; izay rehetra tia azy dia tsy misy mampionona azy. Nanary azy avokoa ny sakaizany, ary tonga fahavalony ankehitriny.


Jembin-dranomaso ny masoko ary mandevilevy ny fiontanako; azon’ny famoizam-po aho noho ny fahavoazan’ilay firenena mamiko, fa matin-ketaheta ny zaza madinika sy minono eny amin’ny kianjan’ny tanàna eny.


Notereny hikarepoka vatokely aho ary nohoseny tao anaty lavenona.


Rano mandriaka no avoakan’ny masoko noho ny faharatrana nanjo ny fireneko.


Ny reny tokony ho feno fitiavana aza no nirotsaka nahandro ny zanany; dia izany no nataony sakafo tamin’ny fandringanana nahazo ny vahoakako.


Na ny amboadia aza dia manolotra nono mba hampinonoana ny zanany; fa ny zanakavavin’ny fireneko kosa tsy mifaditra ovana tahaka ny vorombe any an-taniefitra.


Lehibe noho ny heloky ny tao Sôdôma ny fahotan’ny vahoakako; nefa noravana indray mipi-maso io tanàna io ka tsy nisy nihetsehana akory.


havadiko ho fisaonana ny fetinareo ary ho fitomaniana ny hiram-pifalianareo; hosikinako lamba gony ianareo rehetra sady hosolako loha ka hataoko tahaka ny olona misaona zanaka lahitokana; ary ho tahaka ny androm-pahoriana mangidy no fiafaran’izany.»


Rehefa ren’ny mpanjakan’i Ninive ny vaovao, dia nidina avy teo amin’ny sezafiandrianany izy ka nanala ny akanjo maha mpanjaka azy, ary nitafy gony koa sady nipetraka teo amin’ny lavenona.


Fanahim-pangorahana sy fanahim-bavaka no hanentanako ny taranak’i Davida sy ny mponin’i Jerosalema. Ka hijery Ahy ireo noho ny amin’Ilay nolefoniny, ary hisaona azy toy ny fisaonana zanakalahy tokana sady hitomany azy toy ny fitomaniana lahimatoa.


Rehefa tonga teo akaikin’ny vavahadin’ny tanàna Izy, dia tojo olona handevina fatin-jazalahy anankiray; ramatoa reniny tsy nanana afa-tsy iny sady efa mpitondratena, koa olona marobe avy ao an-tanàna no niaraka taminy.


Malahelova, mitomania ary midradradradrà; aoka hody fitomaniana ny fihomehezanareo ary hody alahelo ny fifalianareo.


Mihaino ahy izao ianareo mpanankarena! Mitomania sy mitolokoa noho ny loza midona aminareo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra