Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 6:25 - DIEM PROTESTANTA

25 Aza mivoaka ho any an-tsaha, aza mandeha eny an-dalam-be fa ao ny fahavalo mirongo sabatra; ka horohoro hatraiza hatraiza.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

25 Aza mandeha ho any an-tsaha ary aza mankeny amin’ny lalambe; fa manan-tsabatra ny fahavalo, misy fampihorohoroana avy amin’ny manodidina.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

25 Aza mivoaka ho any an-tsaha, aza mandeha eny an-dalam-be fa ao ny fahavalo mirongo sabatra; ka horohoro hatraiza hatraiza.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

25 Aza mivoaka ho any an-tsaha, na mandeha eny an-dalambe, fa mitan-tsabatra ny fahavalo, misy fangorohoroana manodidina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

25 Aza mivoaka ho any an-tsaha, Ary aza mandeha amin’ny làlambe; Fa manan-tsabatra ny fahavalo, Misy fampangorohoroana manodidina.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

25 Aza mivoaka ho any an-tsaha, ary aza mandeha amin'ny lalambe; Fa manan-tsabatra ny fahavalo, misy fampangorohoroana manodidina.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

25 Aza mandeha ho any an-tsaha ary aza mankeny amin’ny lalambe; fa manan-tsabatra ny fahavalo, misy fampihorohoroana avy amin’ny manodidina.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 6:25
20 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’izay fotoana izay dia tsy afaka nifamoivoy tamim-pilaminana ny olona; fa horohoro be no nanjo ny mponina rehetra tamin’ny tany.


Manemitra azy hatraiza hatraiza ny horohoro ary manara-dia azy amin’izay alehany.


Tsy fantatra intsony aho fa hadino toy ny maty sy toy ny zavatra nariana.


Fa raha mandà kosa ianareo ka mikomy, dia ny sabatra no handripaka anareo.» Izany no nambaran’ny TOMPO.


Raha mivoaka eny an-tsaha aho, dia ireo matin-tsabatra no hitako; raha miditra an-tanàna aho, dia ireo matin’ny mosary no hitako. Ny mpaminany sy ny mpisorona dia mivezivezy eo amin’ny tany, fa tsy mahalala na inona na inona.


Reko ny besinimaro miteny ratsy ahy ka manome anaram-bosotra hoe: «Fihorohoroana hatraiza hatraiza.» «Torio izy», hoy ny sasany; «Eny, hotorintsika izy», hoy ny hafa. Ireo sakaiza tiako indrindra aza dia miandry kendry tohina hahavoa ahy: «Izay angamba no hahavoafitaka azy sy haharesentsika azy, hoy ireo, ka hisamborantsika azy hanaovana valifaty


Dia hiteny ireny hoe: «Andray, ry Tompo ANDRIANANAHARY ô, namitaka ity vahoaka ity sy namitaka an’i Jerosalema Ianao tamin’ny fampanantenana hoe fa hisy fiadanana ho antsika kanjo mihatra aman’aina ity ny sabatra!»


Ataovy ny fanairana an’i Joda ary ampandreneso ny ao Jerosalema Tsofy ao amin’io tany io ny anjomara, ka miantsoantsoa mafy hoe: Mivoria ianareo, ary andeha isika hiditra ao amin’ny tanànamimanda.


Ahoana izao zavatra hitako izao? Raiki-tahotra izy ka mihemotra. Resy ireo miaramila mahery fo sady mitsoaka mandositra, ka tsy misy miherika akory. Fihorohoroana hatraiza hatraiza, hoy ny teny hentitry ny TOMPO.


Aoka horobaina ny lainy sy ny ondry aman’osiny, ny fialofany sy ny entany rehetra! Ary aoka hoentina ny ramevany! Aoka izy hiantsoantsoana hoe: «Fampihorohoroana hatraiza hatraiza».


Ka hoy ny teny hentitry ny Tompo ANDRIAMANITR’izao rehetra izao: «Indro Aho hahatonga fampihorohoroana aminao avy amin’ny olona rehetra manodidina anao. Horoahina hizotra eo anoloanareo avy ianareo ka tsy hisy hamory izay mandositra.


Nahoana no mijanona eto isika? Andeha hifamory isika ka hiditra ao amin’ny tanànamimanda ary dia miandry ny ho faty ao, satria ny TOMPO Andriamanitsika no manendry antsika ho faty ka mampisotro antsika rano voapoizina, noho isika efa nanota taminy:


Nanantena fiadanana isika, nefa tsy nisy soa akory. Nanantena fotoam-panasitranana isika kanjo indro zava-mampihorohoro.


Toy ny amin’ny andro fety, TOMPO ô, dia nantsoinao ireo mpampihorohoro manodidina ahy; ka tamin’ny androm-pahatezeranao dia tsy nisy sisa velona na afa-nitsoaka, fa ireo ankizy notezaiko sy nokoloiko dia naripaky ny fahavaloko avokoa.


Miantsoa vonjy ianao ary midradradradrà, ry ilay taranak’olombelona, satria izany sabatra izany dia mihatra amin’ny vahoakako; iharan’io sabatra io koa ny mpitondra rehetra eto Israely, ka ho ringan-tsabatra miaraka amin’ny vahoakako ireo. Koa aoka ianao handondon-tratra


Hisikina lamba fisaonana izy ka ho safotry ny horohoro. Hisoritra henatra ny endrika rehetra ary ho voaharatra avokoa ny loha rehetra.


Fa ho avy aminao ny andro hananganan’ny fahavalonao tovon-tany manodidina anao, ka hanaovany fahirano anao sy hanereny anao hatraiza hatraiza.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra