Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 15:7 - DIEM PROTESTANTA

7 Naparitako tamin’ny fitaovana fikororohana ny tao amin’ny isan-tanàna teo amin’ny tany, tsy nomeko zanaka fa naringako ny oloko, nefa tsy novany ny fitondrantenany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Ary kororohiko amin’ny fikororohana any amin’ny vavahadin’ny tany izy; ary vonoiko ny zanany, eny, aringako ny oloko, nefa tsy mety miala amin’ny fanaony ihany izy mba hiverenany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Naparitako tamin’ny fitaovana fikororohana ny tao amin’ny isan-tanàna teo amin’ny tany, tsy nomeko zanaka fa naringako ny oloko, nefa tsy novany ny fitondrantenany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Hokororohiko amin’ny sahafa fikororohana eo amin’ny vava-tany izy; hofoanako anaka, ary haringako ny vahoakako; fa tsy mety miverina hiala amin’ny lalany izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Ary kororohiko amin’ny fikororohana izy Ho any amin’ny vava-tany; Ary foanako anaka ny oloko, Eny, aringako izy–tsy mety miala amin’ny fanaony mba hiverina izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Ary kororohiko amin'ny fikororohana izy ho any amin'ny vava-tany; Ary foanako anaka ny oloko, eny, aringako izy tsy mety miala amin'ny fanaony mba hiverina izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 Ary kororohiko amin’ny fikororohana any amin’ny vavahadin’ny tany izy; ary vonoiko ny zanany, eny, aringako ny oloko, nefa tsy mety miala amin’ny fanaony ihany izy mba hiverenany.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 15:7
21 Rohy Ifampitohizana  

Tsy mba toy izany ireo olon-dratsy, fa tahaka ny akofa aelin-drivotra.


Hokororohinao hoentin’ny rivotra izy sy haelin’ny tadio; fa ianao kosa dia Izaho TOMPO no hifalianao ary Izaho ilay Masin’i Israely no hireharehanao.


Dia toy izany no nikapohan’Andriamanitra ny vahoakany; kanefa tsy niverina tamin’Andriamanitra ihany izy, tsy notadiaviny ny TOMPOn’izao rehetra izao.


Koa tanatin’ny indray andro monja no namongoran’ny TOMPO an’i Israely, na ny any an-tampony na ny any am-potony, na ny sampandrofia na ny volotara.


Noho izany, avelao ny zanany ho fatin’ny mosary; ary ny tenan’ireo mpiampanga ahy poteho amin’ny sabatra. Aoka ny vadiny ho maty anaka sy ho tonga mpitondratena. Aoka ny lehilahy lehibe haripaky ny areti-mandringana ary ny zatovony ho faty an’ady.


TOMPO ô, moa tsy ny toe-panahy mahatoky ve no zavatra andrandrainao? Nokapohinao ny mponin’i Jerosalema, nefa tsy nahoany akory izany. Saika hofarananao ny aminy, nefa tsy nino anatra izy. Fa mafy loha toy ny vato izy, ka tsy nety niverina taminao.


Olona hafa firenena no halefako amin’i Babilôna ka hanaparitaka azy toy ny akofa, ary hahatonga ny taniny ho foana. Amin’izany andro mandoza izany dia hipoitra hatraiza hatraiza ireo mpamely azy.»


Ambarao kosa, ry Jeremià, izao teny hentitry ny TOMPO izao: «Eny amin’ny tany eny no miampatrampatra ny fatin’olona, toy ny zezika aparitaka eny an-tanimboly; tahaka ny amboara voajinja sady efa nilaozan’ny mpijinja saingy tsy misy olona mpanangona.»


hanambara aminareo Israelita fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Havelako holotoina ny toerako masina izay fireharehànareo fatratra sy fifalian’ny masonareo ary fanantenàm-piainanareo. Ny zanakareo lahy sy vavy, izay tafajanona ao Jerosalema, dia ho fatin’ny sabatra.


«Ianao kosa, ry ilay taranak’olombelona, mihainoa: Indray andro any, dia hoesoriko tsy ho eo aminy ny toera-masina izay fiarovany sy fahafinaretan’ny voninahiny ary fifalian’ny masony sy hamamiam-piainany; hoesoriko aminy koa ny zanany lahy sy vavy.


Hampivoivoy anareo ao amin’ny tany Aho, ry Israelita vahoakako. Haka azy ho fanananareo ianareo; dia ho lasanareo izy ka tsy hahalany fara anareo intsony.›


Aza manahaka ny razanareo. Fa efa nantsoin’ny mpaminany fahiny tamin’ny anarako ireo mba hiala amin’ny toetra sy ny asa ratsiny, kanefa tsy nety nihaino sy nankato Ahy. Izaho TOMPOn’izao rehetra izao no manao izany teny hentitra izany.


Efa eny an-tanany ny fikororohana ary hodioviny tanteraka ny vary eo am-pamoloana; ka ny vary moa hangoniny an-tsompitra, fa ny mololo kosa hodorany amin’ny afo tsy mitsaha-mirehitra.


Tsy ho maro anaka ianareo; tsy hiavosa ny vokatry ny taninareo, ary tsy ho maro taranaka ny omby sy ondry aman’osinareo.


ny zanakalahinareo sy zanakavavinareo hafoy ho an’ny firenena hafa ka ny masonareo hipitrapitra sy ho valalanina manontolo andro noho ny alahelo azy, fa tsy hahefa na inona na inona ny tananareo.


Hiteraka zazalahy sy zazavavy ianareo; nefa tsy ho anareo ireny, satria ho lasan-ko babo.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra