Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hosea 4:5 - DIEM PROTESTANTA

5 Ho tafintohina antoandro ianao; ny mpaminany koa amin’ny alina dia hiara-tafintohina aminao; hataoko ringana i Israely reninao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Ho tafintohina antoandro ianao; ny mpaminany koa dia hiara-tafintohina aminao amin’ny alina, ary hovonoiko ny reninao.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Ho tafintohina antoandro ianao; ny mpaminany koa amin’ny alina dia hiara-tafintohina aminao; hataoko ringana i Israely reninao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

5 Ho tafintohina ianao, amin’ny antoandro; hiara-tafintohina aminao koa ny mpaminany amin’ny alina; ary hataoko levona ny reninao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Ka dia ho tafintohina antoandro hianao, Ary ny mpaminany hiara-tafintohina aminao koa amin’ny alina, Ary hovonoiko ny reninao.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Ka dia ho tafintohina antoandro ianao, ary ny mpaminany hiara-tafintohina aminao koa amin'ny alina, ary hovonoiko ny reninao.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

5 Ho tafintohina antoandro ianao; ny mpaminany koa dia hiara-tafintohina aminao amin’ny alina, ary hovonoiko ny reninao.

Jereo ny toko dika mitovy




Hosea 4:5
21 Rohy Ifampitohizana  

Izao no fanontaniana ataon’ny TOMPO: «Aiza izay taratasy fisaoram-bady manaporofo fa noroahiko i Jerosalema reninareo? Sa iza no nivarotako anareo ho andevo mba ho fanefana ny trosako aminy? Indro ny helokareo ihany no nivarotana anareo ary ny fikomianareo ihany no nandroahana an-dreninareo.


Ny mpitondratenany dia nohamaroiko noho ny fasika amoron-dranomasina. Na dia mitataovovonana aza ny andro, dia nitondrako mpandringana tao aminy handripaka ny renin’ireo zatovo mpiantafika ary nazerako tampoka teo aminy ny hovitra noho ny tahotra


Ny amin’ireo mpaminany. Torotoro ny foko ato anatiko, mangovitra ny tenako manontolo. Toy ny olona mamo sy lehilahy leon-divay aho noho ny TOMPO ary noho ny teny masina izay voalazany tamiko hoe:


Nefa mba jereo ange ity tanindrazanareo: tafalatsaka lalina anaty henatra, tototry ny fahafaham-baràka. Indro izy nanjary farany amin’ny firenena, lasa taniefitra sy tany hay ary tanety ngazana.»


«Ry ilay taranak’olombelona, ireto lehilahy ireto dia efa nampiorina ny sampiny ao am-pony sady zavatra mitarika azy amin’ny heloka no apetrany eo anoloany. Mihevitra ve izy fa hanaiky hanontaniany Aho?


Dia hiray hina ny taranak’i Joda sy ny taranak’i Israely ka hifidy filoha tokana ary hanenika ny taniny: fa ho lehibe ny andron’i Jizrehèla.


Fandrao hampitanjahiko izy ka hampihanjahanjaiko toy ny tamin’ny andro nahaterahany. Hovako toy ny taniefitra sy toy ny tany karankaina izy, ary hataoko matin-ketaheta.


Vavolombelona manameloka azy ny avonavon’i Israely. Solafa-keloka i Israely sy i Efraîma ka lavo miaraka aminy koa i Joda.


Tao anatin’ny iray volana monja dia telo ny mpiandry azy no noroahiko; avy eo dia lotika tamin’ny ondry ny foko, sady izy koa efa tofoka ahy.


«Amin’izany andro izany, hoy ny teny hentitra avy amiko Tompon’izao rehetra izao, dia hofoanako amin’ny firenena ny anaran-tsampy ka tsy hisy hahatsiaro izany intsony. Hoesoriko ihany koa ireo mihambo ho mpaminany ary horavako ny fitiavanareo hanompo sampy.


Fa ilay Jerosalema any an-danitra kosa tsy mba mpanompo: dia ny renintsika izany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra