Eny, nikomy sy nivadika taminao izahay ka tsy nanaiky hanaraka Anao Andriamanitray. Famoretana sy fikomiana no resakay ary lainga fotsiny no foroninay ao am-po sy avoakan’ny teny ataonay.
Jeremia 12:8 - DIEM PROTESTANTA Niova ho masiaka tamiko toy ny liona any an’ala ilay anjara fananako; nierona tamiko izy ka halako. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Amiko, ny lovako dia efa toy ny liona any anaty ala; mierona Amiko izy ka halako. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Niova ho masiaka tamiko toy ny liona any an’ala ilay anjara fananako; nierona tamiko izy ka halako. Baiboly Katolika Zary toa liona an’ala ho ahy ny lovako, nanandra-peo manerona ahy izy, ka tonga halako. Baiboly Protestanta Malagasy Raha amiko, ny lovako dia efa toy ny liona any an-ala; Mierona amiko izy, ka dia halako. Malagasy Bible Raha amiko, ny lovako dia efa toy ny liona any an'ala; Mierona amiko izy, ka dia halako. La Bible en Malgache Amiko, ny lovako dia efa toy ny liona any anaty ala; mierona Amiko izy ka halako. |
Eny, nikomy sy nivadika taminao izahay ka tsy nanaiky hanaraka Anao Andriamanitray. Famoretana sy fikomiana no resakay ary lainga fotsiny no foroninay ao am-po sy avoakan’ny teny ataonay.
Tahaka ny fieron’ny biby masiaka no fandrahonan’ireo azy; ka nahatonga ny taniny ho lao sy nandorana ny tanànany ho tsy azo onenana.
Miara-mierona toy ny liona tanora ny mponina ao Babilôna ankehitriny ary mikonainaina toy ny zana-diona.
Niseho ampahibemaso ho vehivavy janga izy ary nampiseho ny fitanjahany; ka narikoriko azy aho tahaka izay namparikoriko ahy tamin’ny rahavaviny.
«Tao Gilgala, hoy ihany ny Tompo, no niseho ny haratsiany isan-karazany. Tao no nanombohako nankahala azy. Horoahiko izy hiala amin’ny toeram-ponenako noho ny ratsy izay nataony. Tsy hanam-pitiavana azy intsony Aho; mpikomy avokoa ny filohany rehetra.
Ny TOMPO efa mianiana amin’ny tenany; Ilay TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao dia manao teny hentitra hoe: «Mahatsiravina Ahy ny avonavon’ny fanjakan’i Israely ary hàlako ireo lapany, ka hatolotro ny fahavalony ny renivohitra Samaria mbamin’izay rehetra ao anatiny.»
fa hoy kosa ny TOMPO aminareo: «Nitsangan-ko fahavalon’ny vahoakako ianareo; ka ny lehilahy miverina avy any an’ady sy mandalo tsy manana ahiahy no endahanareo ny akanjobeny.
Tao anatin’ny iray volana monja dia telo ny mpiandry azy no noroahiko; avy eo dia lotika tamin’ny ondry ny foko, sady izy koa efa tofoka ahy.