Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Mika 2:8 - DIEM PROTESTANTA

8 fa hoy kosa ny TOMPO aminareo: «Nitsangan-ko fahavalon’ny vahoakako ianareo; ka ny lehilahy miverina avy any an’ady sy mandalo tsy manana ahiahy no endahanareo ny akanjobeny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Vao omaly no omaly no nitsanganan’ny oloko ho fahavalo; endahinareo amin’izay mandeha tsy manana ahiahy avy any an’ady ny akanjobe ivelany manarona ny fitafiany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 fa hoy kosa ny TOMPO aminareo: «Nitsangan-ko fahavalon’ny vahoakako ianareo; ka ny lehilahy miverina avy any an’ady sy mandalo tsy manana ahiahy no endahanareo ny akanjobeny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 Omaly ny vahoakako no nitsangan-ko fahavalo: ny kapaoty endahanareo hiala eo ambonin’ny akanjo; ny mizotra tsy manana ahiahy, ataonareo fahavalo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Vao omaly no omaly no nitsanganan’ny oloko ho fahavalo; Sendahanareo hiala eo amin’ny lamba ny kapôtin’izay mandeha tsy manana ahiahy, Dia izay tsy tia ady.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Vao omaly no omaly no nitsanganan'ny oloko ho fahavalo; Hendahanareo hiala eo amin'ny lamba ny kapôtin'izay mandeha tsy manana ahiahy, Dia izay tsy tia ady.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 Vao omaly no omaly no nitsanganan’ny oloko ho fahavalo; endahinareo amin’izay mandeha tsy manana ahiahy avy any an’ady ny akanjobe ivelany manarona ny fitafiany.

Jereo ny toko dika mitovy




Mika 2:8
10 Rohy Ifampitohizana  

Amiko dia anisan’ny tia fihavanana sy mahatoky indrindra amin’i Israely ny mponina eto; kanefa dia tadiavinao ho ravana ity tanàna anisan’ny lehibe amin’i Israely ity. Nahoana no holevoninao ny fananan’ny TOMPO?


Hihaino anie Andriamanitra ka hampietry an’ireo, satria Izy no Mpanjaka hatrizay hatrizay! Fiatoana Tsy mety miova toetra ireo olon-dratsy ireo sady tsy matahotra an’Andriamanitra.


Niova ho masiaka tamiko toy ny liona any an’ala ilay anjara fananako; nierona tamiko izy ka halako.


Kanefa dia ny tsara no halanareo ary ny ratsy no tianareo, ka endahanareo mbamin’ny hoditry ny olona sy ny nofony mandrakotra ny taolany.


Eny, haninareo ny nofon’ny mpiray firenena amiko, endahanareo ny hodiny, vakivakînareo ny taolany, ary tetehanareo izy tahaka ny hena handrahoina am-bilany.


Fa foana teo amin’ny tany ny olona tena mpivavaka; ary tsy misy olo-marina intsony eo amin’ny olombelona. Samy manotrika handatsa-dra avokoa izy rehetra; ary samy mihaza mpiray tampo amin’ny fandrika harato ny tsirairay.


Vonona hanao ratsy ny tanany; ny mpitondra sy ny mpitsara mitaky tsolotra; ary ny lehibe milaza izay zavatra iriny, ka miara-miteti-dratsy hahatanteraka azy,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra