Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 12:7 - DIEM PROTESTANTA

7 Ilaozako ny tranoko ary afoiko ny fananako. Atolotro ho eo an-tanan’ny fahavalony ilay notiaviko tamin’ny foko tokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Nilaozako ny tranoko, nafoiko ny lovako; ny sombin’aiko dia natolotro ho eo an-tanan’ny fahavalony.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Ilaozako ny tranoko ary afoiko ny fananako. Atolotro ho eo an-tanan’ny fahavalony ilay notiaviko tamin’ny foko tokoa.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Nilaozako ny tranoko, nafoiko ny lovako; izay tiako dia natolotro ho eo an-tanan’ny fahavaloko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Nilaozako ny tranoko, Nafoiko ny lovako; Ny sombin’aiko dia natolotro ho eo an-tànan’ny fahavalony.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Nilaozako ny tranoko, nafoiko ny lovako; Ny sombin'aiko dia natolotro ho eo an-tànan'ny fahavalony.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 Nilaozako ny tranoko, nafoiko ny lovako; ny sombin’aiko dia natolotro ho eo an-tanan’ny fahavalony.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 12:7
23 Rohy Ifampitohizana  

Ary hafoiko ny sisa tavela amin’ny vahoakako ka hatolotro amin’ny fahavalony rehetra mba hosamboriny sy hobaboiny,


Koa nirehetan’ny fahatezeran’ny TOMPO ilay vahoakany ary naharikoriko Azy tokoa ireo voatokana ho fananany.


Natolony ho fatin-tsabatra ny vahoakany, fa nahatezitra Azy tokoa ireo voatokana ho fananany.


TOMPO ô, efa narianao ny vahoakanao, dia ny taranak’i Jakôba, satria nihahohaho tao aminy ny mpimasy avy any atsinanana sady betsaka tahaka ny an’ny Filistinina ny mpanandrony; ary nifandray tendro tamin’ny vahiny izy.


Hoy ny TOMPO hoe: «Ilay vahoaka malalako dia manao zavatra tsy amin-kitsim-po. Inona moa no ataony atỳ an-tranoko? Moa ny voady sy ny sorona ataony amiko ve hampandositra ny loza hiala aminy ka hahafahany mihodivitra tsy ho azony?


Tompo ô, efa narianao tokoa ve i Joda? Efa naharikoriko Anao ve i Tsiôna? Nahoana no mikapoka mafy anay Ianao ka tsy misy mahasitrana anay? Nanantena fiadanana izahay kanjo tsy nisy soa akory, ary niandrandra fotoam-pahasitranana kanjo indro zava-mahatahotra.


Ary tsy maintsy hafoinao ny zaratany izay nomeko anao. Hampanompoiko ny fahavalonao any amin’ny tany tsy fantatrao ianao, satria narehitrao ny afom-pahatezerako izay hirehitra mandrakizay.


Fa raha tsy hihaino izany hafatra izany kosa ianareo, dia ny tenako no ianianako ary Izaho TOMPO no miteny hentitra, fa ho rava tokoa ity lapa ity.


Ary hoy ny TOMPO tamin’i Jeremià: –Raha misy mpaminany na mpisorona na olona hafa manontany anao hoe: «Inona no hafatry ny TOMPO, inona no enta-mavesatra anereny antsika?», dia hovalianao hoe: «Ianareo no enta-mavesatra; noho izany, dia hariako ianareo, hoy ny teny hentitry ny TOMPO.»


dia hataoko toy ny enta-mavesatra eo an-tsoroko ianareo, ka hariako ny tenanareo sy ity tanàna izay nomeko anareo sy ny razanareo ity.


Satria manenika an’i Babilônia ny fahotany tamin’ilay Masin’i Israely. –Ilay Andriamanitra TOMPOn’izao rehetra izao kosa tsy mba namela an’i Israely sy i Joda ho mpitondratena.–


Noho izany ity trano izay natokana ho Ahy ity, ity trano izay ianteheranareo ity, ity toerana izay nomeko anareo sy ny razanareo ity dia hataoko tahaka ny nanaovako an’i Silao.


Hoy ny TOMPO hoe: «Ry vahoakan’i Joda, hetezo ka ario ny volonao lava izay marika fa voatokana ho Ahy ianao. Manaova hira fisaonana eny amin’ny havoana mangadihady; fa hariako sady ho laviko ianao, satria taranaka mahatezitra Ahy.»


hanambara aminareo Israelita fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: ‹Havelako holotoina ny toerako masina izay fireharehànareo fatratra sy fifalian’ny masonareo ary fanantenàm-piainanareo. Ny zanakareo lahy sy vavy, izay tafajanona ao Jerosalema, dia ho fatin’ny sabatra.


«Fony mbola tanora i Israely, dia notiaviko, hoy Izaho Tompo; ary zanako izy ka nantsoiko hiala tany Ejipta.»


«Tao Gilgala, hoy ihany ny Tompo, no niseho ny haratsiany isan-karazany. Tao no nanombohako nankahala azy. Horoahiko izy hiala amin’ny toeram-ponenako noho ny ratsy izay nataony. Tsy hanam-pitiavana azy intsony Aho; mpikomy avokoa ny filohany rehetra.


Tsofy ao Tsiôna ny anjomara, manokàna andro fifadian-kanina, ary miantsoa fivoriambe.


Na dia ny mpanompolahy sy ny mpanompovavy aza dia handatsahako ny Fanahiko amin’izany andro izany.


Ny mponina haringan’ny lelan-tsabatra na hoentin-ko babo any amin’ny firenena rehetra any, ary i Jerosalema hohitsakitsahin’ny hafa firenena mandrapahafenon’ny andro natao hanjakan’ny hafa firenena.


Ny amin’ny taranak’i Benjamîna, dia hoy i Mosesy hoe: «Foko malalan’ny TOMPO ianareo ka monina feizay eo akaikiny; miaro anao isan’andro vaky Izy sady monina eo anivon’ny havoanareo.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra