Ny olon-dratsy mirehareha hoe: «Tsy hanadina Andriamanitra, tsy misy Andriamanitra.» Izany no ambentin-keviny.
Hosea 7:10 - DIEM PROTESTANTA Vavolombelona manameloka azy ny avonavon’i Israely. Kanefa izy tsy niverina tamiko TOMPO Andriamaniny; ary, na teo aza izany rehetra izany, dia tsy mba nitady Ahy izy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny avonavon’Israely dia vavolombelona manameloka azy nefa tsy miverina amin’NY TOMPO Andriamaniny ihany izy; na dia eo aza izany rehetra izany dia tsy mitady Azy izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Vavolombelona manameloka azy ny avonavon’i Israely. Kanefa izy tsy niverina tamiko TOMPO Andriamaniny; ary, na teo aza izany rehetra izany, dia tsy mba nitady Ahy izy. Baiboly Katolika Mitsangan-ko vavolombelona miampanga azy ny avonavon’i Efraima: tsy miverina amin’i Iaveh Andriamaniny anefa izy ireo, na mitady Azy, na dia izany rehetra izany aza. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny avonavon’ Isiraely dia vavolombelona manameloka azy; Nefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy miverina amin’i Jehovah Andriamaniny ihany izy, na mitady Azy. Malagasy Bible Ary ny avonavon'Isiraely dia vavolombelona manameloka azy; Nefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy miverina amin'i Jehovah Andriamaniny ihany izy, na mitady Azy. La Bible en Malgache Ny avonavon’Israely dia vavolombelona manameloka azy nefa tsy miverina amin’NY TOMPO Andriamaniny ihany izy; na dia eo aza izany rehetra izany dia tsy mitady Azy izy. |
Ny olon-dratsy mirehareha hoe: «Tsy hanadina Andriamanitra, tsy misy Andriamanitra.» Izany no ambentin-keviny.
Avy eny an-danitra eny ny TOMPO no miondrika hijery ny olombelona, hizaha sao mba misy olon-kendry izay mitady Azy tokoa.
Adala izay miteny anakampo hoe: «Tsy misy Andriamanitra!» Maneho toetra lo sy maharikoriko ireo sady tsy mba misy manao ny tsara.
Na dia totoinao toy ny vary an-daona aza ny adala, dia tsy ho afaka aminy akory ny hadalàny.
Dia toy izany no nikapohan’Andriamanitra ny vahoakany; kanefa tsy niverina tamin’Andriamanitra ihany izy, tsy notadiaviny ny TOMPOn’izao rehetra izao.
Koa tanatin’ny indray andro monja no namongoran’ny TOMPO an’i Israely, na ny any an-tampony na ny any am-potony, na ny sampandrofia na ny volotara.
Koa nosakanako tsy ho avy aminao ny oram-be sady tsy nisy koa ny oran-dohataona. Nefa nikiry hijangajanga ihany ianao fa tsy nety niaiky ny fahadisoanao.
Izaho TOMPO ve hanavotra ireo olona ireo tsy ho voagejan’ny fahafatesana, ka hanafaka azy amin’ny toeran’ny maty? Rafahafatesana ô, aiza ny aretina fandringananao? Ry toeran’ny maty ô, aiza ny loza fandripahanao? Tsy hana-maso miantra Aho.
Vavolombelona manameloka azy ny avonavon’i Israely. Solafa-keloka i Israely sy i Efraîma ka lavo miaraka aminy koa i Joda.
Hoy ianareo roa tonta hoe: «Ndeha hiverina amin’ny TOMPO isika; fa Izy no nahatonga ny ratrantsika, nefa Izy ihany no hahasitrana antsika. Izy no nikapoka antsika nefa Izy no hitsabo ny ferintsika.
Mahamay toa lafaoro izy rehetra ka mandringana ireo filohany. Lavo avokoa ireo mpanjakany, nefa tsy mba nisy niantso Ahy akory.
Holevoniko izay mihataka miala amiko TOMPO ka tsy mitady AHY sady tsy mila hevitra amiko.»
Aza manahaka ny razanareo. Fa efa nantsoin’ny mpaminany fahiny tamin’ny anarako ireo mba hiala amin’ny toetra sy ny asa ratsiny, kanefa tsy nety nihaino sy nankato Ahy. Izaho TOMPOn’izao rehetra izao no manao izany teny hentitra izany.