Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hosea 5:5 - DIEM PROTESTANTA

5 Vavolombelona manameloka azy ny avonavon’i Israely. Solafa-keloka i Israely sy i Efraîma ka lavo miaraka aminy koa i Joda.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Vavolombelona manameloka azy ny avonavon’ny Israely; ho lavon-keloka Israely sy i Efraima; hiara-lavo amin’izy ireo koa i Joda.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Vavolombelona manameloka azy ny avonavon’i Israely. Solafa-keloka i Israely sy i Efraîma ka lavo miaraka aminy koa i Joda.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

5 Ny avonavon’i Israely no vavolombelona manameloka azy; ho lavon’ny helony i Israely sy i Efraima; hiara-davo amin’ireo koa i Jodà.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Ary ny avonavon’ Isiraely dia vavolombelona manameloka azy; Ary Isiraely, indrindra fa Efraima, ho lavon-keloka; Joda hiara-davo aminy koa.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Ary ny avonavon'Isiraely dia vavolombelona manameloka azy; Ary Isiraely indrindra fa Efraima, ho lavon-keloka; Joda hiara-davo aminy koa.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

5 Vavolombelona manameloka azy ny avonavon’ny Israely; ho lavon-keloka Israely sy i Efraima; hiara-lavo amin’izy ireo koa i Joda.

Jereo ny toko dika mitovy




Hosea 5:5
25 Rohy Ifampitohizana  

Azo antoka tokoa fa hofaizina ny ratsy fanahy; fa ny taranaky ny marina kosa ho voavonjy.


Ny fahamarinan’ny olom-banona manamora ny fiainany; fa ny olon-dratsy kosa verin’ny faharatsiany.


Ny ratsy ataon’ny olon-dratsy no mahavery azy; fa ny olo-marina kosa matoky satria tsy manan-tsiny.


satria mety lavo impito ny olo-marina, kanefa tafarina ihany, fa ny olon-dratsy kosa mianjera rehefa injay idiran-doza.


Misy karazan’olona izay fatra-pianjonanjona sady manana fijery miandranandrana.


Eny, lavo i Jerosalema ary potraka i Joda; ka na ny tenin’ny olona na ny asany dia samy manohitra ny TOMPO sy mihantsy ny voninahiny eo imaso.


Ny endrika asehony dia efa miampanga azy; manota an-karihary toy ny mponin’i Sôdôma izy fa tsy mba miafinafina intsony. Indrisy! Anomanany loza ho an’ny tenany izany.


Zava-poana avokoa ny mpanao sarivongan-tsampy ary tsy mahasoa akory ny zavatra lalainy: Ny sarivongan-tsampy no vavolombelona ho azy, kanefa vavolombelona tsy mahita akory, ary tsy mahalala na inona na inona ka handiso fanantenana azy.


TOMPO ô, imbetsaka izahay no efa nikomy taminao tokoa; miampanga anay ny helokay ary manjohy anay ny otanay, ka fantatray tsara ny hadisoanay.


TOMPO ô, miampanga anay ny fahadisoanay; nefa miasà Ianao ho voninahitry ny anaranao. Niodina taminao matetika izahay; taminao no nanotanay.


Aoka ho voasazy ianao noho ny ratsy nataonao ary hofaizina noho ny fivadihanao! Ho fantatrao amin’izay fa mangidy sy ratsy ny nandaozanao Ahy TOMPO Andriamanitrao sy ny tsy anajanao Ahy intsony, hoy ny teny hentitry ny Tompo, ANDRIAMANITR’izao rehetra izao.


Hozakain’ny mponin’i Samaria ny vokatry ny heloka nataony fa nikomy tamin’Andriamaniny izy. Ho faty an’ady ireo, ho voatorotoro ny zaza; ary hotatahina kibo ny vehivavy bevohòka.


Ry Israelita ô, mba miverena amin’ny TOMPO Andriamanitrareo, fa ny helokareo no nahalavo anareo.


Ho tafintohina antoandro ianao; ny mpaminany koa amin’ny alina dia hiara-tafintohina aminao; hataoko ringana i Israely reninao.


Vao mainka aza Izaho TOMPO ho tahaka ny liona mamely anareo ary ho toy ny liona tanora hamely ny taranak’i Joda. Izaho dia Izaho no handratra ny rembiko, ka handeha hitondra azy ary tsy hisy haharombaka azy amiko.


Vavolombelona manameloka azy ny avonavon’i Israely. Kanefa izy tsy niverina tamiko TOMPO Andriamaniny; ary, na teo aza izany rehetra izany, dia tsy mba nitady Ahy izy.


«Nanangan-dapa maro i Israely, ka nanadino ny Mpanao azy. I Joda koa etsy an-daniny dia nampitombo tanànamimanda; nefa handefasako afo ny tanànany ka holevonin’izany ny lapany.


Tahaka ny tovovavy maty i Israely, ka potraka tsy mahatsangana intsony; miampatra eo amin’ny taniny izy, fa tsy misy manarina.


Koa ny tenanareo no vavolombelona fa taranak’ireo mpamono ny mpaminany ianareo;


Dia hoy ny mpanjaka taminy: «Mpanompo ratsy fanahy raha ianao! Ny teninao no itsarako anao: fantatrao fa lehilahy sarotiny aho, maka izay tsy napetrako ary mijinja izay tsy nafafiko;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra