Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hosea 5:6 - DIEM PROTESTANTA

6 Mitondra omby aman’ondry hatao sorona izy no tonga hitady ny TOMPO nefa tsy hahita Azy; fa efa nanalavitra azy ireo Izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Hitondra ny omby aman’ondriny izy ka handeha hitady NY TOMPO nefa tsy hahita Azy satria NY TOMPO efa niala taminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Mitondra omby aman’ondry hatao sorona izy no tonga hitady ny TOMPO nefa tsy hahita Azy; fa efa nanalavitra azy ireo Izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 Hitondra ny ombiny aman’ondriny izy ireo, handeha hitady an’i Iaveh, nefa tsy hahita azy, fa nisaraka tamin’ireo izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Hitondra ny ombiny aman-ondriny izy ka handeha hitady an’i Jehovah. Nefa tsy hahita Azy; Jehovah efa niala taminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Hitondra ny ombiny aman'ondriny izy ka handeha hitady an'i Jehovah. Nefa tsy hahita Azy; Jehovah efa niala taminy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

6 Hitondra ny omby aman’ondriny izy ka handeha hitady NY TOMPO nefa tsy hahita Azy satria NY TOMPO efa niala taminy.

Jereo ny toko dika mitovy




Hosea 5:6
23 Rohy Ifampitohizana  

Dia hoy i Mosesy hoe: –Izahay rehetra no handeha, na antitra na tanora, na lahy na vavy, miaraka amin’ny ondry aman’osy ary ny ombinay, satria hanao fety ho an’ny TOMPO izahay.


amin’izay no hisy hiantso ahy fa tsy hovaliako ary koa hisy hitady ahy fa tsy hahita.


Halan’ny TOMPO ny sorona aterin’ny olon-dratsy; fa sitrany kosa ny vavaky ny olo-mahitsy.


Zava-maharikoriko ny sorona ataon’ireo olon-dratsy, indrindra fa amin-kafetsena no anolorany azy.


Vohako varavarana ny malalako, kanjo efa nihodina izy ka lasa. Mivoaka ny trano hanenjika azy aho; dia tadiaviko izy fa tsy hitako, ary antsointsoiko fa tsy mamaly.


Ao ny manao sorona mamono omby, kanefa mamono olona koa; ao ny mamono zanak’ondry, kanefa mamono alika koa; ao ny manao fanatitra lafarinina, kanefa manolotra ran-kisoa koa; ao ny mandoro vovo-javamanitra ho Ahy, kanefa manaja sampy koa. Noho ireo nifidy izany lalana izany sady finaritra amin’ny zava-maharikoriko,


Koa izao no lazain’ny TOMPO: «Indro Aho hahatonga loza aminy ka tsy ho azony ialana. Raha miantso vonjy amiko izy, dia tsy hihaino azy Aho.


Ary ianao, ry Jeremià, aza mivavaka amiko ho an’ity vahoaka ity intsony na manandratra fitarainana na fifonana ho azy; satria rehefa hiharan’ny loza izy, ka hiantso vonjy amiko ianao, dia tsy hihaino Aho.


Fa na dia mifady hanina aza izy, dia tsy hihaino ny fangatahany Aho. Ary na manao sorona dorana manontolo sy fanatitra hanina aza izy, dia tsy sitrako fa haripako amin’ny ady sy ny mosary ary ny areti-mandringana.


Aza miantehitra amin’ny teny fitaka hoe: ‹Eto no tempolin’ny TOMPO, eto no tempolin’ny TOMPO, eto tokoa no tempolin’ny TOMPO!›


Nisaron-drahona Ianao mba tsy ho takatry ny vavakay.


Ary Izaho kosa dia hamely azy amin’ny fahatezerako; tsy ho antra fijery azy Aho ary tsy hamindrafo aminy. Ka na dia hikiakiaka hiantso vonjy amiko aza izy, dia tsy hohenoiko.»


Dia hoy indray ny Andriamanitra hoe: «Ry ilay taranak’olombelona, hitanao tsara ve izay ataon’ny olona eo? Fa ny firenen’i Israely dia manao izay fomba maharikoriko mba hampanalavitra Ahy amin’ity toerako masina ity. Nefa mbola hahita fomba hafa maharikoriko toy izany ianao.»


Mahavatra manatitra sorona izy satria te hihinan-kena. Nefa Izaho TOMPO tsy faly amin’izany; ankehitriny tsaroako ny heloka nataony ary teteziko tsirairay ny fahotany. Tsy maintsy hiverina any Ejipta izy.


Dia hivezivezy avy any atsimo ka hatrany andrefana ary hitotototo avy any avaratra ka hatrany atsinanana ny olona mba hitady ny teniko, nefa tsy hahita.


Amin’izany, dia hitaraina amin’ny TOMPO ianareo, nefa tsy hohenoiny; hihodina tsy hijery anareo Izy noho ny asa ratsy nataonareo.


Tokony hohidin’ny anankiray aminareo ny varavaran’ny tempoly mba tsy handrehetanareo afo tsy misy lanjany eo amin’ny alitarako. Tsy sitrako ny hahita anareo na ny handray izay fanatitra ataonareo, hoy Izaho TOMPOn’izao rehetra izao.


I Jesoa kosa amin’izany lasa mihataka any amin’ny toerana mangina ka mivavaka any.


Hitady Ahy ianareo fa tsy hahita, satria ny toerana hisy Ahy tsy azonareo aleha!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra