Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hosea 5:7 - DIEM PROTESTANTA

7 Namadika ny TOMPO izy fa niteraka zazasary. Ankehitriny, iray volana latsaka dia ho levona izy mbamin’ny fananany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Nivadika tamin’NY TOMPO izy ireo satria niteraka zazasary; ankehitriny dia ho levonin’ny voaloham-bolana izy mbamin’ny anjara lovany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Namadika ny TOMPO izy fa niteraka zazasary. Ankehitriny, iray volana latsaka dia ho levona izy mbamin’ny fananany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Namitaka an’i Iaveh izy ireo, fa niteraka zaza hafa firenena; ary ankehitriny ho levon’ny volana ambony izy mbamin’ny ananany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Nivadika tamin’i Jehovah izy, Fa niteraka zaza sary; Ankehitriny dia ho levon’ny voaloham-bolana izy mbamin’ny zara-lovany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Nivadika tamin'i Jehovah izy, fa niteraka zaza sary; Ankehitriny dia ho levon'ny voaloham-bolana izy mbamin'ny zara-lovany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 Nivadika tamin’NY TOMPO izy ireo satria niteraka zazasary; ankehitriny dia ho levonin’ny voaloham-bolana izy mbamin’ny anjara lovany.

Jereo ny toko dika mitovy




Hosea 5:7
15 Rohy Ifampitohizana  

Vonjeo tsy ho voan’ny sabatry ny olon-dratsy aho, afaho amin’ny famelezan’ny hafa firenena, izay miteny fitaka ny vavany ary fianianana tsy marina no anandratany tanana ankavanana


Ny tananao atsory avy any ambony mba hisarika ahy ho afaka amin’ny ranobe, dia amin’ny famelezan’ny hafa firenena,


Halako ny fankalazanareo ny tsinam-bolana sy ny fombam-pivavahanareo manetriketrika; toy ny enta-mavesatra amiko ireny ka sasatry ny mitondra azy Aho.


Ianareo koa moa tsy nihaino sady tsy te hahalala no tsy nanokatra sofina hatry ny ela; Fantatro fa mpamadika hatrany ianareo sady nantsoina hoe mpikomy hatrany am-bohòka.


Eny, nikomy sy nivadika taminao izahay ka tsy nanaiky hanaraka Anao Andriamanitray. Famoretana sy fikomiana no resakay ary lainga fotsiny no foroninay ao am-po sy avoakan’ny teny ataonay.


Kanjo toy ny vehivavy nisintaka tamim-badiny no nisintahanao tamiko, ry taranak’i Israely; teny hentitra avy amiko TOMPO izany.


Fa efa nivadika tamiko mihitsy na ny fanjakan’i Joda na ny fanjakan’i Israely, hoy ny teny hentitry ny TOMPO.


Koa lazao aminy fa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: «Ny teniko rehetra dia hihatra tsy an-kiandry intsony; ny teny izay lazaiko dia ho tanteraka. Teny henitra avy amiko Tompo ANDRIANANAHARY izany.»


Koa halaiko aminy indray ny variko raha fararano, ary ny divaiko amin’ny fotoam-piotazana. Hoesoriko aminy ny volon’ondriko sy ny kiran-drongoniko izay nanaronany ny fitanjahany.


Miampangà an’i Israely reninareo; eny, miampangà azy, hoy Izaho TOMPO, fa izy tsy vadiko intsony ary Izaho tsy vadiny intsony. Aoka hoesoriny hiala amin’ny tavany ny mariky ny fivarotan-tenany ary hoesoriny tsy ho eo an-tratrany ny famantaram-panitsakitsaham-bady!


Tao Adama kosa ianareo no nandika ny fanekempihavanana tao ianareo no namadika Ahy.


«Lozan’ireo olon’i Efraîma, satria nandositra Ahy izy. Faharavana no eo aminy, satria nikomy tamiko izy! Ny tenako dia te hanavotra azy; fa izy kosa milaza lainga, isaky ny miteny momba Ahy.


Tao anatin’ny iray volana monja dia telo ny mpiandry azy no noroahiko; avy eo dia lotika tamin’ny ondry ny foko, sady izy koa efa tofoka ahy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra