Isaia 9:12 - DIEM PROTESTANTA12 Dia toy izany no nikapohan’Andriamanitra ny vahoakany; kanefa tsy niverina tamin’Andriamanitra ihany izy, tsy notadiaviny ny TOMPOn’izao rehetra izao. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201112 Tsy miverina amin’Izay mamely azy ny olona; eny, tsy mba tadiaviny Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara12 Dia toy izany no nikapohan’Andriamanitra ny vahoakany; kanefa tsy niverina tamin’Andriamanitra ihany izy, tsy notadiaviny ny TOMPOn’izao rehetra izao. Jereo ny tokoBaiboly Katolika12 Satria tsy niverina amin’izay nikapoka azy ny vahoaka, ary tsy nitady an’i Iavehn’ny tafika izy ireo. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy12 Fa ny olona tsy miverina amin’Izay mamely azy, Eny, Jehovah, Tompon’ny maro, tsy mba tadiaviny. Jereo ny tokoMalagasy Bible12 Fa ny olona tsy miverina amin'Izay mamely azy, Eny, Jehovah, Tompon'ny maro, tsy mba tadiaviny. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache12 Tsy miverina amin’Izay mamely azy ny olona; eny, tsy mba tadiaviny Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao. Jereo ny toko |
Izany indrindra no nampirehitra ny fahatezeran’ny TOMPO tamin’ny vahoakany. Naninji-tanana taminy sy namely azy Izy, Nampihovitrovitra ny tendrombohitra izany; ary toy ny fako tavela eny an-dàlambe no niampatramparan’ny fatin’olona. Saingy, na teo aza izany rehetra izany, dia tsy mbola afaka ny fahatezeran’ny TOMPO fa maninji-tanana mandrahona ihany Izy.
Nalefako teo aminareo ny pesta mpamely biby fiompy tahaka ny pesta nalefako tany Ejipta; novonoiko ho faty tamin’ny sabatra ny zatovolahinareo, sady nobaboina koa ny soavalinareo; ary nampiakariko hatrany am-bavoronareo ny hamaimbon’ny faty ao an-tobinareo; nefa tsy niverina tamiko ihany ianareo; teny hentitry ny TOMPO izany.
Dia hirehetan’ny fahatezerako amin’izany andro izany ity vahoaka ity ka hilaozako ary hanafenako ny tavako; hataon’ny olona levona izy sady hianjadian’ny loza amam-pahoriana maro. Amin’izany andro izany no hitenenan’ny Israelita hoe: «Noho Andriamanitra tsy eto aminay no mahatonga anay hianjadian’izao fahoriana izao!»