11 dia ny Sirianina teo anoloany ary ny Filistinina tao an-damosiny, ka nandrapaka an’i Israely indraim-bava. Saingy, na teo aza izany rehetra izany, dia mbola tsy afaka ny fahatezeran’ny TOMPO fa mihinji-tanana mandrahona ihany Izy.
11 dia ny Arameana avy any atsinanana sy ny Filistina avy any andrefana; misanasana vava handrapaka ny Israely ireo. Kanefa na eo aza izany rehetra izany dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany fa mbola miainga ihany ny tanany.
11 dia ny Sirianina teo anoloany ary ny Filistinina tao an-damosiny, ka nandrapaka an’i Israely indraim-bava. Saingy, na teo aza izany rehetra izany, dia mbola tsy afaka ny fahatezeran’ny TOMPO fa mihinji-tanana mandrahona ihany Izy.
11 dia i Siria any Atsinanana, sy ny Filistinina any Andrefana, ka ho lanin’ireo, hataony be am-bava, i Israely. Na izany rehetra izany aza anefa, tsy nihodivitra ny hatezerany, ary mbola mihinjitra ihany ny tanany.
11 Dia ny Syriana avy any atsinanana sy ny Filistina avy any andrefana; Ary misanasana vava mandrapaka ny Isiraely ireo. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, Fa mbola mihinjitra ihany ny tànany.
11 Dia ny Syriana avy any atsinanana sy ny Filistina avy any andrefana; Ary misanasana vava mandrapaka ny Isiraely ireo. Kanefa, na dia izany rehetra izany aza, dia tsy mbola afaka ihany ny fahatezerany, Fa mbola mihinjitra ihany ny tanany.
Tamin’ny andro nanjakan’i Peka tamin’i Israely no nahatongavan’i Tiglata-Pilesera mpanjakan’i Asiria haka ny tanànan’i Hiôna sy i Abela-Bety-Mahakà mbamin’i Janôka sy i Kedesa ary i Hatsôra; nalainy koa i Gilehada sy i Galilea mbamin’ny tanin’i Naftalỳ manontolo, ary dia nataony sesitany tany Asiria ny mponin’ireo.
Koa nihaino ny teniny ny mpanjakan’i Asiria, dia nanafika ny tanànan’i Damasy ka nahazo azy; ary nataony sesitany tany Kira ny mponina, fa novonoiny ho faty kosa i Retsina.
Izany indrindra no nampirehitra ny fahatezeran’ny TOMPO tamin’ny vahoakany. Naninji-tanana taminy sy namely azy Izy, Nampihovitrovitra ny tendrombohitra izany; ary toy ny fako tavela eny an-dàlambe no niampatramparan’ny fatin’olona. Saingy, na teo aza izany rehetra izany, dia tsy mbola afaka ny fahatezeran’ny TOMPO fa maninji-tanana mandrahona ihany Izy.
I Damasy manko no renivohitr’i Siria, ary ao ihany i Retsîna no filoha; i Samaria no renivohitr’i Efraîma, ary ao ihany i Peka no filoha. I Efraîma, ao anatin’ny 65 taona, dia tsy ho vanon-ko firenena intsony.› Kanefa raha tsy ny TOMPO no itokianareo, dia tsy ho azo itokiana haharitra koa ianareo.»