Kanjo tsy noraharahain’i Rehabohama ny torohevitra nomen’ny loholona azy; fa ny tovolahy izay nitovitovy taona taminy sady efa mpandraharahany no nakany hevitra,
Hosea 6:10 - DIEM PROTESTANTA Zava-maharikoriko no hitako tao amin’ny fanjakan’i Israely. Ny fivarotan-tenan’i Efraîma no ao ka mahaloto an’i Israely. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tao amin’ny taranak’Israely no nahitako zavatra mahatsiravina; ao no nijangajangan’i Efraima sy naha voaloto an’Israely. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Zava-maharikoriko no hitako tao amin’ny fanjakan’i Israely. Ny fivarotan-tenan’i Efraîma no ao ka mahaloto an’i Israely. Baiboly Katolika Zava-mahatsiravina no hitako teo amin’ny taranak’i Israely; fa ao no ijangajangan’i Efraima, sy andotoan’i Israely tena. Baiboly Protestanta Malagasy Tao amin’ny taranak’Isiraely no nahitako zavatra mahatsiravina: Ao ny fijangajangan’i Efraima, voaloto Isiraely. Malagasy Bible Tao amin'ny taranak'Isiraely no nahitako zavatra mahatsiravina: ao ny fijangajangan'i Efraima, voaloto Isiraely. La Bible en Malgache Tao amin’ny taranak’Israely no nahitako zavatra mahatsiravina; ao no nijangajangan’i Efraima sy naha voaloto an’Israely. |
Kanjo tsy noraharahain’i Rehabohama ny torohevitra nomen’ny loholona azy; fa ny tovolahy izay nitovitovy taona taminy sady efa mpandraharahany no nakany hevitra,
Ny nahatonga izany kosa dia ny fahotana nataon’i Jerôbohama sady nampanaoviny an’i Israely ka nampahatezitra mafy ny TOMPO Andriamanitr’i Israely.
Tonga izany rehetra izany noho ny nanotan’ny Israelita tavaratra tamin’ny TOMPO Andriamaniny Izay nanafaka azy teo ambany fifehezan’ny Farao mpanjakan’i Ejipta sy nitondra azy niala tao amin’io tany io. Fa nanompo andriamani-kafa ireo
Noho izany dia izao no lazain’ny TOMPO: Mba anontanio ange any amin’ny firenen-kafa raha mba nisy nandrenesana zavatra toy izao! Zava-mahatsiravina loatra ity nataon’i Israely.
Fa tao amin’ny mpaminanin’i Jerosalema dia nahitako zavatra mahatsiravina: sady mijangajanga izy no mivelona amin’ny lainga. Mampirisika ny mpanao ratsy izy hany ka misakana ny tsirairay hiala amin’ny faharatsiany. Izy rehetra amiko dia tonga tahaka ny olon’i Sôdôma; ary ny mponin’i Jerosalema dia sahala amin’ny an’i Gômôra.»
Tamin’ny andron’i Jôsià mpanjaka dia hoy ny TOMPO tamiko: –Hitanao ve izay nataon’i Israely mpiodina? Nankeny amin’ny havoana rehetra sy teny am-pototry ny hazo maitso rehetra izy ka nanolo-tena hijangajanga.
Kinanjo nijangajanga i Ôhôlà na dia efa Ahy aza. Maimay izy tamin’ireo lehilahy sakaizany, dia ny Asirianina
I Ôhôlà dia nanome tombony manokana ireo manampahefana asirianina ireo, ka tamin’izay naha maimay azy dia nandoto tena tamin’ny fanompoana ny sampiny rehetra izy.
Mila saina amin’ny tapa-kazony ny oloko; ary ny tehiny no manoro hevitra azy. Fa rivotry ny fivarotan-tena no mitsoka eo aminy ka mampania azy. Koa dia lasa nivaro-tena niala tamin’Andriamaniny izy.
Izaho dia mahalala an’i Efraîma, ary tsy takona amiko i Israely; satria ianao, ry Efraîma, efa tonga mpivarotena ankehitriny, ka voaloto noho izany i Israely.»