Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hosea 4:17 - DIEM PROTESTANTA

17 Tafaray amin’ny sampy i Efraîma, ka avelao izy

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

17 Lasa mpiombona amin’ny sampy i Efraima; aoka izy ho eo!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

17 Tafaray amin’ny sampy i Efraîma, ka avelao izy

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

17 Tafaraikitra amin’ny sampy i Efraima; avelao izy ho eo!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

17 Tafaraikitra amin’ny sampy Efraima; Aoka izy ho eo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

17 Tafaraikitra amin'ny sampy Efraima; Aoka izy ho eo.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

17 Lasa mpiombona amin’ny sampy i Efraima; aoka izy ho eo!

Jereo ny toko dika mitovy




Hosea 4:17
8 Rohy Ifampitohizana  

Kanjo ny vahoakako tsy nihaino Ahy, ny Israelita tsy nila Ahy,


Nefa arakaraka ny niantsoako azy no vao mainka nanalavirany Ahy. Nanatitra sorona ho an’i Bahala izy ary nandoro vovo-javamanitra ho an’ny sampy.


Hisy ady mafotaka ao an-tanànany, ka handrava ny fiarovany ary hahatonga fandripadripahana; izany no vokatry ny pôlitikan’i Israely.


Hodidinin’ny olon’i Efraîma lainga Aho ary mamely fitaka manodidina Ahy ny firenen’i Israely. I Joda kosa mbola miaraka amin’Andriamanitra sady mbola matoky an’Ilay Masina Indrindra.


Ankehitriny mikiribiby manota izy, ka mandrendrika volafotsy hanaovana sarivongan-tsampy araka ny hakingany mamorona azy. Asan’ny mpahay taozavatra avokoa ireny kanefa dia lazainy hoe: «Anolory sorona izy!» Olombelona no mitsaoka ombilahikely!


Tsy iza no ampangaina sy kianina, fa ny tenanao mpisorombe no ifandaharako, hoy ny Tompo.


Avelao any ireo, fa jamba mitantana jamba; ary raha misy jamba mifampitantana, dia hifamarina an-kady.


Izay manao ny tsy rariny, aoka mbola hanao ny tsy rariny hatrany; ary izay ratsy toetra, aoka hiharatsy toetra hatrany. Izay tia rariny, aoka hanao ny rariny hatrany; ary izay masina, aoka hihamasina hatrany!


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra