Rehefa mikorontana ny tany, dia maro mpitondra mifanolosolo. Fa manjaka kosa ny filaminana noho ny olona iray manan-tsaina sy mahay.
Hosea 13:11 - DIEM PROTESTANTA Koa tamim-pahatezerana no nanomezako mpanjaka anao, ary tamim-pahavinirana no nanesorako ireny indray. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nomeko mpanjaka tamin’ny fahatezerako ianao, nefa nesoriko tamin’ny fahavinirako izy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Koa tamim-pahatezerana no nanomezako mpanjaka anao, ary tamim-pahavinirana no nanesorako ireny indray. Baiboly Katolika Omeko mpanjaka ianao amin’ny hatezerako; ary esoriko ireny amin’ny fahavinirako. Baiboly Protestanta Malagasy Nomeko mpanjaka hianao tamin’ny fahatezerako, Ary nesoriko izy tamin’ny fahavinirako. Malagasy Bible Nomeko mpanjaka ianao tamin'ny fahatezerako, ary nesoriko izy tamin'ny fahavinirako. La Bible en Malgache Nomeko mpanjaka tamin’ny fahatezerako ianao, nefa nesoriko tamin’ny fahavinirako izy. |
Rehefa mikorontana ny tany, dia maro mpitondra mifanolosolo. Fa manjaka kosa ny filaminana noho ny olona iray manan-tsaina sy mahay.
Ankehitriny hiteny ireo hoe: «Tsy mana-mpanjaka izahay noho ny tsy nanajanay ny TOMPO. Sady soa inona ho anay moa no ho vitan’izay mpanjaka?»
Vita hatreo ny amin’i Samaria, fa ny mpanjakany dia toa sila-kazo mitsingevaheva eny ambonin’ny rano.
Koa andro maro no hijanonan’ny Israelita tsy hana-mpanjaka na filoha, sorona na tsangam-bato, efôda na terafîma.
Nanangana mpanjaka izay tsy nofidiko izy ary nanendry filoha izay tsy fantatro akory. Nanaovany sampy ny volafotsy na ny volamenany mba ho fongotra aminy.
Fa ankehitriny kosa ianareo dia efa nandà ny Andriamanitrareo Izay namonjy anareo tamin’ny andro mahory sy fijaliana rehetra, ka hoy ianareo taminy: «Omeo mpanjaka izahay!» Noho izany, dia mankanesa ianareo eo anatrehan’ny TOMPO araka ny fokonareo sy fianakavianareo avy.
Ary hoy i Samoela tamin’ny vahoaka israelita rehetra: –Indro efa nekeko avokoa izay rehetra nangatahinareo tamiko: nanendry mpanjaka hanjaka eo aminareo aho.
Koa indro ny mpanjaka izay nirinareo sy nangatahinareo hanjaka aminareo fa nomen’ny TOMPO anareo.
Hoy kosa i Samoela taminy: –Tsia, tsy hiverina hiaraka aminao aho, satria efa nandà ny tenin’ny TOMPO ianao, ka dia laviny koa tsy ho mpanjakan’i Israely intsony.
Hoy ny TOMPO tamin’i Samoela: –Mandra-pahoviana ihany no halahelovanao an’i Saoly, nefa na Izaho aza efa nandà azy tsy ho mpanjakan’i Israely intsony? Raiso ny diloilonao, dia mandehana; fa irahiko ho any amin’i Jisay any Betlehema ianao, satria efa nifidy anankiray tamin’ny zanany aho mba ho mpanjaka.