Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hosea 10:7 - DIEM PROTESTANTA

7 Vita hatreo ny amin’i Samaria, fa ny mpanjakany dia toa sila-kazo mitsingevaheva eny ambonin’ny rano.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Ho rava i Samaria, ho tonga toy ny sombin-javatra eny ambonin’ny rano ny mpanjakany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Vita hatreo ny amin’i Samaria, fa ny mpanjakany dia toa sila-kazo mitsingevaheva eny ambonin’ny rano.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Levona i Samaria; ny mpanjakany dia toy ny tapak’ahitra eo ambonin’ny rano.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Ho rava Samaria, Ny mpanjakany dia ho tonga toy ny sombin-javatra eny ambonin’ny rano.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Ho rava Samaria, ny mpanjakany dia ho tonga toy ny sombin-javatra eny ambonin'ny rano.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 Ho rava i Samaria, ho tonga toy ny sombin-javatra eny ambonin’ny rano ny mpanjakany.

Jereo ny toko dika mitovy




Hosea 10:7
9 Rohy Ifampitohizana  

Taorian’izany dia izao no nitranga: nisy lehilahy natao hoe Nabôta tao Jizrehela, izay nanana tanimboaloboka teo akaikin’ny lapan’i Ahaba mpanjakan’i Samaria.


Fa hoy kosa ny anjelin’ny TOMPO tamin’i Elià avy any Tisbe: –Mandehana mihaona amin’ny iraky ny mpanjakan’i Samaria ka lazao izy hoe: «Moa tsy misy Andriamanitra ve any Israely no mandeha hanontany an’i Bahala-Zeboba andriamanitr’i Hekrôna ianareo?»


Fa nikomy tamin’i Peka zanakalahin’i Remalià i Hôsea zanakalahin’i Elà ka nahafaty azy; ary nanjaka nandimby azy izy tamin’ny taona faharoapolo nanjakan’i Jôtama zanakalahin’i Hozià.


Tato aoriana anefa dia nikomy taminy i Hôsea, satria sady nandefa iraka tany amin’ny mpanjakan’i Ejipta tany Saîsa izy no tsy nety nandoa ny hetrany isan-taona ho an’ny mpanjakan’i Asiria intsony. Koa rehefa hitan’i Salmanesera izany fikomiana izany, dia nasainy nosamborina sy nogadraina i Hôsea.


Toy izany no hanjo anareo, ry vahoakan’i Israely, noho ny haratsiana mihoa-pampana vitanareo. Vao maraina ny andro, dia ho faty ny mpanjakan’i Israely.»


Ankehitriny hiteny ireo hoe: «Tsy mana-mpanjaka izahay noho ny tsy nanajanay ny TOMPO. Sady soa inona ho anay moa no ho vitan’izay mpanjaka?»


Ho rava ireo toeram-panasinana: izany no hadisoana sy fahotan’i Israely. Songosongo aman-tsilo no handadina ny alitarany. Amin’izay no hitenenana hoe: «Ry tendrombohitra, saròny izahay!» «Ry havoana, mianjerà aminay».


Koa tamim-pahatezerana no nanomezako mpanjaka anao, ary tamim-pahavinirana no nanesorako ireny indray.


toy ny onjan-dranomasina misamboaravoara ka mamorivory henatra vokatry ny ataony; toy ny tain-kintana mirenireny, ka voatahiry mandrakizay ho an’ny haizina mangitsokitsoka.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra