Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hosea 10:6 - DIEM PROTESTANTA

6 Satria io ombilahikely io koa dia hoentina any Asiria ho fanomezana ho an’ilay Mpanjaka lehibe; hahafa-baràka an’i Efraîma izany; eny, hangaihay i Israely noho ny sain-dratsiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Hoentina any Asiria koa iny ho fanomezana ho an’i Jareba mpanjaka. Ho afa-baraka i Efraima; eny, hangaihay Israely noho ny zavatra nosaininy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Satria io ombilahikely io koa dia hoentina any Asiria ho fanomezana ho an’ilay Mpanjaka lehibe; hahafa-baràka an’i Efraîma izany; eny, hangaihay i Israely noho ny sain-dratsiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 Hoentina any Asiria koa izy, hatao fanatitra ho an’ny mpanjaka mpamaly; ho azon’ny henatra i Efraima, hangaihay noho ny hevitra voakasany i Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Iny koa ho entina any Asyria Ho fanomezana ho an’i Jareba mpanjaka; Ho afa-baraka Efraima, Eny, hangaihay Isiraely noho ny saina nataony.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Iny koa ho entina any Asyria ho fanomezana ho an'i Jareba mpanjaka; Ho afa-baraka Efraima, eny, hangaihay Isiraely noho ny saina nataony.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

6 Hoentina any Asiria koa iny ho fanomezana ho an’i Jareba mpanjaka. Ho afa-baraka i Efraima; eny, hangaihay Israely noho ny zavatra nosaininy.

Jereo ny toko dika mitovy




Hosea 10:6
22 Rohy Ifampitohizana  

Tonga nanafika azy i Salmanesera mpanjakan’i Asiria, koa dia nanaiky handoa hetra ho azy i Hôsea.


Hiambakavaka ilay famindrany matoky iny, ary ho lavon’ny foto-pisainany ihany izy;


Tena ho diso fanantenana ianareo ny amin’ireo hazo terebinta izay nolalainareo; eny, ho menatra ianareo ny amin’ireo toerana nofidinareo hanaovana ny fombafomban-tsampy.


Hivadika ho henatra ho anareo izany fiarovan’ny Farao izany, ary ho fahafaham-baràkanareo ny fialofana eo ambany alok’i Ejipta,


Indro ny mpanamboatra sarivongan-tsampy fa ho indray menatra sy ho afa-baràka; mandeha mitanondrika izy rehetra.


Ho diso fanantenana i Môaba amin’i Kemôsy andriamaniny tahaka ny nahadiso fanantenana an’i Israely avaratra tamin’ny andriamanitr’i Betela izay nianteherany.


Kanjo tsy nihaino sady tsy niraharaha Ahy izy fa nanaraka ny heviny araka ny ditran’ny fony. Tsy nitodika tamiko izy fa niamboho Ahy.


Saingy tsy afa-po ny filànao fa nijangajanga tamin’i Asiria koa ianao. Kanefa mbola tsy afa-po ihany ianao.


Dia hotsaroanareo ny fitondrantena ratsy sy ny asa tsy mendrika nataonareo, ka hankaloiloy anareo ny helokareo sy ny zavatra maharikoriko vitanareo.


Nentiny ho babo tany Ejipta avokoa ny sarivongan’ireo andriamanitr’izany tany izany miaraka amin’ny fanaka sarobidy volafotsy sy volamena; ary hijanona elaela tsy hamely an’ilay mpanjaka ao avaratra izy.


Faohin’ny tadio mitambolimbolina izy ka ho menatra noho ireo sorona nataony.


Arakaraka ny nahabetsaka ny mpisorona no vao mainka nanotany tamiko; ka dia hampodiko ho henatra ny voninahiny.


Hitan’i Efraîma ny aretiny ary tsapan’i Joda ny feriny; ka nankany amin’i Asiria i Efraîma ary nandefa iraka tany amin’ilay mpanjaka lehibe; nefa tsy nahasitrana anareo izy sady tsy nahafaka ny ferinareo, ry olon’i Efraîma.


Fa avy tamin’i Israely io ombilahikely io, mpahay taozavatra no namboatra azy, ka dia tsy Andriamanitra izy; eny, ho montsamontsana ilay ombilahikelin’i Samaria.


Fa tandremanareo fatratra ny ohatra ratsy nasehon’i Hômrỳ mpanjaka sy ny fihetsiky ry i Ahaba mianakavy, ka narahinareo ny fomba amam-panaony. Noho izany, dia hatolotro horavana ity renivohitrareo ity ary ho fihomehezana ianareo mponina ao aminy; ka ianareo no hitondra ny latsa mianjady amin’ny vahoakako.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra