Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hosea 10:5 - DIEM PROTESTANTA

5 Ny mponin’i Samaria dia manaja ilay sarin’ombilahikely izay ao Bety-Avena, satria misaona azy ny vahoakany mbamin’ireo mihambo ho mpisorony. Ny voninahitr’ilay ombilahikely anie no aoka hiravoravoany, amin’izao izy lasa babo ho lavitra antsika izao!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Matahotra ny mponina any Samaria noho ny amin’ny ombivavy kely ao Bety-Avena; mitomany azy ny olony ary mangovitra noho ny aminy ny mpisorony, dia noho ny amin’ny voninahiny izay lasan-ko babo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Ny mponin’i Samaria dia manaja ilay sarin’ombilahikely izay ao Bety-Avena, satria misaona azy ny vahoakany mbamin’ireo mihambo ho mpisorony. Ny voninahitr’ilay ombilahikely anie no aoka hiravoravoany, amin’izao izy lasa babo ho lavitra antsika izao!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

5 Noho ny ombivavy kely ao Betavena no atahoran’ny mponina ao Samaria, satria ny vahoakany misaona ny sampiny, ary ny mpisorona mangovitra noho ny aminy, noho ny voninahiny, fa efa niala taminy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Ny mponina any Samaria matahotra noho ny amin’ny ombivavy kely ao Betavena; Fa ny olony mitomany azy, Ary ny mpisorony mangovitra noho ny aminy, Dia noho ny amin’ny voninahiny, fa lasan-ko babo izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Ny mponina any Samaria matahotra noho ny amin'ny ombivavy kely ao Betavena; Fa ny olony mitomany azy,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

5 Matahotra ny mponina any Samaria noho ny amin’ny ombivavy kely ao Bety-Avena; mitomany azy ny olony ary mangovitra noho ny aminy ny mpisorony, dia noho ny amin’ny voninahiny izay lasan-ko babo.

Jereo ny toko dika mitovy




Hosea 10:5
20 Rohy Ifampitohizana  

Saingy tsy nialan’i Jehò ny fahotana izay nitarihan’i Jerôbohama zanakalahin’i Nebata ireo Israelita, dia ny fivavahana amin’ny ombilahikely volamena tao Betela sy tao Dana.


Nafoiny avokoa ny didin’ny TOMPO Andriamaniny, ka nanao sarivongan’ombilahikely anankiroa izy sy nanangana tsatokazo fanajana an’i Aserà ary niankohoka teo anatrehan’ny planeta aman-kintana sady nanompo an’i Bahala.


Noroahin’i Jôsià ireo mpisorona sandoka izay notendren’ny mpanjakan’i Joda mba handoro sorona hanetona tamin’ireo toeram-panasinana tao an-tanànan’i Joda sy manodidina an’i Jerosalema; noroahiny ireo satria nanao sorona ho an’i Bahala sy ho an’ny masoandro ary ho an’ny volana sy ny planeta aman-kintana.


nanendry olona ho mpisorona manko izy hisahana ireo toeram-panasinana sy hikarakara ireo sarin’osilahy na ombilahikely izay sampy nampamboariny.


Ankehitriny ianareo dia mihambo hanohitra ny fanjakana izay napetraky ny TOMPO eo an-tanan’ny taranak’i Davida. Marobe tokoa ianareo sady tafaraka aminareo ny ombilahikely volamena izay nataon’i Jerôbohama ho andriamanitrareo.


Niletsy sy nihareraka ireo andriamanitra ka tsy afa-mamonjy ny sarivongany intsony: na dia ny tenany aza lasan-ko babo.


Ankehitriny mikiribiby manota izy, ka mandrendrika volafotsy hanaovana sarivongan-tsampy araka ny hakingany mamorona azy. Asan’ny mpahay taozavatra avokoa ireny kanefa dia lazainy hoe: «Anolory sorona izy!» Olombelona no mitsaoka ombilahikely!


Na dia mivaro-tena aza ianao, ry Israely, dia aoka tsy hanota toy izany koa i Joda. Aza mankany Gilgala na miakatra any Bety-Avena ianao; ary aza mianiana hoe: «Velona ny TOMPO...!»


Tsofy ao Gibehà ny anjomara ary tsofy ao Ramà ny trompetra. Velomy ao Bety-Avena ny akoram-panairana. Tandremo ny ao an-damosinao, ry Benjamîna!


Ry Israely ô! Aoka izay ny fetim-pifaliana mihoa-pampana toy ny fanaon’ireo firenen-kafa. Fa efa nanalavitra an’Andriamanitrao ianao tamin’ny fivarotan-tena nataonao sy tamin’ny fitiavan-karama maloto teny am-pivelezam-bary rehetra teny.


Ankehitriny ny voninahitr’i Efraîma dia hiserana toy ny fiseram-boromanidina; ka tsy hisy zaza teraka intsony, na zaza entina am-bohoka na zaza torontoronina akory aza.


«Amin’ny andro hamaliako ny Israely noho ny helony, dia horavako ireo alitara ao Betela; hopotehiko ny tandroky ny alitara isanisany, ka hianjerazera amin’ny tany.


«Hirotsaka hamely ny mponin’i Jerosalema sy ny vahoaka rehetra ao Joda Aho. Hofoanako tsy hisy amin’ity toerana ity ny zavatra sisa rehetra tamin’ny fanompoana an’i Bahala; eny, hofoanako hatramin’ny fahatsiarovana ireo mpisoron’io andriamani-tsiizy io koa aza.


Ny loza ahina amin’izany, tsy hoe ny haharatsy laza ny raharahantsika ihany, fa koa ny hanaovana tsinontsinona ny tempolin’i Artemida, andriamanibavy lehibe, ka ho very hasina ilay andriamanibavy ivavahana manerana ny faritany Azia sy izao tontolo izao.


I Josoa kosa naniraka vatan-dehilahy avy tao Jerikao ho any Hay, izay tanàna ao atsinanan’i Betela eo akaikin’i Bety-Avena, ka nanome baiko azy mba hiakatra hisafo iny faritra iny. Dia niakatra nisafo an’i Hay ireo lehilahy ireo


Dia namaly azy i Mikà hoe: –Nalainareo ireo andriamanitra izay namboariko ho ahy ary nentinareo ny mpisoroko, dia iny ianareo no lasa; ka tsy manana na inona na inona intsony aho. Koa mbola sahy manontany izay nahatonga ahy nanao izao ihany ve ianareo?


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra