Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Hosea 12:5 - DIEM PROTESTANTA

Anjely no nitolomany ka nandresy azy. Nitomany i Jakôba sady nifona taminy. Tao Betela no nahitany an’Andriamanitra ka nitenenan’Andriamanitra taminy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Eny, nitolona tamin’ilay Anjely izy ka nahery; nitomany izy sady nifona Taminy. Nahita azy tao Betela Izy ary tao no niresahany tamintsika;

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Anjely no nitolomany ka nandresy azy. Nitomany i Jakôba sady nifona taminy. Tao Betela no nahitany an’Andriamanitra ka nitenenan’Andriamanitra taminy.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Niady tamin’ilay Anjely ka nandresy azy; nitomany sy nifona taminy; dia nahita azy tao Betela indray, ary tao no niresahan’Andriamanitra tamintsika.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Eny, nitolona tamin’Ilay Anjely izy ka nahery; Nitomany izy sady nifona taminy; Nahita azy tao Betela Izy, ary tao no niresahany tamintsika;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Eny, nitolona tamin'Ilay Anjely izy ka nahery; Nitomany izy sady nifona taminy; Nahita azy tao Betela Izy, ary tao no niresahany tamintsika;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Eny, nitolona tamin’ilay Anjely izy ka nahery; nitomany izy sady nifona Taminy. Nahita azy tao Betela Izy ary tao no niresahany tamintsika;

Jereo ny toko



Hosea 12:5
7 Rohy Ifampitohizana  

Taitra tamin’ny torimasony i Jakôba ka nanao hoe: –Tena eto amin’ity toerana ity tokoa ny TOMPO, fa izaho no tsy nahalala.


Dia nanontany kosa i Jakôba hoe: –Mba lazao ahy, azafady, ny anaranao! Ary hoy izy hoe: –Ahoana no anontanianao ny anarako? Dia notsofiny rano teo i Jakôba.


Rehefa niverina avy tany Mezôpôtamia ambony i Jakôba, dia nisehoan’Andriamanitra indray sady notsofiny rano


TOMPO ô, maharitra mandrakizay ny lazanao; amin’ny taona rehetra ny fahatsiarovana Anao,


Toa efa lasa tany am-pasana aho fa novelominao indray, TOMPO ô; toa efa tany amin’ny fonenan’ny maty aho no nakarinao avy any.


Dia ampio hoe: «Ny TOMPO Andriamanitry ny razanareo, ilay Andriamanitr’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba, no naniraka ahy ho atỳ aminareo.» Izany no anarako mandrakizay, ary izany no hahatsiarovana Ahy isaky ny taranaka mifandimby.


Izaho no TOMPO, izany no anarako ka ny voninahitro tsy homeko ny hafa ary ny fiderana Ahy tsy avelako ho an’ny sampy.