Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hosea 12:4 - DIEM PROTESTANTA

4 Fony i Jakôba mbola tany an-kibon-dreniny no efa nisongona ny rahalahiny; ary rehefa lehilahy lehibe izy, dia nitolona tamin’Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Fony mbola tany am-bohoka izy dia nihazona ny voditongotry ny rahalahiny ary rehefa lehibe izy dia nitolona tamin’Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Fony i Jakôba mbola tany an-kibon-dreniny no efa nisongona ny rahalahiny; ary rehefa lehilahy lehibe izy, dia nitolona tamin’Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 Mbola tao am-bohoka i Jakôba nanongona ny rahalahiny, ary tamin’ny fahavitrìhany dia nitolona tamin’Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Fony mbola tany am-bohoka Dia nihazona ny ombelahin-tongotry ny rahalahiny izy, Ary rehefa lehibe izy, dia nitolona tamin’Andriamanitra;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Fony mbola tany am-bohoka dia nihazona ny ombelahin-tongotry ny rahalahiny izy, ary rehefa lehibe izy, dia nitolona tamin'Andriamanitra;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 Fony mbola tany am-bohoka izy dia nihazona ny voditongotry ny rahalahiny ary rehefa lehibe izy dia nitolona tamin’Andriamanitra.

Jereo ny toko dika mitovy




Hosea 12:4
18 Rohy Ifampitohizana  

Taorian’izany dia teraka koa ny rahalahiny; nohazoniny ny voditongotr’i Hesao ka natao hoe Jakôba ny anarany. Efa enimpolo taona i Itsehàka tamin’ny nahaterahan’izy mirahalahy.


Nalainy ary nampitainy teo avokoa izay rehetra azy.


I Jakôba irery no sisa nijanona ary nisy lehilahy nifampitolona taminy mandra-pahazava ratsy ny andro.


Ary rehefa hitany fa tsy naharesy an’i Jakôba izy, dia nodoniny ny foto-pen’i Jakôba ka nipitsoka, raha izy mbola nifampitolona iny.


Dia nanohy ny teniny izy hoe: –Tsy hantsoina hoe Jakôba intsony ianao fa hatao hoe Israely, satria efa nitolona tamin’Andriamanitra sy tamin’ny olona ianao ka nandresy.


Dia nantsoin’i Jakôba hoe «Betela» na Tranon’Andriamanitra io toerana izay nitenenan’Andriamanitra taminy io.


Toy izao ny tsodrano nomen’i Jakôba an’i Jôsefa: Antsoiko Andriamanitra hitsodrano, fa teo anatrehany no nizoran’i Abrahama raibeko sy i Itsehàka raiko; antsoiko Andriamanitra Izay nanolokolo ahy hatrizay niainako ka mandraka ankehitriny;


ny ranomasina novany ho tany maina, nitan’ny razanay an-tongotra ny ony. Aoka hifaliantsika eto izany asany izany!


tamin’ny fahoriana rehetra nanjo azy. Tsy solotena na anjely no namonjy azy fa ny tenan’ny Tompo mihitsy. Ny fitiavany sy indrafony no nanavotany azy, ka nivimbinany azy sy nitondrany azy nandritra ny androny rehetra fahiny.


Ka hoy ny TOMPOn’izao rehetra izao aminareo: «Indro Aho handefa ny irako mba hanamboatra lalana eo alohako; ary ny Tompo izay tadiavinareo dia ho tonga tampoka ao an-tempoliny. Ho tonga hitondra ny fanekempihavanako ilay iraka izay irinareo; indro avy tokoa Izy!»


avy eo, dia hakarina hiaraka amin’ireo ho eny amin’ny rahona koa isika velona aina sisa tavela, mba hitsena ny Tompo eny amin’ny habakabaka; ary dia hiaraka amin’ny Tompo mandrakizay isika.


I Jesoa, fahavelony teto an-tany, dia nanolotra fivavahana sy fitalahoana nombàm-pitarainana mafy sy ranomaso be tamin’Andriamanitra, Izay afa-mamonjy Azy tsy hiharan’ny fahafatesana; ary dia nohenoin’Andriamanitra izy, ka afaka tamin’ny tahotra ny ho faty.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra